- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Sénégal : « SunuCause », Tranonkalan'ny Maha-Olona

Sokajy: Afrika Mainty, Senegal, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Siansa, Vonjy Voina

Ao amin'ny tranonkala SunuCause [Ny Tolonay amin'ny teny Wolof [1]] dia izao no vakiantsika [2]:

Ilay andianà Senegaly bilaogera izay namorona ny #sunu2012 [3] mba handrakotra ny fifidianana filoham-pirenena natao ny Febroary 2012 tamin'ny alàlan'ireo tambajotra sosialy, dia nirotsaka nandray anjara aminà asa fanehoam-piraisankina, tamin'ny fananganana ny SunuCause.

Ny tanjona dia ny hanaitra ny sain'ireo mpikirakira aterineto amin'ireo olan'ny fiarahamonina ka hanangonana vola amin'ny alàlan'ny fanaovana antso ao amin'ny Facebook [4] sy Twitter.

Manome antsika misimisy kokoa momba izany ny bilaogy E-Goo Média, Nahoana no #Sunucause ? [5] :

#SunuCause [6] dia tafiditra anatin'ny hetsika sosialy, amin'ny maha-olona sy avy amin'olon-tsotra, izay ny mampiavaka azy manokana dia miainga ety anaty tranonkala daholo ny hetsika sy ny fitaovana rehetra. … tsy afaka hanantena foana ny Fanjakana hitondra ny zavatra rehetra isika satria miaraka aminà fahavononana kely monja dia afaka manao zavatra betsaka ny olom-pirenena manolo-tena sy mahatsiaro tena.

Nifamory momba azy io ireo Senegaly Twittos (mpibitsika twitter) izay mampiasa ny tenifototra #Kebetu [7] [midika hoe Fimonomononana amin'ny teny Wolof [1]] ao amin'ny  Twitter araka ny soratan'i Wareef ao amin'ny lahatsorany Sunucause : Ny hetsika amin'ny maha-olona ataon'ny tontolon'ny Twitter Senegaly [8](fr) :

Nihetsika ny tontolon'ny Twitter Senegaly … tao Dakar nandritra ny andiany faharoa amin'ny  Sunutweetup [ ny “tweetup”-nay amin'ny teny Wolof [1] ] ho fanombohana tetikasa iray vaovao antsoina hoe « Sunucause »

Taorian'ny fanolorana nataon'ireo Twittos tsirairay, …dia nanazava ilay bilaogera, Amy Jeanne, fa efa miodina ilay tetikasa satria efa nisy andianà bilaogera nanomboka ny asa sahady. Izay ny amin'iny, « sunucause dia tetikasa iray misokatra amin'ny rehetra, afaka mandray anjara ao daholo ny rehetra » hoy i Pape Ousmane manohy.

Koa satria efa miainga ilay sehatra [9], dia efa nahafaritra hetsika iray sahady ireo bilaogera. Momba ny « zaza iray antsoina hoe Mame Thierno [ 5 volana amin'izao fotoana] izay teraka tsy misy hodi-maso, sy manana hoditra mikainkona toy ny androngo, rakotra kira [10]. Na andro na alina, ireo nahitany masoandro dia tsy maintsy manosotra azy “crème hydratante” [11]izay mitentina 7 000 F CFA ny iray [11]hanalefaka ny hodiny [ [11]eo amin'ny 10 euros]. Ilay ankohonana, izay tena tsy manan-katokona mihitsy, dia manao antso amin'ireo tsara sitra-po. »

Ao anatin'ny Hetsika amin'ny maha-olona ataon'ireo Senegaly twittos : Tsy maintsy avotana ilay zaza Mame Thierno [12], milaza amintsika i Basile hoe :

Efa nisy ny andiany voalohany tamin'ilay “pommade hydratante” natolotra azy mandra-piandry ny handraisana ireo fanampiana bebe kokoa avy amin'ny vondrom-piarahamonin'ny mpikirakira aterineto.

Ary tohizany hoe :

« Mandefa antso noho ny maha-olona izahay ho an'ny tsirairay mba hanangonana vola bebe ihany hahafahana mividy pommade misimisy kokoa hanampiana an'i Mame Thierno ho afaka hiaina tsaratsara kokoa, mandra-pahita izay fomba azo atao handefasana azy any Eoropa hanaraka fitsaboana lafatra kokoa, hanasitranana ity zaza dongadonga ity mba ho fifalian'ny ray sy reniny. »

Wareef hatrany, ao amin'ny Sunucause : Ny hetsika amin'ny maha-olona ataon'ny tontolon'ny Twitter Senegaly [8] :

Ny asan'ireo bilaogera sy twittos mpirotsaka an-tsitrapo izao dia ny manentana ireo mpikirakira aterineto manerana ireo tambajotra rehetra mba hamaha olana sosialy iray.

Ny 15 Aogositra 2012, mpikambana vitsy avy amin'ilay vondrona no tonga nitsidika fanindroany [13] ny ankohonan'i Mame Thierno ary nampakatra saripika ao amin'ny  Twitter, izay azo jerena eto [14] na ato [15].

Ny 16 Aogositra ry zareo dia nampiseho T-Shirts [16] noforonina ho famatsiana ara-bola ity hetsika ity.