- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nahatratra Vokatra Manatantara i Kolombia Tamin'ny Olaimpika Londra 2012

Sokajy: Amerika Latina, Kolombia, Fanatanjahantena, Mediam-bahoaka, Lalao Olaimpika

Vaovao farany (9 Aogositra 2012): Fotoana fohy taorian’ ny namoahana ity lahatsoratra ity, nandrombaka ny medaily faha enina ho an’i Kolombia i Jackeline Rentería tamin’ny lalao Olaimpika ao Londra 2012. Medaily alimo [1] no azon’i Rentería tamin’ny taranja tolona.

Teo amin’ny tantaran’i Kolombia momba ny Lalao Olaimpika [2], ny lalao tao Londra tamin’ity taona 2012  ity no  taonan’ny Olaimpika nahavitàna ezaka tsara indrindra teo amin’ny firenena. Nihoatra noho ny ezaka vita nandritra ny lalao tany  Munich 1972 [3], izay nahazoan’i Kolombia medaily volafotsy iray sy medaily alimo roa, sy tamin’ny lalao tany Sidney 2000 [4], izay nahazoan’i Kolombia medaily volamena iray tamin’ny alalan’i Maria Isabel Urrutia ny zava-bitan’ireo delegasionina tamin’ity Lalao Olaimpika 2012 ity.

Tamin’ity lalao Olaimpika tao Londra ity, nandefa delegasionina mpanao fanatanjahatena maherin’ny  100 i Kolombia, izay ny delegasionina vehivavy [5]  no nahazo  isan-jato be indrindra tao Amerika (57.8). Hatreto, tamin’ireo delegasionina vehivavy,  Yuri Alvear [6], mpanao judoka  nahazo medaily alimo  tamin’ny  taranja  judo [7] ary nahazo  medaily volafotsy  kosa ilay atleta vehivavy  Caterine Ibarguen [8] tamin’ny taranja vikina in-telo miantoana [Fanamarihana: Jereo ny vaovao farany eo ambony]. Tamin’ireo delegasionina Kolombiana  lehilahy kosa, medaily alimo no azon’i Oscar Muñoz [9] tamin’ny taranja taekwondo [10], 58 kilao, ary medaily volafotsy roa : ny iray norombahin’ [11]Rigoberto Uran [12] tamin’ny hazakazaka an’arabe, ary ny  iray kosa lasan’i Óscar Figueroa [13] tamin’ny  “fibatana fonjamby” milanja 177 kg.

[14]

Ambony ny maoraly amin’ny  fanantenana mety hahazoan’ilay  mpandeha am-bisikileta Mariana Pajón [15] medaily volamena, izay hanavotan'ny  Kolombiana ny toerany eo amin’ny  top 30 [16]  [tampony 30] amin’ny tantaran’ny  medaily  izay mety hihoatra lavitra tsy araka ny nampoizina koa aza.

Niteraka fientanam-po teo amin’ny vahoaka ny fahazoana ireo medaily dimy,  ka nahatonga azy ireo nizara ny hafaliany tamin’ny aterineto ho fankalazana ny ezaka lehibe vitan’ireo atletany. Nanampy tamin’ny fitateram-baovao,  ny fizarana sary, sy ny fanehoan-kevitra  ny tambazotra sosialy.

Marisol Ochoa (@marisol8acardon [17]) manome lanja ny fandraisan’anjaran’ny vehivavy amin’ny fanatanjahatena:

@marisol8acardon [18]: Me enorgullece más que una mujer colombiana gane una medalla en los juegos olímpicos a que gane una corona por su belleza física.

@marisol8acardon [18]: Mahatsiaro afa-po aho hoe medaily no azon’ny vehivavy Kolombiana tamin’ny lalao Olaompika fa tsy fehibory diadema noho ny faharatsaram-batany.

