Mpianatry ny anjerimanontolo sy mpiaro ny zon'ny vehivavy am-polony no nidina an-dalamben’ i Kaboul hanohitra ny fitarazohan'ny fanadihadiana mahakasika ny nanjo an'i Shakila, Tovovavy 16 taona izay voaolana avy eo novonoina ny taon-dasa teo tao amin'ny faritra Bamyan ao Afghanistan.
Tao an-tranon'i Wahidi Beheshti, mpikambana ao amin'ny antenimieram-paritra, no nitranga ny noheverina ho famonoana enim-bolana izay. Nanantitrantitra i Beheshti sy ny mpanohana manana ny heriny fa namono tena i Shakila. Kanefa, maro ny olona no niampanga ity mpanao politika ity ho namono ny tovovavy ary mihevitrevitra fa mampiasa ny fahefany sy ny fahalalàny olona izy izao hampitarazoka na handiso ny fanadihadiana.
Ohatra, nanambara i Rahim Ghaffori, mpikambana ao amin'ny fiaraha-monim-pirenena hoe:
به جان شکیلا تجاوز صورت گرفته و فیری هم که شده از پشت سر بوده، دوسیه وی از طرف طب عدلی به سارنوالی فرستاده شده ، متاسفانه سارنوالی یکی از دوستان اقای واحدی بهشتی است که در این قسمت توجه نکرده.

Ireo Vehivavy Afghan mitanjozotra ao Kaboul mba hanairana ilay raharaha mahakasika an'i Shakila, Saripika nampiasana tamin'ny fahazoan-dalana avy amin'ny Ferdous Samim.
Nandalo ny biraon'ny vaomiera mahaleo tena Afghan momba ny zon'olombelona (AIHRC) ka hatrany amin'ny parlemanta ny diaben'ny mpanao fihetsiketsehana. Mihazona ny sarin'ny Shakila ary mihiakiaka, “Henatra ho an'ny mpitsaran'i Bamyan. Tsy namono tena i Shakila.” Nihiaka ihany koa izy ireo hoe “Ministeran'ny fitsarana ! fitsarana! fitsarana! [rariny! rariny!]” sy “Zon'olombelona! Ataovy matotra! ataovy matotra!”
(Misy horonan-tsary tamin'ny zava-nitranga avy amin'ny RFE/RL Radio Free Afghanistan azo jerena ato. Sary hafa nandritra ny fihetsiketsehana hita ato)
Nanoratra tao amin'ny pejy Facebook-ny ny Tanora Vehivavy Ho amin'ny Fanovàna, fikambanana Afghana tsy miankina amin'ny fanjakana izay anisan'ny nanomana ny fihetsiketseha-panoherana, taorian'ny zava-nitranga:
Tsy mila famonoana Shakila vaovao intsony izahay,” izay ny foto-kevi-dehiben'ny diabe androany, izay manavoitra fa tsy fitakiana ny rariny momba an'i Shakila ihany io diabe io, fa fanasongadinana ny tsy rariny rehetra ampiharina amin'ny vehivavy amin'ny alalan'ity raharaha ity.
Naneho hevitra i Zohal, iray amin'ireo mpanao fihetsiketsehana:
.قاتل شکیلا آزادانه گشت و گذار می کند و دولت هیچ اقدامی برای دستگیری اش نمی کند و پارلمان ازمتهمین پشتیبانی می کند. ما ازدولت میخواهیم که جداً موضوع را پیگیری کرده و عاملین تجاوز و قتل شکیلا را دستگیرو محاکمه کند
Tsy fotoana maningana
Tsy fotoana maningana ny fihetsiketsehana tao Kaboul. Ny 25 Jolay, olona am-polony no nidina an-dalamben’ i Bamyan mba hifantohana amin'ny raharaha Shakila.
Etsy ankilany, mpitolona sy mpisera aterineto maro no nampiasa fitaovam-pampahalalam-baovao sosialy hitakina ny rariny sy hakàna toky fa tsy mijanona tsy ho tsimatimanota ny namono an'i Shakila. Arahin'ny Afghans mpisera Facebook nanangana ny pejy ho an'i “Shakila” sy fikambanana roa hafa misokatra, “ Shakila antsika” sy ny “Vondron'ny Mpanohana an'i Shakila Maritiora” akaiky ny raharaha.
Nanoratra [fa] i Asad Buda, mpanoratra Afghan hoe:
تنها کسی زبانِ شکیلا را میفهمد که با زبانِ تاریخ آشناست: شکیلا بیان و یاد کسانی است که کشندگانِ آنان هرگز مجرم شناخته نمیشوند.
Ali Amiri added [fa]:Nanampy [fa] i Ali Amiri hoe:
یک تفاوت اساسی میان مرگ شکیلا و صدها همانند او که پیش از این طعمه غارت و تارج و تجاوز شدند وجود دارد. مرگ او را همه فریاد کردند. خون سرخش را همه دیدند… اینک در رگ هر رسانه خود او رسیده و جاری شده است. هر شاعری اورا فریاد می کند. اینک این حجله سرخ شکیلا است که خواب سیاه همه را به کابوس بدل کرده است.
1 hevitra
dia mahonena tokoa fa n’aiza n’aiza eto an-tany raha vao misy ny “mahitahita” dia voahitsakitsaka ny zo sy ny rariny tokony hanjaka, eto dia marina ihany ilay hoe “ny marina mitavozavoza tsy maharesy ny lainga tsara lahatra”, Indrisy!