- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Frantsa : #harcelementderue, Ilay Tenifotra Mitantara Ny Fanaovana Zinona Ny Vehivavy Amin'ny Andavanandro

Sokajy: Belzika, Frantsa, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Vehivavy sy Miralenta, Zon'olombelona

Satria nalam-baraka sy nompain'ireo lehilahy teny an-dalamben'i Bruxelles ny tovovavy Belza iray mpianatra, Sofie Peeters  dia namokatra lahatsary iray tamin'ny alalan'ny fakàna sary miafina [1] [nl] mba hiampangana ny fanambaniana vehivavy ataon'ny lehilahy isan'andro an'ireo vehivavy mandeha irery eny an-dàlana eny. Ny sarimihetsika novokariny dia niteraka resa-be tao Belzika ary avy eo tao Frantsa. Eo ambanin'ny tenifototra #harcelementderue [2], (filam-baniny an-dalambe) mijoro vavolombelona amin'ny filam-baniny amin'ny fiteny sy ny resaka filan'ny nofo, ny ompa zakain'izy ireo eny an-dalambe ireo vehivavy Frantsay.

[3]

“Délivrez-moi du mâle” Afaho amin'ny Lehilahy (Ratsy) aho, kihetihety voaloko an'ilay mpanakanto frantsay MissTic, sary an'i xtof tao amin'ny Flickr, navoaka eo ambanin'ny Creative Common

 

Dom B. [4] ao anatin'ny lahatsorany  “Machisme ordinaire : non messieurs, dire “t'es bonne” n'est pas un compliment [5]” “Fanambaniana vehivavy tsotra: tsia ramose isany, tsy fandokafana mihitsy ny fitenenana hoe “manja ianao”  dia misaotra an'i Sofie Peeters noho ny adihevitra notairiny :

Ilay lahatsary fanadihadiana avy aminà vehivavy Belza iray mpianatra, nomeny lohateny hoe “Vehivavin'ny làlana [6]“, dia mampiseho amin'ny alàlan'ny fakàna sary miafina ny filam-baniny amin'ny filàna ara-nofo izay mahazo azy isan'andro. Avy aminy no nanainga indray ny adihevitra.

Ampahany avy amin'ny lahatsarin'i Sofie Peeters no aseho ato anatin'ity lahatsary nalefan'ny RTBF ity :

http://www.youtube.com/watch?v=hAWmv5LN06M [7]

Ilay bilaogera Sandrine  dia mampahatsiahy [8] fa ao Frantsa koa :

Ny filam-baniny an-dalambe dia azo lazaina ho zavatra iainana isan'andro ho an'ny vehivavy rehetra.

Ho porofo, ny fijoroana vavolombelona avy amin'ny vehivavy iray ao amin'ny gazetiboky anaty aterineto madmoizelle [9], izay itanisany ireo kiana sy tolo-kevitra mivantambantana ary ompa zakaina eny an-dalàmbe, dia niteraka “fankafizana” maherin'ny 10.000 tao amin'ny Facebook :

Niseho masoandro nony farany ny filam-baniny eny an-dalambe, na ny fikaotikaotiana no marina, hatramin'ny fanafintohinana am-bava ataon'olon-tsy fantatra.

Tsy takatr'ireo lehilahy mihitsy, na zara raha. Lehilahy frantsay iray mpikirakira aterineto mihitsy aza, @mathieuge [10], izay misalasala ihany toy ireo lehilahy maro manoloana ity resabe ity, no nitarika ny fahaterahan'ilay tenifototra #Harcelementderue tamin'ny alàlan'ity bitsika ity :

Fanamarihana ho an'ilay vehivavy belza voaompa teny an-dàlana fa tsy mbola nahita aho vehivavy na iray aza teto Frantsa nitaraina ho niharan'izany…… Mahatonga ahy hino fa mijanona ihany ho tranga tafahoatra sy miavaka io.

