- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Syria: Henatra Ho An'ny Fanovàna Ianao

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Syria, Ady & Fifandirana, Fanoherana, Hevitra, Mediam-bahoaka, Politika

Ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny Hetsi-panoherana ao Syria 2011/12 [1] ity lahatsoratra ity.

Misy marika famantarana fito ho an'ireo “henatra ho an'ny fanovàna” – na fanovàna inona izany na inona. Ao amin'ny Twitter, manome ny lisitr'ireo famantarana ireo ilay Syriana @NMSyria [2].

Araka ny NMSyria, izay mamaritra ny tenany ho mpitondra fanovàna feno fireharehàna, ireo famantarana ireo dia:

@NMSyria [3]: #1: ‘mpanavakavaka mpanambony tena izay tia miresaka momba ny fidarohana ny vitsy an'isa sy ny famoretana azy ireo aorian'izay ianao.

@NMSyria [4]: #2: Raha misy olona mitsikera ny mpanohitra, antsoinao ho mpamadika izy ireny. #EmbarrassmentToRevolution


@NMSyria
: #3: Tsy mandray ny tsikeran'ny mpanohitra ianao na dia manao fahadisoana adaladala mampahatahotra aza izy ireo. #EmbarrasmentToRevolution

@NMSyria [5]: #4: Manao fitondrana mitanila ianao. #EmbarrassmentToRevolution

@NMSyria: [6] #5: Lehibe loatra ny fitiavan-tenanao. #EmbarrassmentToRevolution.

@NMSyria: [7] #6: Tia mametaka anarana ny Miaramila Syriana Afaka hoe “Miaramila Sunni Afaka”. Aaa. Tsia. #EmbarrassmentToRevolution HenatraHoAnyFiovàna ianao

@NMSyria: [8] #7: Mampiely tsaho mba hahazoanao voninahitra ianao. Eh! Iza no mahalala, mety hilaza anao ho Filohanà zavatra iray izahay. #EmbarrassmentToRevolution

Ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny Hetsi-panoherana ao Syria 2011/12 [1] ity lahatsoratra ity.