Mamely ny fahalalahana miteny amin'ny aterineto ao Sri Lanka ny lalàna vaovao navoakan'ny fitondrana. Tsy maintsy handoa [1] Rs. 25.000 ($193) ho fisoratana anarana ary Rs. 10.000 isan-taona ho fitazonana ny fisoratana anarana ny vohikalam-baovao rehetra manomboka izao. Manahy ny sasany amin'ny mety hiitaran'ny lalàna amin'ny bilaogin'olo-tsotra iray manokana, sy ny mety ho fanivanan-tena ataon'ny bilaogera mihitsy aza, noho ny tahotra.
Sara-pisoratana:
Nitatitra ny Komitim-Piarovana ny Mpanao Gazety (CPJ) [2]:
Sri Lanka's Supreme Court slammed the door on a case about the shutdown of four websites that had failed to register with the government. In handing down its decision, the Court appeared to rule that freedom of expression in Sri Lanka is not an absolute right and can be restricted–and you don't need to pass a law to do so.
Nivoaka ny didy rehefa nametraka ny fiarovana fa tsy misy lalàna manery ny tompon'ny vohikala hisoratra anarana, noho izany tsy manana fahefana hanakana araka izay tiany atao ny minisiteran'ny Fampahalalam-Baovao sy ny Vaomiera Mpandamina ny Fifandraisandavitra. Saingy nandray fepetra haingana ny fitondrana hanamafy izany.
Ny 12 Jolay nananmbara ny Minisitry ny Fampahalalam-Baovao Sri Lankey Keheliya Rambukwella fa mieritreritra ny hametraka lalàna vaovao momba ny Holafitry ny Gazety ny fitondrana hanaraha-maso ny tranokalam-“baovao”. Nomarihany fa “hampandoa Rs. 100.000 ($US770) ny vohikala ho fisoratana anarana sy Rs. 50.000 isan-taona ho fitazonana ny fisoratana anarana [3]” ny governemanta. Nolazainy ihany koa, “raha misy olona na rafitra voantohintohina na mahatsiaro alam-baràka amin'ny vaovao diso, na sary mivoaka amina gazety dia afa-mitory any amin'ny Holafitry ny Gazety Sri Lankey.”
If a complaint amounts to defamation, a defendant can be punished with a fine of up to 5,000 rupees or two years’ imprisonment, or both. Penalties can also be imposed for publishing cabinet proceedings, “official secrets,” government financial information or defence matters. (World Socialist Web Site [3])
Niteraka dom-berina mavaivay avy hatrany izany na ivelany na anatin'ny serasera. Niaraka tamin'ny mpikatroka nanao fihetsiketseham-panoherana tao Colombo [4] ny mpitarika ny antoko mpanohitra.
Nanoratra i Thoughtful Kani [5]:
Getting registered is one thing. But the fee of Rs.100,000 is absurd.
Niteny tany Colombo [6] ny sekreteran'ny minisiteran'ny Fampahalalam-baovao sy ny Gazety tamin'ny 27 jolay fa tsy ho avy haingana ny fametrahana ny Fanambarana ny zo hahalala vaovao eny amin'ny parlemanta. Efa nandà izany hatry ny ela ny fitondrana ankehitriny.
Nohamafisin'ny governemanta tamin'ny 9 aogositra fa nitazonina ny sara-pisoratana anarana ary nambarany fa hahena hatramin'ny 80% ny tolo-kevitra voalohany. Efa natao ho Rs 25000 sy 10000 avy ny sara-pisoratana anarana sy ny fanavaozam-pisoratana anarana.
Voarahona ny fahalalahana an-tserasera:
Nikapoka ny fanapahan-kevitra ny Indi.ca [7]:
The government has mass producers of raw filth on public payroll, like Mervyn Silva. They just don’t like criticism or information leveled against them, ie free speech. This is an absolute travesty and a shame.
Miresaka i Patta Pal Boru [8]:
This desire to control everything is at the heart of the problem.
Ilay faniriana hanara-maso ny zava-drehetra no ivon'ny olana.
Manahy ny bilaogera fa mety hampisavoritaka ny fanapahan-kevitra ity amin'izay hoe inona no mandrafitra ny vohikalam-“baovao”. Mety hahatonga ny bilaogera haniva-tena io noho ny tahotra, izay lasa manome vahana ny sivan'ny fitondrana mazava loatra.
Manoratra ny fiantraikan'ny lalàna vaovao i Sanjana Hattotuwa [9]:
Obviously, mainstream media websites will fall under this new tax. But online, anyone from anywhere at any time can report something newsworthy, so this new regulation could potentially and very quickly embrace personal blogs, micro-blogs (Twitter accounts), Facebook groups and fan pages, content on platforms like Bundlr that curate news items over the long-term or around a certain issue or event, Flickr photo-streams that are on current events and YouTube video channels.[..]
What’s new is the fact that anyone, anywhere in Sri Lanka is now liable for prosecution at the sole discretion of government.
Miharihary fa ho latsaka eo ambanin'ity hetra vaovao ity ny vohikalan'ny gazety be mpanaraka. Saingy afa-manome vaovao mendrika hotantaraina ny rehetra na avy aiza na avy aiza amin'ny fotoana rehetra, noho izany mety hahasahana haingana dia haingana ny bolongan'olo-tsotra sy ny bolongana bitika (kaonty Twitter), vondrona Facebook na takelaky ny mpitia, votoaty amin'ny sehatra tahaka ny Bundlr izay mifantim-baovao mandritra ny fotoana maharitra na amina lohahevitra iray na hetsika iray, sary avoaka ao amin'ny Flickr izay mamoaka hetsika andalam-pnatanterahana ary ny fantsona Youtube ity lalàna vaovao ity. [..]
Ny vaovao amin'izy ity dia azo alefa manatrika fitsarana araka izay tian'ny governemanta ny rehetra, na avy aiza na avy aiza ao Sri Lanka
Groundviews moa nanomboka nifantim-baovao mitondra ny lohateny hoe Sivana Tranonkala ao Sri Lanka: manangona antontan-kevitra fironana mihamalaza iray [11] izay miompana amin'ny sivana ao Sri Lanka sy ny toetoetry ny Fahalalaham-pitenenana antserasera ao efa am-bolana izao.
Araka an'i Patta Pal Boru [12]:
It is very important to build a forum, a movement, and people’s agitation, against the use of media in this way. Only a state that cannot fear criticism, is worthy of being a civilized one.