- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Maraoka: Manampy Ny Mpianatra Hitondra Fiovana ny Aterineto

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Maraoka, Fanabeazana, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Politika, Tanora, Zon'olombelona

Tamin’ny volana Jolay lasa teo, vondrona mpianatra Maraokana nampahafantra pejy Facebook [1] antsoina hoe “Ny Firasain’ny Mpianatra Maraokana Mba Hanova ny Rafi-pampianarana” (Fanafohezan-teny amin’ny teny frantsay: UECSE). Fitambarana tanora Maraokana ny vondrona izay mikendry ny “hirotsaka an-tsehatra, sy hiadihevitra momba ny vahaolana mahomby ho fanatsarana ny rafi-pampianarana”.

Tao anatin’ny iray volana latsaka, mpikambana miisa 10. 000 no liana tamin’ilay pejy Facebook ary maro ny fanohanana tao amin’ny fampahalalam-baovao sosialy.

Nanjary niha-mafy ny hetsika noho ny vaovao [2] avy amin’ny governemanta izay milaza fa hakarina ny saram-pisoratana anarana eny amin’ny oniversitem-panjakana.

Niantso [3] ho amin’ny fanentanana manerantany tamin’ny Alahady 6 Aogositra 2012 teo ny vondrona, mba “handrisika ny fiarahamoni-pirenena sy ny mpanao politika Maraokana hanokatra adihevitra nasionaly mikasika ny fepetra tokony horaisina momba ny fanovana ny rafitra.”

Nalefa tamin’ny fampahalalam-baovao sosialy ny antso.

Taminà lahatsary iray tao amin’ny Youtube izay nalefan’ny vondrona talohan’ny hetsika, niantso ho amin’ny fanovana ifotony ny rafi-pampianarana ny mpianatra. “Mila hovaina tanteraka ny rafi-pampianarana,” hoy ny mpianatra iray naneho hevitra tamin’ny lahatsary. “Mila ravàna tanteraka sy havaozina hatramin’ny voalohany indray ny rafitra,” hoy kosa ny mpianatra iray hafa. Maro tamin’ireo mpianatra niseho tamin’ny lahatsary no tsy nankasitraka ihany koa izay lazain’izy ireo hoe “fepetra tsy mandrisika (démotivante)” apetraky ny Sekoly Ambony  an’ny mpanankarena, indrindra ny fepetra ambony (volabe ) takiana mba ahafahana mifaninanana amin’ny fanadinana hidirana ao amin’ilay sekoly.

Ny andron’ny hetsika, mpianatra an-jatony sy ny ray aman-dreniny no namaly ny antso araka ny hita ao amin’ny sary sy lahatsary nalefa sy naparitaka tamin’ny aterineto.

Avy amin’ny hetsika tao an-tanàn-dehibe midadasika indrindra ao Maraoka ity lahatsary manaraka ity, Casablanca (nalefan’i The7Gladiator [4]):

 

Sary nalefan’ilay mpisera Flickr Hassan Ouazzani [5] kosa mampiseho ireo teny filamatra isan-karazany tsy mankasitra ny kolikoly, ny fanomezana tombotsoa tsy ara-drariny (favoritisme), ny faharatsian’ny fotodrafitrasa sy ny fepetra henjana apetraka amin’ireo mpianatra hiditra amin’ny fianarana ambony:

[6]

Niantso ho amin’ny fanovana ny rafi-pampianarana ny mpianatra Maraokana- Sary avy amin’i Hassan Ouazzani – nahazoana alalana 

[7]

Niantso ho amin’ny fanovana ny rafi-pampianarana ny mpianatra Maraokana- Sary avy amin’i Hassan Ouazzani – nahazoana alalana 

[8]

Nilamina tsara ny hetsika. Nanome teny [1] ny vondrona fa mbola hikarakara hetsika vaovao sy latabatra boribory manerana ny firenena.

Tao amin’ny Tumblr, hoy ny UECSE nanoratra [9]:

 Nitaky rafi-pampianarana mahomby ny MPIANATRA tanora, MPIANATRA MARAOKANA izy ireo, leo ny zava-misy ankehitriny, vonona hitondra fanovana ny hoaviny izy ireo sy hantanteraka ny nofinofiny, manomboka ny fikasana tsara faobe