Vitsy ny olona no mihevitra fa ny Ady an-trano Libaney, tamin'ny 1975 taorian'ny Vonomoka tao Ain el-Rammaneh ary nihitatra hatramin'ny Oktobra 1990 rehefa noraisin'ny Tafika Syriana ny fitantanana an'i Baabda Palace, no niteraka ny fahafatesan'olona maherin'ny 150.000, ny fanjavonan'olona 20.000 ary ny famindràna toerana ireo Libaney aman'hetsiny avy amin'ireo sekta sy tontolo samihafa.
Ireo fianakaviana sisa tavela mitady vaovao manerana ny firenena mikasika izay mety nanjo ny zanany. Natsangana ny komity taorian'ny ady hanao ny fanadihadiana mikasika ny fototry ny fanjavoanana, izay mifantoka amin'ny fanairana ny governemanta sy ny rafi-piarahamonina sivily mikasika ny olan'ireo olona nanjavona sy nalaina an-keriny olona ny ezaka ataony, amin'ny alàlan'ny hetsi-panoherana nanoloana ny biraon'ny Firenena Mikambana sy ny Fikambanana miaro ny Zon'Olombelona.
Ireo fakàna an-keriny tato ho ato, natao hatramin'ny nipoahan'ny Revolisiona Syriana dia nampimpongatra indray ny horohoro tsy miato sy nisarika indray ny saina ho amin'ny olan'ireo olona nanjavona tao Libanona.
Hita ao amin'ireo fakana an-keriny tato ho ato : ny an'ilay Syriana Shably al-Aisee avy ao Aley any Libanona tamin'ny herintaona (mbola tsy fantatra ny misy azy amin'izao); ny an'ireo mafàna fo Syriana telo izay nitlo-batana tamin'ireo manam-pahefana Syriana; ary ny an'ireo Libaney 11 tany avaratr'i Syria tamin'ny faran'ny volana May 2012.
Namaly ireny trangan-javatra ireny ireo mafàna fo mpiaro zon'olombelona tamin'ny alalan'ny fanoratana lahatsoratra tao amin'ny bilaoginy manokana sy ireo tranonkalan'ny tambajotra sosialy mba hanome tara-pahazavana vaovao mikasika ny olana ary miaraka miasa amin'ny komity misahana ireo olona tsy hita izay manao fampielezan-kevitra miaraka amin'ny fitaovana sy teknika vaovao eny amin'ny araben'i Libanona sy Syria ary koa eo amin'ny aterineto.
Ampahany amin'ny fandraisana anjara ho firaisankina amin'ilay fanentanana dia nanoratra [ar] ny fianakavian'ireo olona tsy hita sy nalaina an-keriny manao hoe: ‘hafatra ho an'i Widad Halmani : miaritra ny lelam-pintana ny maso‘ eo amin'ny bilaogin'ny “Accountability“, na ‘Fandraisana andraikitra’, gazetiboky anaty aterineto an'ny fampielezan-kevitra nasionaly ho fanenjehana ireo mpamono olona tamin'ny ady an-trano:
Nandeha tamin'ny fandaharana “special visit / Fitsidihana manokana” nalefan'i Al Jazeera ny resadresaka nifanaovana tamin'i Widad Halmani, izay nandinika ny volavolan-“dalàna momba ireo olona tsy hita sy nalaina an-keriny” izay arafitra amin'izao fotoana miaraka amin'ny rafi-piarahamonina sivily izay manantena fa holanian'ny manam-panjakana Libaney izy io.
Nanoratra toy izao i Nadine Bekdache eo amin'ny Twitter-ny [ar]:
Manohy miady ny zo hahafantatra ny nanjo ny zanany ireo fianakavian'ny niharam-boina, tsy ho an'ireo izay mbola velona fotsiny fa ihany koa ireo efa maty. Manohy miady ho fankatoavana ireo sisam-paty tamin'ny ady eny anivon'ny fiarahamonina amin'ny ankapobeny ihany koa izy ireo.
Nanoratra toy izao ny bilaogy “walls of Beirut” [ar]: