Tantara tamin'ny Aogositra, 2012
“Aza Matahotra Ny Aterineto”: Copyright Sy Fahalalahana Miteny Ao Anaty Atetineto
Anatin'ity sehatry ny fanentanana "Aza matahotra ny Aterneto" [es] ity dia hifantoka amin'ny fomba hahatongavan'ireo lalàna sasany momba ny copyright sy ireo fomba fanao hanakivy ny fampiasàna ny Aterineto ho an'ny fanehoan-kevitra. Ireto misy valinteny dimy fampidirana ho an'ny olana iray nampiray ireo mafàna fo eran-tany hiady amin'ny SOPA, ACTA, TPP, sns.
Afrika: Hialàna Amin'ny Ozon'ny Harena An-kibon'ny Tany
Maninona ireo firenena Afrikana feno harena an-kibon'ny tany tahaka ny Repoblika Demokratikan'i Kongô, Nizeria na Madagasikara raha tsy hilaza afa-tsy vitsivitsy, no tratran'ny fahantrana tsy fahita any ankoatra ihany koa? Izany no hevitr'ilay ozon'ny harena an-kibon'ny tany, izay nanimba firenena maro tany Afrika ambanin'i Sahara.
Pakistana: Naaton'ny Governemanta Ny Fifandraisandavitra An-tanandehibe Nandritra Ny Eid
Nandritra ny Eid-ul-Fitr, fotoana manamarika ny volana fifadian-kanina ho an'ny Miozolomana izay ankalazaina ho andro tsy fiasana, notapahan'ny governemantan'i Pakistana ny tambajotram-pifandraisana amin'ny finday ho an'ireo tanàndehibe efatra ao amin'ny firenena – Karachi, Lahore, Multan ary i Quetta. Mihantona tsy mandeha ny tambajotram-pifandraisana manomboka ny Alahady 19 Aogositra 2012 amin'ny 8 hariva, hatramin'ny...
Pero: Notokanana Tamin'ny Fomba Ôfisialy Ho Zava-Boahary Mahaliana Amazona
Ny Alatsinainy 13 Aogositra teo dia sehatry ny fankalazana marevaka manamarika ny fanokanana ofisialy an'i Amazona ho iray amin'ireo Zava-boahary Mahaliana Fito Vaovao ny tanànan'i Iquitos. Nizara fihetsika isankarazany momba io fankatoavana an'i Amazona io ny mpiserasera amin'ny aterineto.
Kalaza NBA Taloha Mpandala Ny Tontolo Iainana Mitsidika An'i Kenya
Hatramin'ny nisotroany ronono tamin'ny National Basketball Association [Etazonia] herintaona lasa izay, Lasa mpikatroka miaro ny tontolo iainana ilay kalaza Shinoa Yao Ming. Nitsidika toerana nanatontosana rafitra iadiana amin'ny fihazana tsy ara-dalàna izy
Costa Rica: “Voaolana Aho, Hadisoako Ve Satria Nivoaka Alina?”
Tamin'ny hery sy fahasahiana, no nanoratan'i SophiadelSol bilaogeran'ny Love Fashion & Vintage ny fakàna an-keriny taminà fiara nanjo azy vao haingana, fangalarana sy fanolanana raha nivoaka alina niaraka tamin'ny sipany izy. Ao amin'ny fiaraha-monina izay miampanga ireo niharam-boina ho manolotra ny tenany ho amin'ny loza, halatra ary ireo zavatra hafa mety hiseho, mijoro misolo tena ireo niharam-boina ireo izy ary mametraka ny hadisoana amin'ny fiaraha-monina izay mamela ireny zavatra ireny hitranga.
Graffitis Mitarika Fahatsiarovan-tena Amin'ny Vanim-potoana Manahirana
Amin'izao fahasahiranana ara-toekarena misy ankehitriny izao, mifanjevo amin'ny hafatra sosialy maro ny graffiti. Ity ny sasany amin'ireo haikanto an-tanan-dehibe.
Sri Lanka: Mihamafy Ny Fatotra Manery Ny Fahalalahana Miteny Antserasera
Mamely ny fahalalahana miteny amin'ny aterineto ao Sri Lanka ny lalàna vaovao navoakan'ny fitondrana. Tsy maintsy handoa Rs. 25.000 ($193) ho fisoratana anarana ary Rs. 10.000 isan-taona ho fanavaozana ny fisoratana anarana ny vohikalam-baovao rehetra manomboka izao. Manery ny bilaogera hanao sivana ny tenany noho ny tahotra ny tahaka izao
Etazonia: Midika Inona Ho An'ny Olona Miteny Espaniola i Paul Ryan
Hatramin'ny andro nisafidianan'ilay Repoblikana mihazakazaka amin'ny fifidianana ho filoham-pirenena, Mitt Romney, an'i Paul Ryan mpikambana ao amin'ny Kaongresy ao Wisconsin, ho mpiray lisitra aminy, goavana tokoa ny fandrakofan'ireo mpampahalala vaovao an'izany, na mpomba, na mpanohitra ilay fanapahan-kevitra.. Vitsy no voalaza momba ny fiantraikany teo amin'ny vahoaka tao Etazonia ary indrindra indrindra fa ny vondrom-piarahamonin'ireo miteny Espaniola.
Video: Hetsika Teto Aho – Asa Soa Madinika Manova Izao Tontolo Izao
Andao hiaraka aminay fa hitanay ny fiovan'izao tontolo izao amin'ny alalan'ireo hetsika madinika natao nandritra ny Fanentanana Teto Aho amin'ny Andron'ny Firenena Mikambana Ho amin'ny Fanampiana Mahaolona Manerantany. Fomba iray hanekena ny asa vita tamin'ny fanampiana mahaolona manerantany ny alahady 19 aogositra; nanao fanasaha ho an'izao tontolo izao ny Firenena...