- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Pakistana: Mitohy Ny Famonoana Ikendrena Ny Shiita

Sokajy: Azia Atsimo, Pakistana, Ady & Fifandirana, Fivavahana, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana, Zon'olombelona

Ny 16 Aogositra 2012, nisy olona mitam-piadiana nanakana fiabe mpitatitr'olona tao Mansehra [1], nisintona Silamo  Shiita 20 ary namono azy ireo [2] an-kitsirano. Tranga fahatelo nikendrena ny vondrom-piarahamonina Shiita tao Pakistana io tato anatin'ny 6 volana.

An-dalana hamonjy an'i Gilgit [3], toerana malaza amin'ny fizahantany any avaratr'i Pakistana ilay fiarabe, ary avy any Rawalpindi, tanàna iray akaikin'i Islamabad renivohitra.

Araka ny nambaran'ny manampahefana ao amin'ny polisy,  Shafiq Gul [4], nisaron-tava ireto lehilahy nitam-piadiana ireto ary ireo niharam-bono kosa dia nosintonina avy any anaty fiara telo samy hafa :

Nosakanan-dry zareo ny fiara telo, nisava azy ireo ary namondrona ny olona ho antoko telo misy dimy, enina ary sivy, ary notifiriny ho faty. Shiita izy rehetra ireo

Ny Tehreek-i-Taliban Pakistan (TTP) no niaiky fa tompon'andraikitra tamin'ilay fanafihana

Tanaty tranga mitovy amin'izao , ny 28 Febroary, lehilahy nitam-piadiana nanao fanamiana miaramila no nitatitra Silamo Shiita 18 taminà fiarabe  avy ao Rawalpindi ho any Gilgit ary namono azy ireo. Ny 3 Aprily, tao an-tanànan'i Chilas dia andianà Silamo Sionita no nisarika Silamo Shiita 9 avy tany anaty fiarabe ary nitifitra azy ireo ho faty ihany koa

[5]

Mafàna fo avy amin'ny Majlis e Muslimeen Pakistan manao hetsi-panoherana manohitra ny famonoana ikendrena ireo Shiita tao Gilgit & Quetta. Sary avy amin'i Rajput Yasir. Fizakà-manana Demotix (10/4/2012)

Haingana tamin'ny fanehoan-kevitra ny fampahalalam-baovao sosialy ao Pakistana. Ilay mafàna fo,  Ali_Abbas_Zaidi [6], dia isan'ireo voalohany nitatitra ity tranga ity:

@Ali_Abbas_Zaidi [6]: Navoaka hijoro teo ivelan'ny fiarabe fitaterana (indray) ny mpandeha, nofantarina dia notifirina. 18-20 no voalaza fa maty #Gilgit – Azo saintsainina ho #ShiaGenocide (famonoanaShiita)

Naneho ny rikorikony i @Darveshh [7] noho ny nitrangan'ity raharaha ity tao anatin'ny volana Ramadany Islamika :

@Darveshh [7]: fandevenana 20. fianakaviana 20. Ramzan faha-27 iny. Telo andro taorian'ny Eid. Saino ireo ankizy tsirairay, reny, anabavy ary rahalahy. #ShiaGenocide #Gilgit

Fanehoan-kevitra misimisy :

@sheerazhaider [8]: #ShiaKilling Faninefany izao tao anatin'ny 4-bolana, voalohany kosistan, faha-2 chelas, faha-3 manwar gilgit, ary ny farany babusar naraan androany.CJP Mifoah Ve Ianareo ao?

@yaroun1 [9]: RT @moeidhaider: @AwkwardShia @Marwa_313 : saika isanandro no vonoina an-kerisetra ireo  Shiita ao Pakistana (quetta gilgit) & mangina ny ankamaroany & eny fa hatramin'ny mpampahalala vaovao

@zahaibnabeel [10]: Manameloka mafy ny famonoana nikendrena ireo Silamo Shiita 20 tao Gilgit. Mila aely ny hafatry ny mpaminany Muhammad (S.A.W) momba ny fandriampahalemana & sy ny firindrana eo amin'ny rehetra.

@Aushpaz [11] Eritrereto raha hoe notanterahana tao anaty fandrindrana maty paika ny famonoana ireo voalohany nokendrena tao #Pakistan, mety tsy ho nisaona ny tao #gilgit akory isika androany!

@AnjumKiani [12]: Raha tianao ny hiantso azy io ho #ShiaGenocide (famonoanaShiita) dia antsoy araka izay, Raha tianao ny hamaritra azy ho  #SunniGenocide (famonoana Sionita) dia ataovy. Fa ho ahy dia #MuslimGenocide (Famonoana Silamo) io. #Gilgit

@javhb [13]: RT @AnjumKiani: Ireo 16 lasa maritior tao #Gilgit noho ny nataon'ny mpampihorohoron'ny  Khawarji dia sady tsy Sionita 16 no tsy Shiita 16, Silamo Pakistane izy ireny. Teboka famaranana!