Naharitra dimy volana hatramin'izao ilay hetsi-panoherana ny fampakàrana ny haban-dalana amin'ny lalambe espaniola ary tonga hatramin'ny fifandonana teo amin'ny mpamily fiarakodia sy mpitantan-draharaha tsy miankina tao akaikin'ny Mollet del Vallès [1] [fr]tamin'ny Nampikatsoana ny Lalambe C-33 [2] tamin'ny alalan'ny sakana nataon'nyAbertis [3], vondron'orinasa misahana ny lalambe mihoatra ny 6 713 km ao Eoropa.
Nanomboka ny 29 martsa 2012 teo ity hetsika malaza ity, rehefa nandrakitra an-dahatsary ny tenany i Josep Casadellà i Turon [5] nandà tsy handoa haban-dalana teo amin'ny lalambe AP-7 izy. Nakariny tao amin'ny kaontiny YouTube [6] izany. Nihoatra ny in-200 000 ny isan'ny nijery io horonan-tsary io. Tsy ampy iray volana nanara-dia ity hetsika ity ireo mpamily fiarakodia ao Catalogne, any Valence ary nisy nanaraka koa avy tao amin'ny vondro-nosy Baléares.
Nazoto nampiasa ny Twitter sy Instagram avokoa ireo mpandray anjara mba hanaovana firaisan-kina manodidina ilay hevitra sy ny tenifototra vetivety dia nisongadina hoe #novullpagar [7] (tsy handoa vola aho). Taoriana kelin'izay, nanangana tranonkala novullpagar.cat [8] ilay mpisera Katalana Jordi Torres Bonet [9] mba hampijoro amin'ny fomba ofisialy ny hetsika. Maro koa ireo tranonkala mpanohana ny hetsika voaforona, toy ireto izay hita kokoa, novullpagar.com [10], sy proupeatges.cat [11], ity farany izay nomena anarana araka ilay tenifototra nahatonga ny anarany [12] izay midika hoe #Tsymilahaban-dalanaintsony amin'ny fiteny Katalana.
Niteraka adihevitra mamaivay tao amin'ny politika espaniola momba ny elanelana misy eo amin'ny faritra samihafa momba ny fakan-ketra ny fanentanana #Noullpagar. Toa nomena ho an'olon-tsotra hatrany ny lalambe eo amin'ny zaratany katalana, mampiseho ny fifanolanana eo amin'ny sampan-draharaham-panjakana sy an'olon-tsotra mbamin'ny fifandraisana eo amin'ny orinasa lehibe misahana ny lalana sy fanjakana izao toe-javatra izao.
Nahazo ny fanohanana tsy nisy nitsipaka avy amin'ny antoko politika mpitaky ny fahaleovantena Katalàna moa ity hetsika ity, ka anatin'izany ny ERC [13], CUP [14], RCat [15] ary ny SI [16], ity farany moa izay namolavola lalàna [17] vao haingana mba handaminana ny sandan'ny ny haban-dalana arakaraka ny famoaham-bola natao tamin'ny lalambe. Ivelan'ny tontolo politika, naka toerana tao anatin'ny serasera ny adihevitra izay nandefasana ny #novullpagar, izay nanaitra ireo famoaham-baovao be mpanaraka :
@ElHuffPost [18] [espagnol] : Contra la subida de precios de los peajes, insumisión http://www.huffingtonpost.es/2012/07/29/conductores-insumisos-cor_n_1716090.html … [19] Eso han hecho muchos conductores bajo el lema #novullpagar
Manoratra ao amin'ny bilaoginy Vilaweb [20] i Joan Garces hoe:
Mire de fer un viatge; si m'en vaig cap a Espanya, a Madrit, sols hauré de pagar el gasoil (uns 30 euros aprox) pel contrari si m'en vaig a Barcelona hauré de pagar el gasoil (més o menys el mateix) però a més, he de pagar 36 euros de peatge, eixe és el robatori encobert i legal que patim els valencians i catalans des de fa anys i anys, que consisteix en pagar, pagar i després tornar a pagar, a Madrit, a l'Espanya que ens maltracta i ens ofega.
Niavaka tokoa ny fampiasana ireo media sosialy tahaka ny Youtube, Instagram ary Twitter nataon'ny mpikarakara ny #Novullpagar, miampy ireo mpandray anjara sy mpikambana ao aminy, mba hanamafisana orina ny firaisan-kina sy hifanentanana amin'ny hetsika ; nanambara mivantana ny fandraisan'anjarany ao ry zareo, izay vahavahàna toy izao “Fer un #novullpagar” midika amin'ny fiteny katalàna hoe “Manatontosa ny #tsy handoavolaaho”:
@Piulador_CATALA [21] [ca]: #BonDia, sabíeu que cada català paga de mitjana a l'any 95€ en peatges, mentre que a la resta de l'Estat la mitjana és de 30€. #novullpagar
@proupeatges [22] [ca]: Peatge de Mollet col.lapsat i barreres aixecades. La victòria és nostra!
@francescribera [23] [ca]: Fent un #Novullpagar a Girona-Sud
@miquelsi [24] [ca]: Per fi he pogut fer un #novullpagar!
@CristinaDomenec [25] [ca]: Estic fent #novullpagar…
@jordiborras [26] [ca]: A Sicília tenen «La cosa nostra» i aquí tenim Espanya i Abertis, que actuen igual #30minuts #novullpagar
Manome soso-kevitra araka ny lalàna amin'ireo mpandray anjara teo amin'ny alalan'ny tambazotra sosialy ihany koa ireo mpikarakara:
@ArseneLupin25 [27] [ca]: #novullpagar ens han arribat moltes multes per no identificar-nos, de requeriments que ni tan sols ens han arribat, ajuda siusplau!
@jcasadella57 [28] [ca]: . @ArseneLupin25 multes de #novullpagar sense identificacio? Envia-ho a juridica@cayalunyadiuprou.cat
@jcasadella57 [28]: . @ArseneLupin25 [27] lamandy noho ny #tsyhandoavolaaho sy tsy fanomezana taratasy fanamarinana ve? Alefaso any amin'ny juridica@cayalynyadiuprou.cat ireny.
Raha miditra amin'ny telovolana fahatelo [29] amin'ny toe-karena mitontsorika i Espaina ary eo am-piraharahana amin'i Madrid amin'ny fahaleovantenany ara-toe-karena [30] ny governemanta katalana, sarotra kosa ny hihenàn'ny fifandroritana noho ny elanelana eo amin'ny faritra sy ny fiantraikan'ny fanomezana ny fitantanana ho an'olon-tsotra. Azo inoana fa farafaharatsiny hitohy hahazo vahana hatrany ny fanoherana sy ny hetsika tsy fankatoavan'ny daholobe amin'ny lalamben'i Catalogne sy Valence.
Ny porofo mampivandravandra ny fiitatry ny #novullpager dia tsy voafetran'ny faritra katalana ihany ity fanentanana ity. Ny herinandro lasa teo, teo amin'ny fakana haban-dalana eo amin'ny lalambe A9 avaratr'i Portugal, tsy nanaiky nandoa vola ilay mpamily [31] ary nisioka izany tsy hetsika fankatoavana izany niaraka tamin'ny tenifototra vaovao amin'ny fiteny Galisiana [32] [fr] : #nonvoupagar [33].