Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Etazonia: Midika Inona Ho An'ny Olona Miteny Espaniola i Paul Ryan

Hatramin'ny andro nisafidianan'ilay Repoblikana mihazakazaka amin'ny fifidianana ho filoham-pirenena, Mitt Romney, an'i Paul Ryan mpikambana ao amin'ny Kaongresy ao Wisconsin,  ho mpiray lisitra aminy, goavana tokoa ny fandrakofan'ireo mpampahalala vaovao an'izany, na mpomba, na mpanohitra ilay fanapahan-kevitra.

Mandritra izany ireo Demaokraty sy Repoblikana dia niara-nankalaza ireo tarika vao avy notendrena, satria iretsy voalohany mihevitra an'i Ryan ho kitro ifaharan'i Romney, noho ny toerany miteraka resabe eo amin'ny fitantanam-bolan'ny firenena, raha ireo “Conservatives” kosa indray mino fa ny toekarena no ho sehatra hibahan-toerana ao anatin'ireo adihevitra ho avy, lohahevitra iray izay voafehin'io mpikambana avy amin'ny kaongresy io tsara tokoa hamelezana ny Filoha Barack Obama.

Niady hevitra lalina momba ny fiantraikan'ny fiarahan'i Romney-Ryan eo amin'ireo antoko politika roa tonta ny manampahaizana manokana sy ny mpanao gazety, nefa vitsy no voalaza momba ny fiantraikany teo amin'ny vahoaka tao Etazonia ary indrindra indrindra fa amin'ny vondrom-piarahamonin'ireo miteny Espaniola.

After names like Condoleeza Rice and Marco Rubio were mentioned, Paul Ryan (above) was finally chosen to join Mitt Romney in the presidential elections. Photo from Flickr/Tobyotter (CC BY 2.0)

Taorian'ny nilazana ireo anarana toy ny Condoleeza Rice sy Marco Rubio, Paul Ryan (eto ambony) no nofinidy nony farany fa hiaraka amin'i Mitt Romney amin'ny fifidianana izay ho filoham-pirenena. Sary avy ao amin'ny Flickr/Tobyotter (CC BY 2.0)

Ireo fitsapan-kevitra vao haingana [es] dia mampiseho ahiahy faobe eny anivon'ireo Latinos momba ny politika tohanan'ity mpikambana ao amin'ny kaongresy ity, toy ny fampihenana ny fiahiana ara-tsosialy, ny fahasalamana, fanabeazana ary ny foto-drafitrasa.  Fa kosa, raha hitarina lavidavitra ny resaka,  toa tsy mahafantatra zavatra betsaka mikasika an'i Ryan [es] ireo vahoaka miteny Espaniola.

Ny bitsika nalefan'i Antonia Ortiz (@susopiniones) dia manamafy ireny fitsapan-kevitra ireny, milaza fa tsy manana endrika tsara eny anatin'ny vondrom-piarahamonina miteny Espaniola i Ryan.

Ny hevitrao mikasika an'i Paul Ryan? Tsy mankasitraka 41% Mankasitraka 30% Tsy mbola nandre momba azy velively 16% Tsy manan-kevitra 14% http://bit.ly/qLLeMK  #mrx #latino #romney

Anatin'ireo mpanjohy ny antoko Repoblikana dia misy Evanjelistra sy mpikambana avy amin'ny vondrom-pinoana hafa, saingy araka ny avoitran'ny bilaogin'ny Instituto Independiente (Ivontoerana Tsy Miankina)  [es], ny tolo-kevitr'ilay mpikambana ao amin'ny kaongresy dia tsy niombonan'ny sasany tamin'ireo mpikambana ao amin'ny fiangonana Katolika, vondrom-pinoana misy an'i Ryan, noho ny politikany ara-toekarena :

Me temo que el presupuesto de Ryan refleja más los valores de su filósofa favorita, Ayn Rand, que el evangelio de Jesucristo”, dijo [Thomas J.] Reese, sacerdote jesuita y miembro de jerarquía del centro teológico Woodstock de la Universidad de Georgetown, en alusión a la autora de La rebelión de Atlas, una defensora a ultranza del individualismo. “La supervivencia de los más aptos puede estar bien para los darwinistas sociales, pero no para los seguidores del evangelio.

