Pero: Notokanana Tamin'ny Fomba Ôfisialy Ho Zava-Boahary Mahaliana Amazona

Ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay mikasika ny  Alan'i Amazona ity.

Ny Alatsinainy 13 Aogositra 2012 teo, ny tanànan'i Iquitos dia sehatry ny fankalazana marevaka manamarika ny Fanokanana amin'ny fomba Ofisialy an'i Amazona ho iray amin'ny Zavaboahary Mahaliana Fito, nasandratry ny  vondrona New7Wonders. Tamin'ny 11 Novambra 2011, no nanambara ireo zavaboahary mahaliana ilay vondrona, araka ny notaterin'ny Global Voices tany aloha.

Notanterahana teo amin'ny fihaonan'ny reniranon'i Itaya sy Nanay ny fankalazàna. Nanatrika teo ireo Peroviana mpanao politika manan-danja, toy ny Filoha Ollanta Humala sy ireo Minisitra Peroviana misahana ny Varotra Ivelany, ny Tontolo Iainana ary ny Kolontsaina.  Tonga teo ihany koa ny Filohan'ny Faritr'i Loreto.

Taorian'izay, Bernard Weber, Filohan'ny New7Wonders, dia nanàla ny saron'ilay takela-barahina 120 kilao teo amin'ny 28 de Julio Square, mba ho fahatsiarovana fa  mandrakizay io fankatoavana io.

Ity no zavatra lazain'ny bilaogera sasany mikasika ilay vaovao.

Tamin'ny famoahana indray ilay lahatsoratra avy tao amin'ny gazety La República  [es], ny bilaogy Chiclin dia nitatitra izay nolazain'ny Filoha Ollanta tamin'ny lanonana :

El presidente Ollanta Humala agradeció por el reconocimiento que recibió la Amazonía como una de las Siete Maravillas del Mundo Natural por parte de New Seven Wonders.

[…] “Lucharemos por la igualdad, por el desarrollo rural a través de las vías de comunicación y el medio ambiente. También trabajaremos a través de los proyectos sociales”, señaló.

Nisaotra ny New7Wonders ny Filoha Ollanta Humala tamin'ny nankatoavany an'i Amazona ho iray amin'ireo  Tontolon'ny Zavaboahary Mahaliana fito .

[…] “Miady ho an'ny fitoviana izahay, ho an'ny fampivoarana ny any ambanivohitra amin'ny alalan'ny fitaovan-tserasera sy ny tontolo iainana. Hiasa amin'ny alalan'ny tetikasa sosialy ihany koa izahay,” izay no nohamafisiny.

Amazon, Peru. Photo by Matt Wootton (CC BY-NC-SA 2.0).

Amazona, Pero. Sary avy amin'i Matt Wootton (CC BY-NC-SA 2.0).

Ny bilaogy Enlace regional [es], mampifandray ny ao amin'ny faritra sy ny governemanta ao an-toerana, dia nizara ny tenin'i Yván Vásquez Valera, Filohan'ny faritr'i Loreto :

[…] el propósito de esta iniciativa es que “toda la región participe y se involucre en el certamen, será un día de fiesta”, anotó.”Las actividades se realizarán en las siete capitales de provincia, siendo Iquitos la sede central. Cada capital, de manera simultánea, va a desarrollar diversos certámenes y se van a movilizar estudiantes y la población en general”, manifestó.Refirió que se llevarán a cabo alegorías, homenajes, verbenas, concursos de canto y poesías dirigidos el Río Amazonas/Bosque Tropical.

[…] io fandraisan'andraikitra io dia mikendry “ny faritra manontolo mba handray anjara ary ho tafiditra ao amin'ny hetsika, ho androm-pankalazàna io andro io ,” hoy izy nanamarika. Ny hetsika dia hatao any amin'ny renivohim-paritany fito, ka Iquitos no ho toy ny foibe. Ny renivohitra tsirairay dia miaraka  manomana hetsika samy hafa, ny mpianatra sy ny mponina amin'ny ankapobeny dia ho entanina amin'izany, hoy ny teniny. Nambarany ihany koa fa hisy sary, fanomezam-boninahitra, lanonambe, hirahira sy fifaninanana tononkalo atokana ho an'ny reniranon'i Amazone sy ny Ala Tropikaly.

Nandritra io fotoana io, tamin'ny taratasy nalefan'ny masoivohom-baovaom-panjakana Andina [es], ny bilaogy Mejor hablar de ciertas cosas [es] dia namerina ny tenin'i Bernard Weber raha nanokatra ilay takela-barahina izy :

Weber afirmó que “estamos viviendo un momento histórico”. “Nunca antes en la historia de la humanidad ha sido posible tener un voto global, tener un consenso en todo el mundo y nunca antes la naturaleza ha alcanzado la misma consideración global como las siete maravillas construidas por el hombre”, resaltó.

