Tantara tamin'ny 10 Aogositra 2012
Shina: Nahazo Fanohanana Avy Ao Amin'ny Aterineto Ny Fandraràna Ny Fivarotana Tsy Ara-dalàna Ireo Vangin'elefanta
Nomen'ireo Sinoa mpampiasa aterineto tosika ny fanohanana ny fandraràna ny fivarotana an-tsokosoko eran-tany ny vangin'elefanta. Ny 2000 ka hatramin'ny 2011, raha Afrika Atsinanana no ivon'ny famoahana an-tsokosoko ireo vangin'elefanta, i Shina sy Thailand kosa no toerana goavana indrindra ivantanan'ireo vokatra azo avy amin'ireo vangy ireo.
Syria: “Izaho No Nitoraka Bitsika Voalohany Ny Fialàn'ny Praiministra Riad Hijab “
Nilaza ny Syriana iray mpampiasa Twitter fa izy no namoaka voalohany ilay vaovao mikasika ny fialàn'ny Praiminisitra Syriana Riad Farid Hijab herinandro lasa izay. Mitondra ny solon'anarana hoe @THE_47th io mpampiasa Twitter io ary fantatra ihany koa amin'ny fanambarany fialàna hafa talohan'ny nanambaràn'ny media mahazatra izany.
Porto Riko: Nahazo Medaly Alimo i Javier Culson
Nametraka tantara ilay atleta amin’ny Olaimpika Javier Culson (@JavierCulson) tamin’ny nandrombahany ny medaily sabamena (alimo) tamin’ny taranja hazakazaka 400 metatra misy fefy tamin’ny Lalao Olaimpika 2012 ao Londres. Ity no...
“Aza Matahotra Ny Aterineto”: Sary Iray NataoTamin'ny Solosaina

Efa nasehonay anao ny nahaverezan'ny Aterineto ny lanjany rehefa tsy misy fahalalahana miteny; sy ny fitakian'io zo io zavatra tsotra tahaka ny fisafidianana anaran-tsehatra. Izao dia atolotray ny sary iray vaovao vita tamin'ny solosaina avy amin'ny fanentananay #NoTemasaInternet [es] (Aza Matahotra Ny Aterineto) izay tianay hanehoana, amin'ny fomba tsotra sy manabe, ireo zavatra vitsivitsy azonao atao ao anaty Aterineto noho ny zonao amin'ny fahalalahana miteny.
Teny: Ireo Feo Mam Dizitaly Voalohany Indrindra

Any amin’ny Departemantan'i Quetzaltenango any Goatemalà, mbola mitana anjara toerana lehibe ao amin’ny fiainana ambanivohitra andavanandro ny teny sahala amin’ny K'iche' sy ny Mam. Hitan’ireo Tranombokin'ny Riecken, izay nametraka ny tetikasa Xela Civic Libraries, ny maha zava-dehibe ny fihazonana ireo tenin-janatany ireo. Mirotsaka anatinà sahan’asa hamelombelomana indray ny teny Mam ireo mpikambana ao anatin’ity tetikasa ity, anisan’izany ny fampiasana ny horonam-peo.
Iran : Nogadraina Ilay Mpitoraka Bilaogy Mpomba an’i Ahmadinejad
"Inona ary ity tontolo sy fitsarana misy antsika ity, nosamborina i Ahmad satria nanoratra sy nanohana ny filoham-pireneny." - Any am-ponja i Ahmad Shariat . Mpitoraka bilaogy mpomba an'i Ahmadinejad hafa ihany koa no nenjehan'ny biraon'ny mpampanoa lalàna noho ny fitsikeran'izy ireo ny mpiara-miasa amin'ny mpitarika fara-tampony, Ayatollah Ali Khamenei.
Hong Kong: Voatafika Ny Biraon'ny Fanaovan-Gazetin'Olon-tsotra

Ny 8 Aogositra 2012, lehilahy 4 nisaron-tava no niditra amboletra tao amin'ny biraon'ny vondron'ireo miaro ny fanaovan-gazetin'olon-tsotra ary namotika ireo solosaina fitaovam-piasàna tao [Fampahafantarana: mpikambana ao amin'izany ny mpanoratra ity lahatsoratra ity amin'ny teny Anglisy]