Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

11 Aogositra 2012

Tantara tamin'ny 11 Aogositra 2012

Libanona: Fifantohan-tsaina Ho Amin'ireo Olona Tsy Hita Sy Nalaina An-keriny

Ireo fakàna an-keriny tato ho ato, natao hatramin'ny nipoahan'ny Revolisiona Syriana dia nampimpongatra indray ny horohoro tsy miato sy nisarika indray ny saina ho amin'ny olan'ireo olona nanjavona tao Libanona.

Bangladesh, Etazonia : Hazakazaka Am-bisikileta 5000 Kilometatra Ho Fanairana Amin'ny Fiovaovan'ny Toetrandro

Amin'ity lohataona ity, mafana fo avy ao Bangladesh no mitondra bisikileta izay voizin'olon-droa mba hanangona sy handrefy ny habetsaky ny plastika sy ny fako hafa ho hitan'izy ireo mandritra ilay dia lavitr'ezaka 5000 kilaometatra ataon'izy ireo miainga ao Seattle mankany New York. Mitondra hafatra tsotra nefa mafonja izy ireo ny...

Indonezia: Mpilalao Diso Fotoana Tamin'ny Fanombohany Ny Lalao Olaimpka

Ilay Indoneziana vao handray anjara amin'ny Lalao Olaimpika 2012 any Londona dia nanjary adihevitra be satria diso fotoana ilay mpilalao tamin'ny fifaninanana tifitra. Notantarain'ilay mpilalao tao amin'ny kaontiny ao amin'ny Twitter io . Naneho ny hasorenany sy ny hazendanany tamin'io tranga io ireo mpiserasera anaty aterineto.

Ejipta: Maizina Ao Kairo

Hafa kely ny lohataona ao Ejipta tamin’ity. Iharan’ny fahatapahan-jiro sy rano miverimberina isan’andro ireo distrika samihafa tao anatin’izay volana vitsy izay. Ary amin’izany, mbola tsy nisy ny fanambarana mazava avy amin’ny manampahefana, fantatry ny olona ihany anefa hoe noho ny fampihenana ny  vesatry ny milina mpamokatra herinaratra no anton’ny  fahatapahan’ny...

Maoritania: Fahatsiarovana Ny Fanonganam-panjakana Voalohany Nataon'ny Miaramila Teo Amin'ny Firenena

Manamarika ny faha34 taonan'ny fanonganam-panjakana voalohany nataon'ny miaramila tany Maoritania ny 10 Jolay 2012, raha nanongana ny Filoha Moktar Ould Daddah ny miaramila. Mahatsiaro ny tsingerintaonan'ny fanonganana tamin'ny 1978 ireo mafana fo Maoritaniana, amin'ny alalan'ny fitorahana bilaogy sy bitsika mikasika izany, ary ny fanakianana ny lalàna miaramila any Maoritania.

Manomboka Mametraka Ny Toerany Amin'ilay Lalao Olaimpika Ao Londona i Amerika Afovoany

Herinandro taorian'ny fanokafana ny Lalao Olaimpika tao Londona, i Amerika Afovoany dia saika nahazo medaly iray kanefa nisy niavaka ihany. Vavolombelon'izany ireo tambajotra sosialy ary milazalaza amintsika ny mombamomba ny zava-bitan'ireo avy any Goatemalà, Honduras, ary Nikaragoa.