Dijo que el resultado de la convocatoria del concurso de las Siete Maravillas Naturales del Mundo revelan la participación activa de los ciudadanos en cada uno de sus países y de todas las personas que los apoyaron alrededor del mundo.

Weber dia nanamafy fa “ miaina fotoana manan-tantara isika”. “Teo amin'ny tantaran'ny zanak'olombelona dia tsy mbola nisy hatrizay afaka niantehitra tamin'ny  fifidianana eran-tany, mba hahazahoana fiaraha-mientana eran'izao tontolo izao ary hatramin'izay dia tsy mbola nahazo ny faneken'izao tontolo izao tahaka ny  zava-mahagaga fito eran-tany ny voatrolombelona ,” izay no nolazainy.

Nolazainy ihany koa fa ny vokatry ny fifaninanan tamin'ny Zava-boahary Mahaliana Fito dia mampivoitra ny fandraisan'anjara mavitriky ny olom-pirenena tsirairay any amin'ny firenena tsirairay ary avy amin'ny tsirairay izay manohana azy ireo eran-tany.

Amazon Boat Ride, Iquitos, Peru. Photo by Sam Blanco (CC BY-NC-ND 2.0).

Fitsangatsanganana ambony lakana any Amazona, Iquitos, Pero. Sary avy amin'i Sam Blanco (CC BY-NC-ND 2.0).

Ao amin'ny CaribeNoticias [es] dia misy vina mamelom-panantenana mikasika ny sehatry ny fizahantany, araka ny famoahann ny lahatsoratra avy amin'i El diario de Yucatán [es]:

El director de la fundación New7wonders, Jean Paul de la Fuente, la cual tiene sede en Suiza, consideró que tras este reconocimiento habrá un excelente impacto turístico en la selva peruana.

‘Se espera que haya un crecimiento de 10, 20 o 30 por ciento de la afluencia turística cada año’, precisó en declaraciones a una emisora local.

Actualmente la región Loreto recibe unos 250 mil turistas y se espera que en este año aumente en 25 mil turistas más.

Mihevitra Jean Paul de la Fuente, talen'ny New7wonders Foundation any Soisa fa aorian'io fankatoavana io, dia hisy ny vokatra tsara amin'ny fizahan-tany any amin'ny ala Peroviana.

‘Fiakarana  10, 20 na 30 isan-jato eo amin'ny mpizaha tany isan-taona no andrasana ,’ hoy ny nambarany tamin'ny fampielezam-peo tao an-toerana.

Ankehitriny, mandray mpizaha tany 250.000 ny faritr'i Loreto, ary amin'ity taona ity dia andrandraina ny hisian'ny fitomboan'isan'ireo mpizaha tany hiampy  25.000 fanampiny.

Ao amin'ny tranonkala Amazonia, Benzo Gaspar Reategui Ruiz dia mampitaha ity fankatoavana vao haingana ity amin'izay niseho tany Meksika taona vitsivitsy laza izay:

El turismo es una actividad compleja que para su éxito requiere el concurso de todos, empezando con la educación de calidad con currículo orientado a esa actividad, tal como hizo México con Cancún, que hace cinco décadas era una isla desierta que pocos conocían. Fue el presidente Gustavo Díaz Ordaz, que propulso un Plan de desarrollo turístico y ahora es lo que es, un famoso destino turístico mundial de América.

La declaratoria de Maravilla mundial, es un buen inicio, para el necesario punto de quiebre que la gestión del Gobierno regional de Loreto requiere a gritos.

Asa mifangaro ny fizahan-tany, ary ny fahombiazany dia miankina amin'ny fahavitrihan'ny rehetra, manomboka amin'ny fampianarana avo lenta miaraka amin'ny fandaharam-pianarana mifantoka amin'io asa io, tahaka ny nataon'i Meksika tamin'i Cancun, izay nosy tsy nisy na inona na inona dimampolo taona lasa izay fa olona vitsy ihany no nahalala azy. Ny Filoha Gustavo Díaz Ordaz no nanery ny famoronana Tetikasa fampiroboroboana ny fizahantany ary dia izao izy ankehitriny izao, nanjary toeram-pizahantany malaza any Amerika.

Nilain'ny fitantanana any Loreto faran'izay maika io fanekena ho zava-mahaliana eran-tany io ho an'ny fanapahana nilaina hisian'ny teboka fiaingana tsara .

Fa tsy ny olona rehetra no faly, ary ny mpampiasa Twitter dia mizara ny heviny ihany koa.

Selva Trágica (@SelvaTragica) [es] dia miteny amin'ny ben'ny tanànan'i  Maynas, faritany misy an'i Iquitos :

@SelvaTragica: No pueden pintar el Boulevard de Iquitos con toda esta publicidad del Amazonas? Pffff al alcalde!!

