- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ejipta: Maizina Ao Kairo

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Fampandrosoana, Mediam-bahoaka, Toekarena sy Fandraharahàna, Vaovao Mafana

Hafa kely ny lohataona ao Ejipta tamin’ity. Iharan’ny fahatapahan-jiro sy rano miverimberina isan’andro ireo distrika samihafa tao anatin’izay volana vitsy izay. Ary amin’izany, mbola tsy nisy ny fanambarana mazava avy amin’ny manampahefana, fantatry ny olona ihany anefa hoe noho ny fampihenana ny  vesatry ny milina mpamokatra herinaratra no anton’ny  fahatapahan’ny herinaratra miverimberina.

Na dia izany aza, hafakely ny androany [8 Aogositra 2012]. Maro tamin’ireo mponina ao Kairo no niharan’ny fahatapan-jiro vao maraina, na tany an-trano izany na tany amin’ny birao, ary tratran’izany ihany koa ary ny metro ambanin’ny tany sy ny tsenam-bola [Bourse] Ejipsiana

Mado nitantara ny nahazo azy:

@mado_1 [1] النور قطع عليا في المترو ونزلت سعد زغلول ومن سعد زغلول مشيت للتحرير علشان اخد الخط التاني لقيته برضوا مش شغال.

Tapaka ny herinaratra raha tao anaty metro. Niala tao amin’ny fiantsonana Saad Zaghloul aho, ary teo aho no nandeha tongotra ho an’ny amin’ny kianja Tahrir mba handray metro hafa indray, saingy mbola tsy nandeha ihany koa ilay metro tao.

Hoy izy nanohy:

@mado_1 [2] ركبت من التحرير لشغلي ولما وصلت الشغل لقيت النور قاطع وفضل قاطع لمدة ساعتين ونص ويا دوب لسة راجع

Nandray fiara hafa tao Tahrir aho handeha hamonjy ny asako, ka vao tonga tao am-piasana aho dia mbola tsy mandeha ihany ny herinaratra. Tapaka nandritra ny roa ora izany ary avy eo niverina ihany.

Mostafa Al Naggar, mpikambana teo aloha tao amin’ny antenimiera nilaza hoe:

@alnagar80 [3]
قطع الكهرباء عن المترو جريمة قتل عمد ينبغى محاكمة المسئول عنها ، لن يحتمل الشعب مزيدا من العبث والاهمال والعجز بسبب الفشلة العاجزين

Zava-doza mahafaty ny fahatapan’ny herinaratra any anaty metro. Tokony hoentina hotsaraina eny amin'ny fitsarana ireo tompon'andraikitra mahavanon-doza tahaka izany. Tsy handefitra amin'ny tandrevaka, ny fangalarana sy ny fahatapahan-jiro tahaka izany intsony ny vahoaka.

Maged Abedo nanontany hoe:

@mAbidou [4]
إزاى مترو الأنفاق ما يكونش فيه مولدات إحتياطية وسيتي ستارز فيه، عجبى

Fa nahoana no tsy misy fitaovana mampandeha herinaratra ao anaty metro, kanefa ao an-tanàna City Stars (tranom-barotra malaza  ao Kairo) ahitana izany ?

Hany Hathout nitaraina hoe:

@HHathout [5]: Maizina. Tsy misy herinaratra manerana ny tanàna.

Nanontany ilay mpanao gazety, Sarah Carr:

@Sarahcarr [6]: Niely sy matetika toy izao ve ny fahatapahan-jiro tao Kairo tamin'ny lohataona lasa?

Hoy koa i  Amr Hassan nanamarika:

@superamr [7]: Miposaka tsara ny masoandro. Tsy misy ny herinaratra. #Cairo

Saingy nilaza kosa ny mponina iray fa mitondra filaminana  ao Kairo ny fahatapahan'ny herinaratra. Hoy i Patricia Stein naneho hevitra:

@PsteinND [8]: Mangina ao #Kairo amin'ny fotoana fahatapahan-jiro…mangina mahafinaritra. Mangataka aho mba atao lavalava ny fahatapahana. Mitondra ny olona hifantoka amin'ny zava-misy izany