Nandritra ny taona maro, niaina teo ambany alok'i Portiogaly i Angola, nefa niova ny zavatra rehetra ; ankehitriny ny vola avy any amin'ireo Angole mpizaha tany no mamahana ny vata fitehirizam-bolan'ireo tranombarotra mihaja any Portiogaly. Araka ny fanadihadian'ny Visa Europe, ‘Mediterranean Rim Tourism Monitor‘ na ‘Fanaraha-maso ny Fizahan-tany manodidina an'i Mediteraneana’ [.pdf], teo anelanelan'ny volana Janoary sy ny volana Aprily tamin'ity taona ity, dia nandany vola maherin'ny 87 tapitrisa euros tany Portiogaly ireo Angole mpizaha tany .
Tamin'ny 2011, nandany vola maherin'ny 59.6 tapitrisa euros ireo Angole mpizaha tany, izay nanatombo 30 tapitrisa euros izany ny taona 2012. Orlando Castro, Angole mpanao gazety sady mpanoratra ny bilaogy Alto Hama, dia manamafy [pt] na izany aza, tsy mifanaraka amin'ny tena zava-misy marina any Afrika izany, izay ny ankamaroan'ny olona any dia miaina ambanin'ny 100 euros isan'andro,
o perfil do povo angolano, que representa 70% da população, é pé descalço, barriga vazia, vive nos bairros de lata, é gerado com fome, nasce com fome e morre pouco depois com… fome.
Araka ny fihevitr'i Orlando Castro, ny voalohany amin'ireo Angole mpizaha tany mandany vola any Portiogaly dia “ireo lehilahy eo amin'ny efa-polo taona eo ho eo, mpandraharaha avy amin'ny orinasa mpanao trano, miaramila fahiny na olona manana fifandraisana amin'ny governemanta”.
Ireo Angole, izay mandrafitra ny 30% n'ny tsena mihaja Portioge, dia mandany vola manodidina ny 350 euros isaky ny zavatra iray vidiana. Hamafisin'i Orlando Castro izany, amin'ny fitenenana hoe :
É comum uma loja de luxo facturar, numa só venda, entre 50 e 100 mil euros, pagos por transferência bancária ou cartão de crédito.
Ny fandanian'ireo Angole ka hatramin'ireo Mozambikana no isan'ireo tsy mitsaha-miakatra. Efa laharana faharoa sahady i Angola amin'ireo firenena mpividy be indrindra ny avy any Portiogaly .
Ny fanadihadian'ny Visa Europe dia manasongadina ihany koa fa mahatratra 220 tapitrisa euros ny fisintonana vola teo anelanelan'ny Janoary sy Aprily 2012, ” ary saika ny sehatra rehetra no nahatsapana fiakarana tamin'ny fandaniana ataon'ny vahiny mpitsidika any Portiogaly”.
Tamin'ny voalohan'ny taona, nambaran’ny Filohan'ny Parlemanta Eoropeana, Martin Schulz [pt] fa ny fampidirana ny renivola Angole dia mety ‘hampikororoso’ an'i Portiogaly, amin'ny fahafantarana fa ny vola avy any amin'ny fanjakana izay mampisalasala ny demokrasia ao aminy dia loza mananontanona ny demokrasia Portioge.
Naverin'i [pt] Cisco António navoaka tamin'ny tranonkala Cabinda Mpalapanda Civic Association ny tenin'i Martin Schulz :
Izao no ho avin'i Portiogaly : ny fitotongànan'ny toe-karena, sy ny loza ara-tsosialy hahazo ny mponina raha tsy vitantsika ny mifehy ny toe-draharaha, ara-toe-karena ny resaka, ary ambonin'izany rehetra izany ny fahamarinan-toeran'ny demokrasia sy ny rafitra ara-toe-karenantsika, no hananantsika hery amin'ny fanehoan-kevitra ao anatin'ny Firaisambe Eoropeana.
Amin'ny Filohan'ny Parlemanta Eoropeana, dia tokony hitodika any aminà Firenena Eoropeana hafa i Portiogaly. Kanefa, mandalo olana ara-toekarena ihany koa ny ankamaroan'ireo firenena ireo amin'izao fotoana izao, ka noho izany, mba ho andrana sy hivoahany amin'izao toe-draharaha izao, Portiogaly dia niodina tamin'ireo firenena izay heverina fa “nofinofy” ny fampiharana ny demokrasia, tahaka an'i Angola sy Shina.