@SelvaTragica [es]: Moa ve ny Araben'i Iquitos tsy mba azo nolokoina, miaraka amin'ireto doka rehetra ho an'i Amazona ireto ? Pffff ny ben'ny tanàna!!

Raha miteny amin'ny Filoha Humala ny mpampiasa  @primerafuente [es]:

@primerafuente: #EstimadoPresidente Esta en iquitos metiendo un floro que no se entiende y en cajamarca solo necesitan que diga una palabra: PAZ.

@primerafuente [es]: #EstimadoPresidente [Ry Filoha Malala ] Milomano amin'ny rivotr'i Iquitos ianao raha ny olona kosa tsy misy mahazo izay lazainao ary ny any Cajamarca ny zavatra tadiaviny aminao dia teny iray ihany : FANDRIAM-PAHALEMANA.

Nandritra ireo volana vitsy lasa, niaina fitokonana, korontana ary fihokoana ny tao Cajamarca noho ny fanoherana ny fitrandrahana ambanin'ny tany.

Amazon, Peru. Photo by Pearl Vas (CC BY 2.0).

Amazona, Pero. Sary avy amin'i Pearl Vas (CC BY 2.0).

Etsy andaniny kosa, Grinder (@BestiaStoner) [es] dia mandefa hafatra misokatra hoe:

@BestiaStoner: @SickboyRawrs @PercyMeza Iquitos es también la población que, pese al descalabro local solo atina a bailar por lo del rió amazonas.

 @BestiaStoner [es]: @SickboyRawrs @PercyMeza Iquitos ihany koa dia vahoaka izay, na eo aza ny tabataba, dia afaka mandihy rehefa mahakasika reniranon'i Amazona.

Ary nibitsika ny momba ny Filohan'ny Faritra ihany koa izy :

@BestiaStoner: @PercyMeza Estan mostrando las cifras de accidentes y muertos gracias a la empresa china que contrato Ivan Vasquez? eso tb es Iquitos ah.

@BestiaStoner [es]: @PercyMeza Efa nasehon'izy ireo ve ny isan'ny loza sy ny fahafatesana  noho ny fanaramana orinasa Shinoa nataon'i Ivan Vasquez? Iquitos ihany koa izany.

Ny NAPA blog [es] dia nizara ity fisaintsainana farany ity :

Todo chévere con esto, pero ¿tenemos que esperar que un concurso internacional haga que valoremos nuestra Amazonía? Y es que en el Perú, son 13 familias etnolingüísticas que hablan más de 60 lenguas y muchas de ellas están olvidadas por el Estado.

Muchos no adultos indígenas sufren en carne propia este abandono. Ocho de cada 10 niñas y niños menores de 5 años ashánincas, por ejemplo, presentan desnutrición crónica.

Mahafinaritra ny zavatra rehetra miaraka amin'io saingy, tsy maintsy miandry ny fifaninannaa iraisam-pirenena ve isika vao afaka manasongadina ny faritr'i Amazona ? Any Pero, misy karazana foko 13 izay miteny amin'ny fiteny 60 ary maro amin'izy ireny no adinon'ny Fanjakana.

Maro ireo ankizy tompon-tany no mijaly noho io tsy firaharahiana io.Ankizy Askaninka 8 amin'ny 10, ohatra, no tsy ampy sakafo.

Ampian'ilay lahatsoratra hoe :

Además más 15 mil habitantes de los pueblos Wampis y Awajun en Amazonas son afectados por los trabajos de la minera Afrodita que no respeta su medio ambiente y daña el agua de los ríos. Y son 103 empresas mineras que realizan trabajos en la Cordillera del Cóndor y ponen en riesgo la salud de adultos y no adultos de comunidades indígenas de la selva.

Encima, muchos indígenas Candozi mueren por hepatits B al contagiarse de trabajadores de empresas que llegan a sus territorios. Y el Estado hace poco por atenderlos. ¿Podemos celebrar con todo esto?

Ankoatra izay, maherin'ny 15.000 ny mponina avy any Wampis sy Awajun no nafindra toerana noho ny asa fitrandrahan'ny Afrodita, izay tsy manaja ny tontolo iainany no sady manimba ny rano amin'ilay renirano. Ary misy orinasa 103 mpitrandraka no miasa amin'ny Cordillera del Cóndor  izay mahatonga loza mananontanona ho an'ny fahasalaman'ny lehibe sy ireo ankizy tompon-tany ao amin'ny faritra.

Ambonin'izany, maro ireo Candozi tompon-tany no matin'ny Hepatite B rehefa namindran'ireo mpiasa izay tonga any amin'ny taniny. Ary zavatra kely fotsiny no ataon'ny Fanjakana ho fanampiana azy ireo. Afaka hankalaza miaraka amin'izany rehetra izany ve isika?

Ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay mikasika ny  Alan'i Amazona ity..

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.