Nisy olana nanamaloka ny lanonam-pamindram-pahefana teo amin'ny Filankevi-Pirenena Tetezamita Libyana sy ny mpikambana 200 vao voafidy ao amin'ny Kongresim-Pirenena ankapobe: Ny mpiandraikitra ny arofenitra tamin'io fotoana io dia vehivavy mpanolo-baovao tsy manao voaly Sarah Elmesallati, izay nodidiana handao ny sehatra rehefa nivoaka tao amin'ny lanonana ny mpikambana parlemantera Islamista iray ho tsy fankasitrahana ny nanokafany ity lanonana manan-tantara ity. Niditra tao amin'ny Facebook ny mpiserasera handraketany ny fanohanany na ny fanoherany.
Araka ny tatitra [1] maro, nanangam-peo tamin'ny fomba nanoloran'i Elmesallati ny fotoana ny mpikambana parlemantera Islamista Salah Baadi avy any Mistrata ary nitabataba taminy hisaron-[doha]. Nivoaka tao amin'ny fanaovan-dalonana izy avy eo ho mariky ny fanoherana. Avy eo, niteny azy hanjanonany ny fanolorana ny lefitry ny Filohan'ny Filakevi-Pirenena Tetezamita, Mustafa Abduljalil, iray saingy nolàviny izany. Rehefa nandà izy dia i Abduljalil tenany no nanome marika azy hijanonany, ka notanterahiny izany. Nosoloina mpanolotra lehilahy izy.
Ho setriny, nitsangana ny takelaka Facebook Sarah Elmesallati avokoa isika rehetra [2]. Nampiasaina hiadian-kevitra momba ny satan'ny vehivavy taorian'ny vanim-potoana Gaddafi ao Libya sy sehatra fanompana na fanohanana ilay tanora vehivavy ny takelaka.
Nivezivezy tao amin'ny Facebook ihany koa ity sary ity [3]:
Mampiseho ny sarin'i Elmesallati sy ny sarin'i Abduljalil mifandray tanana amin'ny sekreteram-panjakana amerikana Hilary Clinton izany. Izao no fivakiny [ar]:
Navoaka ny lanonana ny mpanolotra Sarah Elmesallati satria vehivavy tsy nanao Hijab sady Libyana. Niteny i Abduljalil: “Fiaraha-monina miozolomana mpandala ny nentin-drazana isika ary vahoaka manandratra ny fampianarana ara-pivavahana ary manana ny riba sy ny fomba[ntsika]. Vehivavy tsy nitafy Hijab i Hilary Clinton sady ilay antsonareo hoe tsy mpino.Raha nanontsana ny tanany ianao, niteny ve ianao fa voarara ho an'ny lehilahy ny mifandray tanana amina vehivavy? Fampianaran'ny fivavahana ve izany? sa fomba amerikana?
Efa nihoatra ny in-250 ny nifampizarana ny sary, ary efa nahazo fanehoan-kevitra 730 eo amin'ny rindrina Facebook Sarah Elmesallati Avokoa Isika Rehetra hatramin'izao.
Ao amin'ny Libya Blog, i Ahmed Al Bukhari, no manoratra [4] [ar]:
ورغم صدمتي من هذا الموقف الذي لم أتخيل حدوثه، ورغم ردة الفعل الحادة التي قام بها النشطاء ، ومنها إنشاء هذه الصفحة لدعم سارة ( كلنا سارة المسلاتي ) إلا أنني لا أحمل لا مصطفى عبد الجليل ولا أعضاء المؤتمر الخطأ ، بل لابدّ أن نتعرف أن المشكلة تكمن في المجتمع ككل ، وأنه لو كان المجتمع لا يسمح بهذا النوع من الإضطهاد ، لما تجرأ أحد على فعل هذه الفعلة
Mandritra izany fotoana izany, Libya Now, ao amin'ny Facebook ihany koa, manoratra taratasy misokatra ho an'i Elmesallati, taorian'ny niarovany ny tenany nandritra ny tafatafa iray. Ao amin'ny andininy iray misy milaza [5]:
Nitohy ny soratra:
وقالت ايضا اننا نحن دولة دينية متوسطة, وانا شخصيا وضعت خطين تحن كلمة متوسطه, لا يا سارة نحن دولة مسلمة وبنسبة 100٪ وتعبيراتك التي قلتيها على هذه القناة يجب ان تراجعيها وتعيها جيدا قبل ان تقوليها.