Timor Atsinanana: Nambabo Ny Fon'i Londra Ilay Mpihazakazaka (Marathon)

Nambabo ny fon’ireo mpijery marathon tamin’ny lalao Olaimpika ilay tanora mpanao hazakazaka marathon, Augusto Soares, 25 taona, noho ny faharetany sy ny endrika sariaka teny aminy. Efa nifaninana tany Beijing izy efa-taona lasa izay, saingy tsy nahatody hatramin’ny farany, ka tamin’ity indray mitoraka ity, ny hamita hatramin’ny farany ny hazakazaka no tanjony.

Vitany hatramin’ny farany ny ankamaroan’ireo fifaninanana nandraisany anjara,  nisy ny fanantenana tamin’ity fifaninanana hazakazaka nandraisany anjara tamin’ny fotoana farany nanakatona ny Lalao Olaimpika 2012 tao Londra ity. (Tonga teo amin’ny laharana faharoa alohan'ny farany izy tamin’ny ora naharitra 2:45:09.)

Vahoaka ravoravo milahatra amin’ny araben’i Londra Wall sy Barbican no niarahaba an’i Augusto Soares avy ao Timor Atsinanana. Sary avy amin’i Richard Soans copyright Demotix (12/08/2012)

Annie Martin nisioka hoe:

Nahafinaritra ny hazakazaka Marathon Olaimpika, manofahofa ny sainako ivelan’ny tsangambato aho. Ankafiziko ny ambiansy ao Timor Leste manakoako amin’ny sofina!

Chris Spillane kosa nisioka hoe:

Olaimpiana ankafiziko indrindra, Soares avy ao Timor Atsinanana, nitàna ny laharana farany tamin’ny Marathon sokajy lehilahy. Izay tena Fanahin’ny Olaimpika http://yfrog.com/obrxpmjj

Mpisera Youtube Marwat86 naka sary ny horakoraka sy tehaka ho an’i Soares tamin’izy nandalo ny fetra fahatongavana.

Nisy ny fanadihadiana nataon’ny Firenena mikambana (ONU) tamin’ i Soares sy ny mpiray tarika aminy Juventina Napoleao,  izay roa volana fotsiny talohan’ny Lalao Olaimpika no nanombohan-dry zareo nanao fanazaran-tena.

Bilaogera Celso Olivieira nanadihady an’i Soares ihany koa. Nilaza ny tena namporisika azy indrindra izy

liu husi partisipasaun Timor nian bele mos fo’o hanoin hikas fali ba maluk Timor oan sira nebe namkari lemo lemo iha ema rain katak Timor liberdade ona no moris iha dame nia laran.

Tamin’ny alalan’ny fandraisana anjaran’i Timor no nahafahana nampahatsiahy ny olona manerana izao tontolo izao fa firenena afaka i Timor ary miaina am-pilaminana.

Nilaza i Soares fa te-ho modely ho an’ny tanora izy ary hampandroso ny fanatanjahatena ho an’ny fireneny.

Maibe, hau labele halo buat ida se wainhira hau mesak, tamba bat hotu fila fali ba ema bo’ot sira. Hau bele dehan hau hari'i klubu ida atleta barak, maibe eventu la iha sa ida mak akontese, atleta sira treino ka sira ba fali sira nia fatin. Ne’e ita atu dezenvolve desporto?

Saingy tsy mahavita na inona na inona aho raha miankina amiko irery, satria miainga avy amin’ny mpitondra ny zava-drehetra. Afaka milaza aho fa hanangana klioba miaraka amin’ireo mpanao fanatanjahatena marobe [any aoriana any], saingy raha tsy manana hetsika izahay , inona no mety hitranga, na hanao fanazaran-tena ny atleta na mety handeha hody. Mety hampandroso ny fanatanjahatena ve izany?

Niresaka momba ny fomba nandraisan’ilay Timorey nilalao olaimpika Aguida Amaral azy manokana ho toy ny zazalahy mpianatra tao Balibar,  tanàna kely any an-tendrombohitra eo ambonin’ny renivohitra i Soares.

Diak. Hau konhese desportu halai ne'e primeiro liu husi mana ida naran Aguida Fatima Amaral. Iha momentu ne’e, hau sei eskola iha foho i sei hela ho pai i mae. Depois loron ida mana ne’e to’o ba iha ami nia eskola atu registu ema atu tama iha mana nia klubu naran SLB. […] Hafoin ami treino iha neba mana ne’e hare ami nebe mak halai diak oitoan entaun foti ami tun mai hela no treino iha dili.

Eny, nahare momba ny fifaninanana aho tamin’ny alalan’ilay vehivavy antsoina hoe Aguida Fatima Amaral. Tamin’izany fotoana izany, mbola tany an-tsekoly tao an-tendrombohitra aho ary mbola nipetraka niaraka tamin’ny ray aman-dreniko ihany koa. Indray andro, tonga tao ampianaranay i Aguida mba hanoratra ny anaran’ny mpianatra ho ao amin’ny kliobany antsoina hoe SLB. […] Tamin’ny fanazarantena nataonay tao,  nahatsikaritra i Aguida fa afaka miditra fifaninanana tsara izahay ka nentiny tany Dili mba hanao fanazarantena.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.