- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Rosia: Adim-bavy Ara-politika Manoloana Ny Pussy Riot

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Rosia, Hehy, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Vehivavy sy Miralenta, Zavakanto & Kolontsaina, Akon'ny RuNet

Niteraka adi-hevitra tsy kely eo amin'ny olona fanta-bahoaka Rosiana ny fitsarana ireo Pussy Riot, , ka tafiditra amin'izany ny gidragidra mampihomehy nisy teo amin'ny olona roa fanta-daza indrindra teo amin'ny firenena.

Rehefa nampiseho ny fanohanany ny Pussy Riot nandritra ny nanatontosany fampisehoana tany Rosia na ny Red Hot Chili Peppers na i Madonna, nisioka [1] [ru] i Ksenia Sobchak, olo-malaza amin'ny fahitalavitra sy vao niditra eo amin'ny sehatry ny politika ao amin'ny fanoherana:

Главное чтобы после ЭТОГО Ваенга и Валерия не покончили жизнь самоубийством..по иронии судьбы теперь пуси единственная группа с межд именем.

Manantena aho fa TAORIAN'INY, tsy hamono tena i Vaenga sy i Valeria … ny mahasadaikatra moa dia ny Pussy Riot ihany no tarika mpihira tokana fantatra iraisam-pirenena.
[2]

Mpanentana TV Rosiana Ksenia Sobchak, Moskoa, 28 Jona 2010, saripika A.Savin, CC BY-SA 3.0; Wikimedia Commons.

Elena Vaenga [3] no mpihira pop malaza hita lohateny lehibe amin'ny gazety nanameloka an-tserasera ny Pussy Riot. (Raha te-hahalala bebe kokoa, vakio ato [4] ny fitantaranay momba azy ity.) Mpihira pop malaza ihany koa i  Valeriya [5] (anaran'i Alla Perfilova rehefa mihira) ary misy mifangaro ihany koa amin'ny mozika Rosiana. Efa tsy lazaina intsony moa fa tsy misy artista mankasitraka ny laza iraisampirenena vao namangy ny Pussy Riot.

Nanoratra valinteny lava sy tsara rafitra [6] [ru] ao amin'ny LiveJournal i Valeriya, mampiseho fiainana ho “sipa tsara [taiza]”. Ao izy no miampanga an'i Sobchak ho mamadika ny fanafintohinana an'olo-tsotra ho fanafintohinana ara-politika sy ny fironany ao amin'ny televiziona mankany amin'ny hetsi-panoherana isan-karazany, mandresy lahatra fa ny ‘fitadiavan'i’ Sobchak ‘laza’ fatratra no mahatonga azy “hampihosina ny Tanindrazana ho ao anaty fotaka.” Nofaranan'i Valeriya fa tsy mahita filoha tsara mihoatra noho i Putin izy.

Namaly avy hatrany ny bilaogera rosiana. Mpisera LJ 0-logik, ohatra, nanomboka tamin'ny alalan'ny fitsapa-kevitra [7] tao amin'ny bilaoginy, manontany ny mpamaky na hanohana ny “fiampangan'i ” Valeria na hanohana ny “ara-tsain'i ” Sobchak. (Tsy mahagaga raha i Sobchak no nitarika tamin'ny vato manakaiky ny 500.) Manontany ihany ny mpiserasera hafa, raha miresaka momba ny toe-draharaha politika misy eo amin'ny firenena ny mijoro miaraka amin'i Sobchak na mijoro miaraka amin'i Valeriya. Na eo aza izany, vao samy manana ny ampy izy roa roa ireo ka lavitra azy ireo ny zava-manahirana ny Rosiana isan'andro.

Hatramin'izao, maro ny mpisera RuNet no samy maka ny andaniny avy. Dmitry Belyayev miaro an'i [8][ru] Valeriya:

её звезда, взошедшая на ниве колоссального труда, горит намного ярче, чем «звезды» людей уровня Ксении Собчак, о которых никто не вспомнит, если не появится нового скандала.

Ny kintany, izay manelatrelatra noho ny asa mafy ataony, no mamirapiratra kokoa noho ny “kintan'ny” olona tahaka an'i Ksenia Sobchak, izay tsy hahatsiarovan'ny na iza na izao raha nisy fanafintohinana hafa vaovao indray.
[9]

Mpihira Rosiana Valeriya, 19 Mey 2010, saripika Mikhail Popov, CC BY-SA 3.0; Wikimedia Commons.

Manamarika kosa ny bilaogera Misliobovsem [10] [ru], etsy andanin'izany, fa azo ampiharina aminy ihany koa ny tsikeran'i Valeriya amin'i Sobchak:

 всё, или почти всё, в чём она обвиняет Ксению, к самой Валерии относится в большей степени. Это и привлечение к себе внимания за счёт скандалов(семейных) с вызывом к себе чувства жалости и вгрызание в руку(или в другую часть тела), которая её вскормила.

Ny zavatra rehetra, na ny saiky ny zavatra rehetra anakianany an'i Ksenia dia mihatra aminy ihany koa amin'ny sehatra ngezangeza kokoa aza. Tsy inona moa izany fa ny manao izay ampiherehina aminy amin'ny alalan'ny fanafintohinana (ao amin'ny fianakaviana), na manaikitra ny tanan’ (na faritra hafa amin'ny vatana) ny olona mankaleo azy.

Misy ireo Rosiana fanta-daza sasany, tahaka an'i Fillip Kirkorov, niandany tamin'i Ksenia [11] [ru], raha miandany amin'i Valeriya kosa ny hafa. Nahafinaritra ny fampitam-baovao ao amin'ny firenena vetivety ity horakoraka tamin'ny Twitter ity, na dia tena niserana kely tokoa aza.