Nihetsika kosa @valerieCG [11] tamin'ny fandefasana antso ho fijoroana vavolombelona  :

@valerieCG [11] : “Raha toa ianao efa niharan'ny filam-baniny teny an-dalambe dia isaorana indrindra amin'ny fitenenana izany amin'ny alàlan'ny  #harcelementderue [12] mba hanehoana amin'i  @mathieuge [10] ny maha-zava-dehibe an'io tantara iray io.”

@Agnesleglise [13] nihiaka ny hoe :

@Agnesleglise [13] : “@valerieCG [14] @mathieuge [10] izay mbola tsy niharan'izany no aoka hiteny, haingankaingana kokoa angamba izay (raha hisy) #harcelementderue [12]

Ora roa taorian'ny nandefasana azy dia laharana faha-4 [15] tamn'ireo lohahevitra noresahana be tao amin'ny Twitter amin'ny teny Frantsay, ary mitohy miteraka  hatrany [16], herinandro iray aty aoriana, fijoroana vavolombelona miraradradraka, hatramin'ny lahatsoratra fampisaintsainana marobe [17].  Tsy maintsy tsipihana fa ao Frantsa, hatramin'ny raharaha DSK [18], mivaha ny vavan'ny vehivavy ary mitolona amin'ny alàlan'ireo tenifototra ao amin'ny Twitter, izay maka ny toeran'ny mpanentana, mandray ny faneva indray avy eo ireo mpampahalala vaovao nahazatra.

Ny fanehoan-kevitr'ireo lehilahy dia ahatsapàna fa tsy fantatr'izy ireo mihitsy ilay olana, araka ny anipihan'i  @cha_matou [19]azy :

Aza gaga ianareo hoe tsy resahana mihitsy ny #harcèlementderue [20] [rehefa mamaky ny ao amin'ny Twitter] :

- RT @El_Mehdiiii [21] “Inona koa ity tenifototra #HarcelementDeRue [22] ity, ny sasany mahita vehivavy manja, dia mba mitsapa ny vintany ry zareo. Voajanahary be izany ary samy manao izany daholo ny zava-mananaina. ” ET

- RT @LuneHolmes [23] ” misy ny hoe herisetra sy herisetra. Bandy iray mandalo eo akaikinao ary miteny hoe “salope”, tsy herisetra izany, miala tsiny.”

Ireo fanakianana manavaka ny lahy sy ny vavy (sexistes) na ireo manamaivana ilay olana dia naverin'ny olona amin'ny toerany, ohatra ny an'i  @Mel036 [24]  :

Ilay tsy misy saina tsy mahatakatra na inona na inona momba ny  #HarcelementDeRue [22] sy mino fa hoe sahiran-tsaina ny olona amin'ny fikaotikaotiany. Tsia, noho ireo ompa sy herisetra amin'ny teny …Ary izao koa zalahy a, zo ve ny mihevitra hoe tsy toeram-pihazàna ny arabe, natao hikaotiana izay sipa mandalo voalohany eo?

Dans la rue [25]

Kihetihety naao peta-drindrina “Dans la rue” – Sary an'i Yann Seitek ao amin'ny Flickr, navoaka eo ambany lisansa Creative Commons

Taorian'ireo fijoroana vavolombelona, nanjary seha-pifanakalozana fisaintsainana ny Twitter. Nahoana ny vehivavy no mizaka foana herisetra amin'ny teny sy voaompa eny an-dalambe? Valinteny iray ankoatra ireo hafa ny an'i @SexismAndTheCT [26] :

Ny # [12]harcelementderue [12] dia natao hampahatsiahivana ireo vehivavy “mandeha irery” fa zavatra toy ny fanaka izy ireny ary ny filaminan-tsainy dia tombony omena azy, fa tsy zo.

