Mahazo Ny Medaly Volamenany Voalohany I Arzantina Amin'ny Lalao Olaimpika 2012 Ao Londona

Ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny Lalao Olaimpika 2012 ao Londona ity lahatsoratra ity.

Nankalaza ny medaly volamenany voalohany indrindra nandritra ny Lalao Olaimpika tao Londona i Arzantina ny Zoma 10 Aogositra; Sebastian Crismanich [es], teraka tany amin'ny Faritanin'i Corrientes, nifaninana tamin'ny sokajy 😯 kg tamin'ny Taekwondo, nandresy ny solontenan'i Espaina Nicolás Garcia Hamme 1-0.

Any Arzantina, lasa fotokevitra iray malaza ny tenifototra #Crismanich [es], ary naneho ny hafaliany sy ny fahagagany ireo mpampiasa tamin'ity zava-bita tanatinà fanatanjahantena ity izay tsy dia malaza tahaka ireo fanatanjahantena hafa, tahaka ny lalao baolina kitra. Anivon'ireo bitsika maro, manoratra i Nico Fernandez (@nicolinoribas) [es]:

@nicolinoribas: Ahora son todos fanáticos del Taekwondo. No rompan las pelotas. Hace 12 horas no sabían ni que competía #Crismanich.  Hipócritas.

@nicolinoribas: Amin'izao fotoana izao dia lasa mpankafy ny Taekwondo ny rehetra. Ie marina izany. 12 ora lasa izay, tsy nisy nahafantatra fa nandray anjara i #Crismanich. Mpihatsaravelatsihy.

Sahala amin'izany, manome tsiny ireo mpanao gazety noho ny tsy fahampian'ny fandrakofana i Jose (@vjosesc) [es]:

@vjosesc: Hace 2 días no sabíamos que #Crismanich tenia posibilidades de ganar una medalla de oro. Falla de los periodistas que cubrieron los #JJOO .

@vjosesc: Roa andro lasa izay tsy nahalala isika fa nanana fahafahana hitango medaly volamena i #Crismanich. Tsy nahomby ireo mpanao gazety nandrakotra ny #JJOO [“Lalao Olaimpika”].

Na izany aza anefa, maro amin'ireo mpampiasa twitter no maneho ny hafaliany manoloana ny zava-bitan'i Crismanich, tahaka an'i Juancho (@kiddo72) [es], Perickles (@peripepe) [es] sy Abel Racedo (@AbelRacedo) [es], ankoatra ireo hafa.

Mamintina [es] ity fahombiazana ity sy ny tantaran'ireo medaly volamena azon'i Arzantina ny masoivoho mpampiely vaovao Arzantina Telam:

Crismanich, de 25 años, se erigió entonces en el primer medallista olímpico de la Argentina en la disciplina (que empezó a disputarse en Sydney 2000) y además cortó una racha de 64 temporadas en las que un argentino, en manera individual, no conseguía la medalla dorada.

Los boxeadores Pascual Pérez y Rafael Iglesias y el maratonista Delfo Cabrera, también en Londres, pero en 1948, habían sido los anteriores deportistas nacionales, en subir al escalón más alto de la premiación.

Crismanich, 25 taona, nipoitra ho ny mpifaninana voalohany nahazo medaly volamena tao Arzantina tamin'ilay taranja (izay nanomboka nolalaovina tany Sydney 2000) ary nahavita fotoam-pilalaovana 64  ihany koa izay tsy nahazoan'i Arzantina medaly volamena na iray  aza, raha ny lalaon'olon-tsotra no jerena.

Ireo mpanao ady totohondry Pascual Pérez sy Rafael Iglesias, sy ilay mpihazakazaka lavitr'ezaka Delfo Cabrera, izay tany Londona ihany koa, no mpifaninana nasionaly fahiny niakatra teny amin'ny tampon'ny lampihazo fanolorana medaly, tamin'ny 1948.

Ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny Lalao Olaimpika 2012 ao Londona ity lahatsoratra ity.

Ny hajiantsary dia avy amin'ny pejy Faceebook-n'i Sebastian Crismanich's [es].

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.