16 Aogositra 2012

Tantara tamin'ny 16 Aogositra 2012

Arabia Saodita : Miaro Ny Haja Amam-Boninahitry Ny Vehivavy Siriana?

Ny 11 Aogositra dia nandefa bitsika i Bader Al Domiat avy any Arabia Saodita fa misy Siriana vavy mananontena manodidina ny 300 eo ho eo mitady vady. Niteraka hatezerana teo amin'ireo Saodiana mpikirakira aterineto ilay hafatra, izay niala tsiny tamin'ireo Siriana rahalahiny ary nanameloka mafy an'i Al Domiat, izay avy hatrany dia nampihantona ny kaontiny tao amin'ny twitter.

16 Aogositra 2012

Syria: #InMySyria Ho Feno Fahalalahana Ny Arabe

Nanonofy maraina vao ho an'ny fireneny ireo Siriana mpikirakira aterineto, izay hifohan'ny vahoaka ny rivo-pahalalahana, hiaina anaty fitoviana ary ho nofiratsin'ny lasa sisa ny fisamantsamahana. Fantaro ny fomba fijerin'izy ireo ny ho avy amin'ny fampiasàna ny tenifototra #InMySyria ao amin'ny Twitter

16 Aogositra 2012

Tonizia: Sidi Bouzid Mitroatra. . . Indray

Sidi Bouzid, ilay tanàna Toniziana niaingàn'ny onjanà revolisiona tany amin'ny tontolo Arabo efa ho herintaona sy tapany mahery, dia toa mangotrangotraky ny andianà hetsi-panoherana vaovao indray. Manosika ny vahoaka ireo olana ara-toekarena, sosialy sy politika, ny vahoaka izay maneho tsy fahafaham-po misonga hatrany amin'ny governemanta eo an-toerana amin'izao fotoana.

16 Aogositra 2012