Doka ao amin'ny seranam-piaramanidin'i Lisbon ho anà banky Angole iray. Sary avy amin'i Chiva Congelado ao amin'ny Flickr (CC BY-NC-SA 2.0)
Amin'ny tranonkala Angole Maka Angola, ilay Angole mpanao gazety Rafael Marques de Morais dia manamarika fa [pt],
os grandes parceiros económicos de Angola, como a China, Brasil e Portugal têm alimentado, de forma directa, a corrupção, através de concessão de linhas de crédito por petróleo e acordos económicos bilaterais opacos.
Na eo aza izany, mbola manohy ny fiaraha-miasa amin'i Angola ihany ny governemanta Portioge ; araka izay nolazain'i Rafel Marques de Morais,
tais comportamentos asseguram que pouco ou nada se altere em Angola, excepto o dinheiro envolvido que se torna cada vez mais apetecível.
Hamafisin'i [pt] Pegadas Luís Moreira ao amin'ny bilaoginy fa,
a pouco a pouco o dinheiro angolano vai dominando empresas e sectores económicos em Portugal, desde a banca, à comunicação social, aos sectores agrícolas do azeite e do vinho.
Nisy lahatsoratra [pt] navoakan'ny Deutsche Welle tamin'ny faran'ny volana Jolay milaza fa ho an'ny Minisitra lefitra sady Minisitry ny Raharaha Parlemantera, Miguel Relvas, ny fifandraisana amin'i Angola dia ” tsy afa- misaraka, izany no mahatonga ny fiakaran'ny fampiasam-bola Angole any Portiogaly”. Voarohirohy tamin'ny raharaha fanajanonana fandaharana iray tamin'ny radiom-panjakana tamin'ny Janoary 2012 ilay Minisitra, taorian'ny tantara iray - notaterin'ny Global Voices – nalefan'ilay fandaharana izay mitsikera ny fiankinan-dohan'ny haino aman-jery Portioge amin'ny vondrona ara-toekarena Angole.
Tsindrian'i [pt] Luís Moreira ao amin'ny bilaoginy Pegadas fa :
o grande problema de aceitarmos como sócios países não democráticos e sem estado de direito é que os novos sócios, rapidamente, olham para o nosso país como olham para o deles. Tudo se compra, não há limites à trafulhice, nem à ganância.
Tamin'ny May 2011, Invest Lisbon, mpiara-miasa amin'ny AICEP (izay mamporisika ny fampiasam-bola vahiny any Portiogaly), dia nikarakara Fihaonana tany Loanda nikendrena hisintonana ireo Angole mpampiasa vola, vondrona mpandraharaha manokana izay afaka sy manana fivelarana hampiasa vola amin'ny sehatra iraisam-pirenena, miaraka amin'ny teny faneva ‘Lisbon is your capital of Europe’ na ‘Renivohitr'i Eoropa ho anareo i Lisbon‘[.pdf, pt].
Ao amin'ny bilaogy Maka Angola, dia nambara fa [pt],
entre o investimento legítimo e o branqueamento de capitais, Portugal contínua a ser o destino preferido dos ricos angolanos e a sua melhor lavandaria financeira.
Ny tranonkala Circulo Angolanos Intelectual (Faribolan'ireo Angole Manam-pahaizana ) dia manindry fa [pt]:
O novo-riquismo angolano em todo o seu esplendor, têm muito dinheiro e gastam muito dinheiro, todos viajam muito, por todo o mundo, compram palácios, mansões, não têm mãos a medir dado o seu incomensurável poder aquisitivo. É assim a vida dos mais ricos e mais abastados angolanos, continuam na rota do dinheiro indiferentes a pobreza da maior parte da população angolana. As desigualdades sociais em Angola, Luanda em particular, são enormes, aberrantes e absurdas para um país que ainda não se afirmou e tarda em encontrar-se
Portiogaly izany dia toerana tsy maintsy aleha ho an'ireo Angole mpanefoefo , izay mbola hanohy ny fametrahana fanamby amin'ny vola, tsy miraharaha izay olana ara-toekarena mandrava an'i Eoropa any.