- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Graffitis Mitarika Fahatsiarovan-tena Amin'ny Vanim-potoana Manahirana

Sokajy: Eoropa Andrefana, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Politika, Zavakanto & Kolontsaina

Avy amin'ny teny Grika hoe graphein izay midika hoe manoratra no niavian'ny teny hoe “graffiti”. Ny graffiti amoderina dia tany amin'ny taona 60 no teraka tao New York [1] ary naka ny aingam-panahiny tamin'ny mozika “hip-hop”. Ny isan'ny “sonia graffiti” ananan'ny mpanao kanto iray dia miankina amin'ny laza amam-boninahitr'ilay mpanakanto. Na dia matetika aza ity haikanto iray ity no voataratry ny radara hatrany, ary na dia teo aza ny fandaniana vola nataon'ny manampahefana hamafàna graffiti, nitatra hatrany amin'ny firenena hafa ilay haikanton'ny làlana no sady najary nalaza eny amin'ireo toerana natao ho an'ny daholobe amin'ny tanan-dehibe maro. Ny sasany rangodrangotra mifono hafatra manokana, ary ny hafa dia tena asa taokanto mihitsy. Tamin'io fotoanan'ny olana ara-toekarena io ny haikanton'ny graffiti dia nifanjevo tamin'ny fitakiana sosialy, ary na mino ianao na tsia, lasa tafiditra amin'ny andavanandrom-piainantsika.

Maro ireo tranonkala no manokana ny votoatin'izy ireo hanasongadinana ity karazana haikanton'ny làlana ity, tahaka ny bilaogy Fogonazos [2], izay azo jerena eto ny santionany :

[3]

“Avelao hiletra rongony ry zareo” no vakin'ity graffiti ity ao New York. Sary an'ilay mpampiasa Flickr, Omiso

Manidina ny vola, eo ivelan'ny tranobe iray ao Venezoela.

Kisary ao Manchester(UK) “Amanizan'ireo mpanankarena sy matanjaka isika, dia  lazain'ny mpampahalala vaovao ihany fa hoe avy ny orana”.

Mihoaka mandό noho ny fahasahiranana ao Londona.

Ireto misy fantina graffiti hita any Espaina (nalain'ny mpanoratra ihany), manomboka amin'ny andianà saripika hita raha mandeha mamakivaky ao Grenada, any atsimon'i Espaina, sary mahasondriana sy fomba faneho ilazana ny refitra politika sy toekaren'ilay firenena :

“Fanjifàna sambatra”

“Ho fiarovana ny [fanabeazana] vahoaka”

“Tsy amidy  ny fanabeazana”

Ao amin'ilay saripika fahatelo (avy any ambony), hita eo ny soratra PP (ilay antoko Espaniola “Popular Party”) sy ny PSOE (Antoko Sosialistan'ny Mpiasa Espaniola).  Toa sahala amin'ny nafangaro ho anaty fango iray ihany ny famantarana ireo antoko politika roa tena malaza ao Espaina : fomba iray hilazana fa mitovy ihany ireo antoko politika roa ireo, izay iampangàna ny rafitra antoko roa. Azo atao ihany koa ny mahita sary an-drindrina iray ao an-tanàna miaraka aminà sarin'akoho misy fanazavana hoe “Gente presa, mercado libre” (Lasa lasibatra ao anaty tsena malalaka iray ny vahoaka)

Sary avy amin'i Elena Arrontes

Mazàna ianao ao Madrid no mahita graffiti nataon'ilay artista Basque fanta-daza Alberto Basterrechea [4] izay nanomboka nanoratra tononkalo fito taona mahery lasa izao. Izy no mpanoratra ireo bilaogy roa antsoina hoe  Neorrabioso [5] sy Batania [6] izay ao anatin'izany no amoahany ny sarin'ny andàlana sasany nosoratany mipetaka amin'ny rindrina maro ao an-drenivohitra. Mirona mankany amin'ny tombony manokana ho an'ny tenany ny tononkalony na indraindray manana gadom-pitakiana, araka izay hita amin'ireto sary manaraka ireto :

“¿Confianza o con fianza?” (Fitokisana sa Vola?) tsilalaonteny iray eo amin'ny rindrin'ny Banky Santander, sary an'i Neorrabioso.

“Freewhat, equalwho, brotherwhen” (Inonanomalalaka, izaonoitovizana, rahoviananompirahalahy – tsilalaonteny iray amin'ilay teny malaza Fahalalahana, Fitoviana, Firahalahana), fa amin'nyteny Espaniola.

Any amin'ny faritra rehetra eto amin'izao tontolo izao [7], mahazatra ny mpandeha an-tongotra ny mandeha mamakivaky karazana sary hosodoko samihafa eny ivelan'ny rindrin'ireo tranobe, kianja ary trano fonenana. Saingy ankoatr'ireo rindrin'ny tanàna, nikisaka ho eny an-dalambe ny graffit ary amin'ny endrika media hafa : bokin-tsary, bilaogy ary pejy Facebook toy ny Global Street Art [8].