Ny 6 Aogositra teo, niseho tamin'ny fahitalavi-panjakana ny Filoha Maoritaniana, ny Jeneraly Mohamed Ould Abdel Aziz. Nandritra io fisehoana tamin'ny fahitalavitra io, nidaroka mpanao gazety iray ny mpitandro ny filaminana raha teo am-pandrakofana ny fisamborana ary fampijaliana natao taminà vahiny iray nasaina izy, vahiny izay niangavy ny Jeneraly mba hiala. Ireo Maoritaniana mpampiasa Twitter dia nanaraka io trangan-javatra io ara-potoana, ary naneho hevitra avy amin'ny tenifototra #مسرحية _الجنرال [ar] (The General's Play na Ny Lalaon'ny Jeneraly).
Niseho izany rehetra izany nandritra ny fampitàna mivantana sy fandaharana lava tamin'ny Fahitalavitra nomena ny lohateny ” Ny fihaonana amin'ny Vahoaka.” Ilay fisehoana tamin'ny fahitalavitra [ny Filoha] dia nifanitsaka tamin'ny tsingerin-taonan'ny fanonganam-panjakana 2008 , izay nampiongana an'i Sidi Ould Cheikh Abdallahi Filoha Maoritaniana sivily voalohany sady voafidy.
Niteny ratsy ny mpanohitra ny Filoha, ary niampanga azy ireo ho miaro ny tombontsoan'ny antoko vahiny. Nesoiny ihany koa ny fangatahan'ny mpanohitra izay mangataka ny hialàn'ny fitondrana. Nikarakara fihetsehana maro manohitra ny fisehoan'ny Jeneraly tamin'ny fahitalavitra ny Movement of Mauritanian Youth na hetsiky ny tanora Maoritaniana[ar], ary miantso ny fianjeran'ny fitondrany. Mafana fo am-polony avy amin'ny I.R.A. [Hetsika manohitra ny fanandevozana ao Maoritania] no nanao fihetsiketsehana nanoloana ny Ministeran'ny Fitsarana, sy ny foiben'ny Radio Maoritaniana ho fanoherana ny fanambaràna fanandevozana nataon'ny Filoha nandritra ilay fisehoana tamin'ny Fahitalavitra. Noheverin'ireo ho fitsipahana imasom-bahoaka ny fanandevozana ilay fanambaràny, tamin'ny fijoroana teo akaikin'ireo olon-tsotra tompon'andevo.
Noesoin'ilay mafàna fo, Abdel Fetah Habib, ny fahambanian'ny fari-pahaizan'ny filoha :
@afetah لم يتكلم عن إنشاء جامعات عليمة بل يفهم فقط في التكوين المهني. هذا مستواه #مسرحية _الجنرال
Nampita fihetseham-po mitovitovy amin'izany ilay mafàna fo, Baba Ould Deye . Nobitsihiny ny tsy fahaizan'ny Jeneraly mandray na dia ny fari-pahaizana farany ambany indrindra aza :
@babadeye العالم الليلة يتابع حدث نزول مسبار كيوريوسيتي علي #المريخ،ونحن نتابع #مسرحية _الجنرال الذي لا cيمتلك شهادة ثانوية #Curiositylands #موريتانيا
Ny mpanoratra sady bilaogera, Abu Abbass Braham, dia nanamarika ny tantaran'ny Jeneraly :
@abbassbraham مازال الذكي يتهم المعارضة بالانتماء للنظام السابق، رغم أنه كان حارسه مدة عشرين عاما.
Sidi Ettaieb Ould Mojteba dia nitondra fanamarihana tamin'ny laingan'ny Filoha :
@mojteba الجنرال يتحدى كل من يقول أن في موريتانيا يوجد بها قمع، ويبدو أنه نسي قضية المشظوفي الذي قتل بدم بارد
Khalil Ould Jdoud, iraky ny Al-Arabiya, nitondra fanamarihana tamin'io zavatra iray io ihany:
@KHjdoud مسكين مسيلمة وجدنا من يزايد عليه في الكذب، يستحق العريف دخول الموسوعة العالمية وأن تضرب به العرب المثل
Ahmed Ould Ennahoui dia nitanisa mpiantso amin'ny finday iray izay niampanga ny Jeneraly ho nandainga :
@nahmedou متصل رائع كذب الجنرال #مسرحية _الجنرال #موريتانيا
Mejdi Ahmad dia naneho ny tsy firaharahiany ny fisehoan'ny Jeneraly tamin'ny fahitalavitra :
@mejdmr علي العموم أنا لم اتابع #مسرحية_الجنرال ولا أبحث عن إعادتها إطلاقا !!
Nitady vaovao momba izay niafaran'ilay tovolahy voasambotra tao amin'ny tranon'ny fahitalavitra i Mohammed Abdou :
@medabdou شباب هل لديكم خبر حول المعتقلين في #مسرحية_الجنرال البارحة ؟ ماهي أخبارهم هل أطلق سراحهم؟ #موريتانيا
Ny mafana fo Bab Ould Hourma dia nandona kely ilay mpanentana ao amin'ny Fahitalavitra :
@bHourma اللحظة التاريخية يا منت اليلي لم تحن بعد.. يوم تحين تلك اللحظة ستهربين كما فعلت هالة المصراتي!!
Notsikerain'i Yacoub Ould Mohamed Salem mpanao gazety ihany koa ny laingan'ilay mpanentan'ny fahitalavitra :
@YacoubBHD أحدهم اتصل عبر الهاتف.. بدأ ينتقد انقطع الاتصال فاعتذر المقدم لأن المتدخل اختار قطع الاتصال بنفسه #مسرحية_الجنرال #موريتانيا