Mampisongadina ny zava-bitan’ireo vehivavy tao anatin’ny delegasionina, María Isabel (‏@Marita1899 [19])  amin’ny maha-vehivavy azy, afa-po tamin’ilay vehivavy mpiray tanindrazana aminy Caterine Ibarguen:

@Marita1899: [20] Caterine Ibarguen… Ejemplo de vida y ORGULLO COLOMBIANO!!

@Marita1899: [20] Caterine Ibarguen… Ohatra eo amin’ny fiainana ary REHAREHAN NY KOLOMBIANA!!!

Nandritra izany, efa  naneho hevitra ilay mpanao gazety  Pablo (@pablodenarvaez7 [21]) tamin’ny 1 Aogositra tamin’ny fotoana nanombohan’i Yuri Alvear tamin’ny fifaninanana:

@pablodenarvaez7 [22]: La yudoka colombiana Yuri Alvear ya combate en los JJOO. ¡Atención!

@pablodenarvaez7 [22]:  Hifaninana amin’ny Lalao Olaimpika ilay Kolombiana  judoka Yuri Alvear. Tandremo!

María Nelly Prada (@marianellyprada [23]),  tao anatin’izany, nankasitraka ny medaily vaovao azon’ilay tanora Oscar Muñoz tamin’ny taranja taekwondo:

@Maríanellyprada [24]:  La imagen del día en los olímpicos para mi fue la de Oscar Muñoz… medalla de bronce, y sin tanta propaganda.

@Maríanellyprada [24]: Oscar Muñoz amiko no tena dadany tamin’ny andron’ny  Olaimpika… medaily alimo, ary tsy dia nisy dokambarotra be loatra ny momba azy.

Mampisongadina ny fandraisan’anjaran’i Oscar Figuera,  mpisera  @HEVERTH5 [25] nanoratra hoe:

@HEVERTH5 [26]: La constancia vale plata-La medalla al pesista Oscar Figueroa en los olímpicos de Londres

@HEVERTH5 [26]: Volamena no mendrika ho azon’i Oscar Figueroa amin’ny lalao  Olaimpika.

Paola Posso Vergara‏ (@PAOLAGAGAPOSSO [27]) nivavaka ho an’i Rigoberto Urán:

@paolagagaposso [28]: ¡Orgullosa de Rigoberto Urán!

@paolagagaposso [28]: Afa-po tamin’i Rigoberto Uran!

Nametraka [29] fitantarana [30] manokana momba ireo medaily [31], ny atleta [32] sy ny zava-bitany [33] ny tao amin’ny Facebook [34] sy ny bilaogy. Kanefa, na dia teo aza ireo fientanampo [35] sy hafalindehibe, nisy ireo hafa nanao fampitahana [36] mikasika ny fahasarotan’ny zava-misy atrehin’ny firenena.

Daniel Navia (@Daniel_Navia [37]) nanoratra ity manaraka ity raha nandrombaka ny medaily volafotsy i Kolombia tamin’ny alalan’ilay mpandeha am-bisikileta Rigoverto Urán:

@Daniel_Navia [38]: Colombia ya tiene una medalla de plata. Solo nos falta arreglar el sector salud, educativo y político para ser un país viable.

@Daniel_Navia [38]: Nahazo medaily volafotsy ankehitriny i Kolombia.  Ankehitriny, mila mandamina tsara fotsiny  ny sehatry ny fahasalamana, ny fampianarana ary ny politika isika mba ho firenena  maha-te-honina I Kolombia.

Miller Castañeda D ( [39]@millercasta [40]) [39] nankasitraka ny zava-bitan’i Oscar Figueroa:

@Millercasta [39]: Siempre será mejor una medalla de plata y récord olímpico para Colombia en pesas, a una medalla de oro en corrupción. Grande Figueroa.

@Millercasta [39]: Tsara foana ho an’i Kolombia ny medaily volafotsy sy ny zava-bita mahafa-po tamin’ny Olaimpika, noho ny medaily volamena azo tamin’ny kolikoly.  Tsara ny vitan’i Figueroa.