- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Arabia Saodita: Notsamborina Andron'ny Idy Ilay Mpikatroka Reema Al Joresh

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Arabia Saodita, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana, Zon'olombelona

Nosamborina androany vao maraina [19 Aogositra 2012] ilay mpikatroka Saodiana sady mpisera Twitter, Reema Al Joresh [1] raha teny an-dalana handeha hamonjy moske hankalaza ny andron’ny Eid al-Fitr, andro fety Miozolomana manaraka ny Ramadany. Mpitsikera mafana fo noho ny fisamborana tsy amin’ny antony fanaon’ny minisitry ny Atitany i Al Joresh. Fanampin’izany,  efa valo taona izao no nogadraina ny vadiny ary mbola tsy nisy ny fotoam-pitsarana.

Nikasa hizara  fanomezana 500 ahitana taratasy izy [2] mba hanaitra ny sain’ny olona mikasika ny fisamborana tsy ara-drariny manjaka ao Arabia Saodita.

Tamin’ny 5:11 maraina ( ora ao Saodita), Al Joresh ni-tweet hoe [3]:

السلام عليكم الشرطة مسكونا انا وعيالي

Miarahaba, nosamborin’ny polisy izaho sy ny zanako.

Photo posted by Reema Al Joresh on Twitter as she tweeted: We have been arrested [4]

Nampiasa tenifototra avy hatrany ny mpisera Twitter tao Arabia Saodita, izay samy naneho ny fahatezerany.

Abdulaziz al-Shihri nisioka hoe [5]:

المباحث لا مروءة أهل الجاهلية ولا أخلاق أهل الإسلام ، اللهم أرحنا من هذا الجهاز كما أرحت المصريين من أمن الدولة #ريما_الجريش

Tsy mba manana famindram-po talohan’ ny vanimpototana Islamika na ny etikan'ny vanimpotoana manaraka ny Islamika ny polisy  mpitsikilo. Andriamanitra o! omeo filaminana tahaka an’i Ejipsiana izahay – amin’ny tsy fananana azy ireo [pollisy]

Mohammad al-Ogaimi nanampy hoe [6]:

#ريما_الجريش كان يتابعها 800 والآن 2100 .. بقمعك يصل صوتك أكثر ..

Olona 800 no mpanaraka azy ao amin’ny Twitter, efa niakatra 2100 izany ankehitriny. Noho ny fampijaliana atao anao, vao mainka mihamafy sy manako eran-tany  ny feo.

Screen shot showing Al Joresh's followers on Twitter [1]

Niresaka momba ny isan’ny mpanaraka an’i Al Joresh ao amin’ny Twitter ny fanehoan-kevitra. Tamin’ny fotoana nanoratana ity lahatsoratra ity, niakatra teo amin’ny manodidina ny 3500 teo izany ary nihanitombo hatrany.

Rehefa noafahana i Reema, nanoratra andiana twet manazava izay zava-nitranga:

Tamin’ny 4:30 maraina, nankany amin’ny moske Eid aho niaraka tamin’ny fanomezana taty amiko. Teo amin’ny 100 metatra miala ny fonenako,  nisy fiara nanajonana anay ary nambanan’izy ireo basy izahay. Hoy ny zanako vavy Sara tamin’izy ireo: “Efa nangalarinareo ny raiko ary hoavy mbola hangalatra anay ihany ianareo ankehitriny?” Niezaka nampangina ny zanako vavy [hafa] Marya, izay nitomany mafy koa izy ireo. Nasain’izy ireo nivoaka ny zanako Mo'ath sy ny saofera, avy eo niezaka naka ny finday taty amiko ny polisy iray, saingy  nilaza taminy i Mo'ath mba tsy hikasi-tànana ahy […] nalain’izy ireo ireo fanomezana ary […] niditra teo amin’ny toerana eo aloha ilay polisy ka nilaza tamin’ny saofera mba handeha ho an’ny amin’ny biraon’ny Fitsikilovana Ankapobe ao Buraidah. Nanadihady ahy nandritra ny ora iray izy ireo sady nikaroka baomba tamin’ireo boaty ireo […] Nasain’izy ireo nanoratra fiaikena aho.