Atahorako ho tsy ny evanjelin'i Jesoa Kristy fa dindon'ny soatoavin'i Ayn Rand,, ilay filaozofy ankafiziny manokana, ny tolo-kevitra avy amin'i Ryan,” hoy  [Thomas J.] Reese, pretra jezoita sady mpikambana ao amin'ny ambaratongam-pitondran'ny Anjerimanontolo Woodstock momba ny teolojia ao Georgetown, manondro ilay mpanoratra ny Atlas Shrugged, izay niady fo aman'aina hiaro ny ‘individualisme’ (Avy amin'ny mpandika: foto-kevitra manome lanja manokana ny isam-batan'olona mitaha amin'ny daholobe). “Mety ho tsara ny lazon'adin'ny matanjaka ho an'ireo  Darwinista sosialy (Avy amin'ny mpandika: foto-kevitra milaza fa ny adin'ny olona eo amin'ny fiainana samy olombelona dia miankina amin'ny toetra voajanaharin'ny fifandraisana ara-tsosialy), fa tsy ho an'ireo mpanaraka ny evanjely.

Mandritra izany, ny bilaogin'i Alana Moceri  [es] dia mino fa ny fanànana an'i Ryan ho mpiray lisitra amin'i Romney dia mahafaly ny Repoblikana eny amin'ny fototra :

Básicamente, es un guiño hacia la base conservador[a] del Partido Republicano, quienes han estado poniendo cada vez más presión en la última semana…Ryan es un congresista de Wisconsin más conocido por su plan de presupuesto muy conservador que presentó en 2008 ‘Roadmap for America's Future Act of 2008 and commonly referred to as The Ryan Budget’. Es un plan de presupuesto detestado por los Demócratas por sus recortes a programas sociales, incluyendo una sustitución de Medicare por un sistema de vales—veremos los Demócratas destacar eso bastante. Es por eso, que Romney le ha anunciado como el “líder intelectual” del partido”.

Any amin'ny tena fotony, pi-maso atao amin'ny fototry ny antoko Repoblikana fatra-pifikitra amin'ny teo aloha io, izay nanao tsindry mafy dia mafy taminy tamin'iny herinandro lasa iny…Ryan dia mpikambana ao amin'ny kaongresy ary avy any Wisconsin, fantatra loatra amin'ny tolo-keviny momba ny tetibola faran'izay tena ‘conservative’ tokoa, natolony tamin'ny 2008,  “Lalàna momba ny Ravin-dàlana ho an'ny Hoavin'i Amerika tamin'ny 2008 ary niarahan'ny rehetra nanondro tamin'ny hoe Ny Tetibola Ryan.”  Drafitra tetibola iray izay nankahalain'ny Demaokraty noho ireo fampihenana ny fandaharanasa sosialy tao anatiny, tafiditra tamin'izany ny fanoloana ny Medicare (fiahiana ara-pahasalamana) taminà rafitra misy fanonerana— ho hitantsika fa hanindry mafy azy ity ny Demaokraty. Izany dia satria i Romney nanambara azy ho “mpitarika avara-pianarana” ao amin'ny antoko.

Bitsika hafa no mampahatsiahy ny vahoaka miteny Espaniola ireo fomba fiteny somary manahirana izay nambara ho nampiasain'i Ryan nandritra ny fe-potoam-piazsàny tao Washington, araka ny amaritan'ny Analyze This (@AnalizeThis) azy :

@AnalizeThis: nampiasa ny fomba fiteny hoe #AnchorBabies (ZazaVatofantsika) mba hamaritana ny olom-pirenena Amerikana teraka avy aminà ray aman-dreny #Latino#Ryan http://bit.ly/P9NgCu

Farany, Marco A. Nuñez Yuren (@Marco_NY23) dia mampiseho ny tsy hafaliam-pony mikasika ny nifidianana an'i  Ryan, satria, araka ny lazain'i Nuñez, ny làlan-tokana hakàna ny vaton'ireo miteny Espaniola dia ny fisafidianana an'i  Florida Senator Marco Rubio, izay naroso ihany koa ho toy ny iray amin'ireo mpirotsaka ho filoha lefitra :

@Marco_NY23: Mitt Romney cometió un error al elegir como compañero de boleta a Paul Ryan. Creo Marco Rubio de FL era mejor opción. Voto hispano vital.

@Marco_NY23: Nanao hadisoana i Mitt Romney nisafidy an'i  Paul Ryan ho mpiray lisitra aminy. Heveriko fa i Marco Rubio avy amin'ny FL no safidy mendrika indrindra. Vato saro-padin'ireo miteny Espaniola

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.