Bonnequestion [27] manolo-kevitra hoe :

Ka tsy fikaotiana anie izany e. Ireo lehilahy voakasika amin'izany mety tsy hanana eritreritra velively akory ny hoe hanana firaisana (ara-nofo na tsia) amin'io vehivavy io. Fanjakazakana tsotra izao izany, fiheverana hoe mora raisina ny vehivavy ary tsy olana ny manompa azy ireo.

Hanoherana ireo fanamarihana izay mampibaby an'ireo mpifindra-monina [28] ny ankamaroan'ireny ompa an-dalambe ireny, mampahatsiahy i @elodieesc [29] fa ny filam-baniny dia mahazo làka eny amin'ireo làlana be mpampiasa toy ireo tanàna manana ny hakantony sy ny fitateram-bahoaka iraisana :

# [12]harcelementderue [12] eo ireo bandy mba manome toky anao manoloana ireny zava-tsy maoty ireny eny ampovoan'i Neuilly, ny mpikitikitika ny lohalikao any anaty RER sy ny hafa tsy tsaroana …

@Oniromanie [30] manampy :

Singa iray kidaladala tanteraka : ireo mpivenjivenjy an-dalambe, dia ireo mahantra. Ny mpanankarena dia any anaty efitrano na any amin'ny Antenimiera[m-pirenena [31]] no mila vaniny / mikaoty.

Mamaly izany i Dom B. [4]  :

Anjaran'ireo mpahay fiarahamonina, filoazofy, mpanao politika, manampahaizana manokana no manadihady sy manazava izay anjara raisin'ny fivavahana [32], amin'ny vesatry ny fahasorenana momba ny firasana ara-nofo nentin'ireo fepetra fandraràna apetrany mba hiainana miaraka na ny fahasamihafàna ara-kolontsaina, miohatra amin'ny fikororosin'ny fanabeazana.

Raha ho an'i @Hans_Bod [33], tàkany amin'izay ny antony tsy itiavan'ny vehivavy ao Frantsa hokaotiana eny an-dalambe :

Isaorana ny # [12]harcelementderue [12] , takatro amin'izao fotoana ny antony rehefa miteny Arahaba aminà sipa iray tsy fantatro aho eto Frantsa, ny fahatsapako dia ny fiheverany ahy ho mitady hanolana azy.

Tonga indrindra ity resabe ity amin'ny fotoana izay nanamafisan'ny filohan'ny repoblika lalàna iray vaovao momba ny filam-baniny momba ny firaisana ara-nofo [34]. Ny 3 Aogositra, Najat Vallaud-Belkacem [35], Minisitra miahy ny zon'ny vehivavy ary mpitondra tenin'ny governemanta no nandefa ity bitsika [36] ity :

# [20]harcèlementderue [20]: hihatra na aiza na aiza ilay lalàna vaovao. Zava-dehibe ny fanalalahana ny fahafahan'ny vehivavy miteny. Ndao hihetska foana !

Mihetsika, tokony hitazona an'izay ny vehivavy Frantsay : ao amin'ny bilaogy Les Martiennes, fantatra fa tsy mipetrapetraka mihitsy ireo mpanavakavaka amin'ny maha-lahy na vavy [37] (sexiste), manontany tena i Crêpe Georgette [38] raha tsy maintsy asiana fampianarana manokana ho fanabeazana manohitra ny ‘sexistes’ hatrany amin'ny garabola [39], ary ny tranonkala Génération réactive [40] dia manandrana ny mandeha lavidavitra kokoa amin'ny fametrahana ity fanontaniana ity :

… ary raha toa tokoa moa « tomponandraikitra» amin'ny fivoizana ny tsy fitovian'ny lahy sy ny vavy vokatry ny fanabeazana tsy mitovy noraisiny hiampita mankany amin'ny zanany ny vehivavy  ? Tsy hilona intsony  fotsiny amin'ny fipetrahana ho iharany ary ny lehilahy tsy ho tomponandraikitra manontolo amin'izay tsy mety rehetra …