Espaina : Fanentanana “Tsy handoa vola aho” Manerana ny Lalambe Katalana

Naharitra dimy volana hatramin'izao ilay hetsi-panoherana ny fampakàrana ny haban-dalana amin'ny lalambe espaniola ary tonga hatramin'ny fifandonana teo amin'ny mpamily fiarakodia sy mpitantan-draharaha tsy miankina tao akaikin'ny Mollet del Vallès [fr]tamin'ny Nampikatsoana ny Lalambe C-33 tamin'ny alalan'ny sakana nataon'nyAbertis, vondron'orinasa misahana ny lalambe mihoatra ny 6 713 km ao Eoropa.

Fango fanentanana #novullpagar. Loharano : Wikipedia

Nanomboka ny 29 martsa 2012 teo ity hetsika malaza ity, rehefa nandrakitra an-dahatsary ny tenany i Josep Casadellà i Turon nandà tsy handoa haban-dalana teo amin'ny lalambe AP-7 izy. Nakariny tao amin'ny kaontiny YouTube izany. Nihoatra ny in-200 000 ny isan'ny nijery io horonan-tsary io. Tsy ampy iray volana nanara-dia ity hetsika ity ireo mpamily fiarakodia ao Catalogne, any Valence ary nisy nanaraka koa avy tao amin'ny vondro-nosy Baléares.

Nazoto nampiasa ny Twitter sy Instagram avokoa ireo mpandray anjara mba hanaovana firaisan-kina manodidina ilay hevitra sy ny tenifototra vetivety dia nisongadina hoe #novullpagar (tsy handoa vola aho). Taoriana kelin'izay, nanangana tranonkala novullpagar.cat ilay mpisera Katalana Jordi Torres Bonet mba hampijoro amin'ny fomba ofisialy ny hetsika. Maro koa ireo tranonkala mpanohana ny hetsika voaforona, toy ireto izay hita kokoa, novullpagar.com, sy  proupeatges.cat, ity farany izay nomena anarana araka ilay tenifototra nahatonga ny anarany izay midika hoe #Tsymilahaban-dalanaintsony amin'ny fiteny Katalana.

Niteraka adihevitra mamaivay tao amin'ny politika espaniola momba ny elanelana misy eo amin'ny faritra samihafa momba ny fakan-ketra ny fanentanana #Noullpagar. Toa nomena ho an'olon-tsotra hatrany ny lalambe eo amin'ny zaratany katalana, mampiseho ny fifanolanana eo amin'ny sampan-draharaham-panjakana sy an'olon-tsotra mbamin'ny fifandraisana eo amin'ny orinasa lehibe misahana ny lalana sy fanjakana izao toe-javatra izao.

Nahazo ny fanohanana tsy nisy nitsipaka avy amin'ny antoko politika mpitaky ny fahaleovantena Katalàna  moa ity hetsika ity, ka anatin'izany ny ERCCUPRCat ary ny  SI, ity farany moa izay namolavola lalàna vao haingana mba handaminana ny sandan'ny ny haban-dalana arakaraka ny famoaham-bola natao tamin'ny lalambe. Ivelan'ny tontolo politika, naka toerana tao anatin'ny serasera ny adihevitra izay nandefasana ny #novullpagar, izay nanaitra ireo famoaham-baovao be mpanaraka :

@ElHuffPost [espagnol] : Contra la subida de precios de los peajes, insumisión http://www.huffingtonpost.es/2012/07/29/conductores-insumisos-cor_n_1716090.html … Eso han hecho muchos conductores bajo el lema #novullpagar

@ElHuffPost: Hetsika tsy fankatoavan'ny daholobe ho fanoherana ny fampiakarana ny saran'ny haban-dàlanahttp://www.huffingtonpost.es/2012/07/29/conductores-insumisos-cor_n_1716090.html … Marobe ny mpamily fiarakodia mampiasa ny don-teny #novullpagar

Manoratra ao amin'ny bilaoginy Vilaweb i Joan Garces hoe:

Mire de fer un viatge; si m'en vaig cap a Espanya, a Madrit, sols hauré de pagar el gasoil (uns 30 euros aprox) pel contrari si m'en vaig a Barcelona hauré de pagar el gasoil (més o menys el mateix) però a més, he de pagar 36 euros de peatge, eixe és el robatori encobert i legal que patim els valencians i catalans des de fa anys i anys, que consisteix en pagar, pagar i després tornar a pagar, a Madrit, a l'Espanya que ens maltracta i ens ofega.

