- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejipta: #DearEgyptAir (#EgyptAirMalala), Tolotra Mendrika Azafady

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Hehy, Mediam-bahoaka, Toekarena sy Fandraharahàna

Tato anatin'ny taona vitsy dia hita mazava fa raha toa ka misy olona manana feo avo ary be ny mpihaino azy — tsy ilaina intsony ny manamarika hoe manana fahaizana mihanihany — dia afaka ampiasaina tsara ny fampahalalam-baovao sosialy ho sehatra enti-manova. Ary raha matetika izany no midika fiovàna politika na sosialy, dia mety hidika koa izany hoe — araka ny noporofoin [1]‘ilay bilaogera malaza Heather Armstrong, aka Dooce — fahafahana misarika ny sain'ny orinasa goavana iray hihaino ny fitarainanao.

Leon'ny tolotry ny EgyptAir, vao marainan'ny Alarobia teo dia nampiasa ny Twitter ilay mpanoratra metisy Agnlisyt-Ejiptiana, Amy Mowafi [2], mba hitarainany mikasika ny zava-niainany [3] raha namandrika toerana tamin'ilay zotram-piaramanidina izy:

Tena nandaniako ORA IRAY ARA-BAKITENY mihitsy ny namandrika ny tapakilako @flyegyptair [4] tamin'ny alàlan'ny antso #FML [5]

Nanampy tenifototra iray, i Mowafi dia nandrisika ny mpanjohy azy mba hibitsika ny fitarainan-dry zareo manokana [6] mikasika io zotram-piaramanidina io :

Ho anareo rehetra izay nampijalian'ny @flyegyptair [4] iangaviako aianareo hiaraka amiko amin'ny fitarainako alefa ho azy ireo mba hahazoana valiny sy fanazavana avy amin-dry zareo  #DearEgyptAir [7]

Betsaka no avy hatrany dia nanaraka.  Waleed Mowafi (@WallyMow) nanampy hoe [8]:

#DearEgyptAir [7] Indraindray rehefa ao an-trano aho, dia kikisako amin'ny ‘papier verre’ ny tanako satria mahatsiaro ny fahatsapako ny lamba firakotry ny ‘Egypt Air’ aho @flyegyptair [4]

Mai Eldib (@14inchHEELS) nitaraina hoe [9] :

#DearEgyptAir [7] mety mba ho azo atao ve na dia indray mandeha monja aza ny manao sidina tsy ahitàna mpanamory mifoka sigara ao anaty efitra fanamoriana @AmyMowafi [10]

@Mayounah nanana ahiahy mampiasa saina kokoa [11] :

#DearEgyptAir [7] azfd aza aty amiko no anaovanareo fijery miandrandra amin'ny masonareo rehefa mba mitaraina aho hoe misy rano mitete avy any ambonin'ny tafon'ny fiaramanidina… Sahala amin'ny azoko antoka fa saropady izay olana izay.

Betsaka no nifantoka tamin'ny ‘tsiron-kanina’ aroson'ilay zotram-piaramanidina.  @ShadenFawaz niteny momba ny mofomamy :

#DearEgyptAir [7] efa mba nanandrana nihinana ilay “cake” arosonareo iny ve ianareo!? Izao izany, tsy sakafo iny raha toa ka mbola tsy voamarikareo.

@LailaShentenawi nivazivazy hoe [12] :

#DearEgyptAir [7] Ezahanareo sorohana ery ny tsy hiakaran'ny olona ao anaty fiaramanidina miaraka aminà fikikisana hoho! Kanefa tsy fantatrareo fa raha misy olona voavelin'iny mofo arosonareo iny dia mety ho faty mihitsy

Waleed Mowafi nihanihany hoe [13]  :

#DearEgyptAir [7] Tena heveriko ry zalahy fa efa voatosikareo lavitra mihitsy ny fetran'ny hai-nahandro tamin'ny famoronana sakafo misy trondro, akoho & hena  izay mitovy daholo ny tsirony an @flyegyptair [4]

@MarwaAyad aza somary nivantambantana [14] :

#DearEgyptAir [15] Fa iza no mahandro ireny sakafo ireny e ? Mba marina mafy, iza?