Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Lahatsary: Tsy Misy Dobo? Tsy Olana! Misy Ny Vahaolana Iadiana Amin'ny Hafanana

Manery ireo olona marobe hitady fomba ialàna amin'ny fiakaran'ny maripàna na hitady fomba hahazoana aina ny tonontaona mafàna ao amin'ny ilam-bolantany avaratra. Mampiseho ny fomba famoronana sy ny fomba tsotra nataon'ny ireo tanora sy lehibe hoentina hiadiana amin'ny hafanana  ireto sary sy lahatsary manaraka ireto.

Miady amin'ny hafanana amin'ny alalan'ny famenoana rano anaty kianja (lavaka) fanaovana korisa “skate”  ny ankizy ao Medellín Kolombia ary maka hatsiaka ao anatin ‘izany. Ao anatin'ny foto-drafitrasa tantanin'ny orinasam-pitanterana ilay kianja fikorisarisana. Diego Alzate no naka ny sary nandritra ny fialantsasatra nataony tao Kolombia tamin'ny volana Jolay 2012 lasa teo; nahazoana alalana avy aminy ny fandefasana ny sary.

Children flood a skateboarding pit to make a pool for themselves

Fenoin'ireo ankizy rano ny kianja (lavaka) fanaovana korisa “skate” mba ho lasa dobo filomanosana ho azy ireo ao Medellin, Kolombia, sarin'i Diego Alzate, nahazoan-dalana

Ao Hong Kong, milalao ao anaty loharano ao amin'ny zaridainan'i Hong Kong ny ankizy mba hitady hatsiaka.

Ao Siloé tanàna manodidina an'i Cali, Kolombia, nanapa-kevitra ny hanova ny fanaovana teatira ankalamanjana ho dobo filomanosana ny ankizy.

Mety avy amin'ny toerana somary kely ihany koa ny vahaolana noho ny hafanana: ao amin'ny Repoblika Dominikana ohatra, namaha olana ilay dobo kely fisasana.

Ity fitoeran-drano somary lehibe  tahaka ny fitaovana an-dakozia fampiasa taloha ela be: amin'izao fiainam-baovaony izao, nanjary lasa dobo filomanosana kely ho anà zazavavy anankiroa ao Brezila ilay izy

Inona kosa no atao raha mihitsoka any an-trano na anaty birao ianao  kanefa tsy manana milina fanitsiana hafanana? Tadidio ity fomba fanao taloha ity, apetraka aorian'ny vonga-dranomandry ny vantilatera.

Ahoana ny fomba hiadianao amin'ny hafanana?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.