Mieritreritra ny handehandeha aho. Raha ho any Espaina aho – izany hoe any Madrid – , lasantsy ihany no amoahako vola, izay eo amin'ny 30 euros eo. Etsy andaniny anefa, raha ho any Barcelone aho, tsy ny lasantsy ihany no hanaovako ny fandaniako, fa tsy maintsy ho takiana amiko ny vola 36 euros fanampiny ho amin'ny haban-dalana. Mbola ohatra amin'ny halatra an-kafetsena sy ara-dalàna izay mampijaly ny Valensiana sy ny Katalana an-taonany maro : mandoa vola ho an'ny governemantan'i Madrid, izay manempotra sy mampahory anay.

Niavaka tokoa ny fampiasana ireo media sosialy tahaka ny Youtube, Instagram ary Twitter nataon'ny mpikarakara ny #Novullpagar, miampy ireo mpandray anjara sy mpikambana ao aminy, mba hanamafisana orina ny firaisan-kina sy hifanentanana amin'ny hetsika ; nanambara mivantana ny fandraisan'anjarany ao ry zareo, izay vahavahàna toy izao “Fer un #novullpagar” midika amin'ny fiteny katalàna hoe “Manatontosa ny #tsy handoavolaaho”:

@Piulador_CATALA [ca]: #BonDia, sabíeu que cada català paga de mitjana a l'any 95€ en peatges, mentre que a la resta de l'Estat la mitjana és de 30€. #novullpagar

 @Piulador_CATALA: #miarahaba, fantatrao ve mandoa vola eo amin'ny  €95  eo amin'ny ankapobeny ny Katalana iray amin'ny fandoavana haban-dalana, kanefa €30 no haloan'ireo olom-pirenena espaniola hafa? #novullpagar

@proupeatges [ca]: Peatge de Mollet col.lapsat i barreres aixecades. La victòria és nostra!

@proupeatges: Mikoa ny fakana haban-dalana ao Mollet ary natsangana ny barazy. Antsika ny fandresena !

@francescribera [ca]: Fent un #Novullpagar a Girona-Sud

@francescribera: Ankehitriny eo am-panaovana ny #tsyhandoavolaaho eto Gérone-Atsimo.

@miquelsi [ca]: Per fi he pogut fer un #novullpagar!

@miquelsi (Instagram): Afaka nanatontosa ny #tsyhandoavolaaho ihany aho ny farany !

@CristinaDomenec [ca]: Estic fent #novullpagar…

@CristinaDomenec: Eo am-panaovana ny #tsyhandoaaho aho izao…

@jordiborras [ca]: A Sicília tenen «La cosa nostra» i aquí tenim Espanya i Abertis, que actuen igual #30minuts #novullpagar

@jordiborras: Any Sicile, manana ny Cosa Nostra ry zareo, ary eto, manana an'i Espaina sy ny Albertis isika, izay mitovy fomba fitondra #30minuts #novullpagar

Manome soso-kevitra araka ny lalàna amin'ireo mpandray anjara teo amin'ny alalan'ny tambazotra sosialy ihany koa ireo mpikarakara:

@ArseneLupin25 [ca]: #novullpagar ens han arribat moltes multes per no identificar-nos, de requeriments que ni tan sols ens han arribat, ajuda siusplau!
@jcasadella57 [ca]: . @ArseneLupin25  multes de #novullpagar sense identificacio? Envia-ho a juridica@cayalunyadiuprou.cat

@ArseneLupin25: #novullpagar betsaka ny lamandy azonay noho ny tsy nampisehoanay ny taratasy famantarana, tsy fantatray fa tokony hanao izany izahay, vonjeo izahay, azafady !
@jcasadella57: . @ArseneLupin25  lamandy noho ny  #tsyhandoavolaaho sy tsy fanomezana taratasy fanamarinana ve? Alefaso any amin'ny juridica@cayalynyadiuprou.cat ireny.

Raha  miditra amin'ny telovolana fahatelo amin'ny toe-karena mitontsorika i Espaina ary eo am-piraharahana amin'i Madrid amin'ny fahaleovantenany ara-toe-karena ny governemanta katalana, sarotra kosa ny hihenàn'ny fifandroritana noho ny elanelana eo amin'ny faritra sy ny fiantraikan'ny fanomezana ny fitantanana ho an'olon-tsotra. Azo inoana fa farafaharatsiny hitohy hahazo vahana hatrany ny fanoherana sy ny hetsika tsy fankatoavan'ny daholobe amin'ny lalamben'i Catalogne sy Valence.

Ny porofo mampivandravandra ny fiitatry ny #novullpager dia tsy voafetran'ny faritra katalana ihany ity fanentanana ity. Ny herinandro lasa teo, teo amin'ny fakana haban-dalana eo amin'ny lalambe A9 avaratr'i Portugal, tsy nanaiky nandoa vola ilay mpamily ary nisioka izany tsy hetsika fankatoavana izany niaraka tamin'ny tenifototra vaovao amin'ny fiteny Galisiana [fr] : #nonvoupagar.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.