- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Sary Manan-tantara Ho Fankalazana Ny Fikomiana Tao Myanmar 1988

Sokajy: Myanmar (Birmania), Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Tantara

Manamarika ny faha 24 taona nitsingerenan'ny fikomiana goavana teo amin'ny tantara politikan'i Myanmar ny datin'ny 8 Aogositra 2012,  – ny Fihetsiketsehan'ny mpanohana ny demokrasia 1988 [1]. Na dia nankalaza izany tao anatin'ny fahanginana aza ny vahoaka tamin'ny taon-dasa ka tsy nahitana mpitarika avy amin'ny mpikatroka mpanohitra ny governemanta 88 generation (taranaka 88) [2] izany fankalazana izany, toa nahitana ireo mpitarika tamin'ny fikomiana kosa indray ny fankalaza tamin'ity taona ity, tahaka an'i Min Ko Naing [3], Ko Ko Gyi sy ny sisa.

Pejy Facebook fantatra amin'ny anarana hoe Myanmar Political Review (Fanavaozana ny Politikan'i Myanmar) [4] no natsangana tamin'ny volana Jolay ary nahangona olona maherin'ny 1,000 tao anatin'ny andro  vitsy, nizara sary vitsivitsy maromaro tamin'ny fikomiana 1988 ny pejy. Indreto sombiny amin'izany sary izany:

Crowd protesting during the 1988 uprising. [5]

Vahoaka nanao fihetsiketsehana nandritra ny fikomiana 1988. Sary: Facebook Myanmar Political Review.

Young primary/secondary students voicing out during the protest. Image by Myanmar Political Review on Facebook. [6]

Tanora mpianatra ambaratonga ambany/ambony mihirahira nandritra ny hetsika. Sary: Facebook Myanmar Political Review.

Police force from Yangon Airport joining the protest. Image by Myanmar Political Review on Facebook. [7]

Mpitandro ny filaminana avy any amin'ny seranam-piaramanidina  Yangon hamonjy ny fihetsiketsehana. Sary: Facebook Myanmar Political Review.

Government army troops during a clash with protestors. Image by Myanmar Political Review on Facebook. [8]

Tafiky ny Governemanta nandritra ny fifandonana tamin'ny mpanao fihetsiketsehana.  Sary: Facebook Myanmar Political Review.

Daw Aung San Suu Kyi giving a speech at Shwedagon pagoda in 1988. Image by Myanmar Political Review on Facebook. [9]

Daw Aung San Suu Kyi nikabary tao amin'ny Shwedagon pagoda ny taona 1988. Sary: Facebook Myanmar Political Review.

Min Ko Naing who was president of All Burma Federation of Student Union during the historical revolution. Image by Myanmar Political Review on Facebook. [10]

Min Ko Nain, filohan'ny Federasionin'ny sendikan'ny mpianatra Burma nandritra ny revolisionina manan-tantara. Sary: Myanmar Political Review, Facebook.

MFGhiphop nizara [11] lahatsary tao amin'ny YouTube, ahitana hira roa fahatsiarovana ny fikomiana tamin'ny taona 1988:

Tamin'ity taona ity,  nandefa [12] minisitra roa ny filohan'ny Myanmar Thein Sein  hamonjy ny fankalazana ao amin'ny monastera, toerana nankalazana ny fety fanomezana amin'ny andron'ny Bodista Full Moon sy Warso, ny Fikambanan'ny mpianatra 88 Generation no nikarakara ny fety tamin'ny 7 Aogositra.

Nanolotra fanomezana ho an'ny monastera sy ny Fikambanan'ny mpianatra 88 Generation ireo minisitra roa,  Minisitry ny  Indostria sy ny Minisitry Ny Fitaterana an-dalamby.

88 Generation Student Leader, Min Ko Naing accepting a donation from a government minister on 7 August, 2012. Image by 88 Generation Students Facebook page. [13]

Mpianatra mpitarika ao amin'ny 88 Generation, Min Ko Naing nandray ny fanomezana avy amin'ny governemanta tamin'ny 7 Aogositra 2012. Sary: pejy Facebook'ny mpianatra 88 Generation.

Maro ireo olom-pirenena Myanmar nankafy ny vaovao momba ny fiarahana mahafinaritra eo amin'ny mpanao politika ao amin'ny firenena sy ny mpikatroka.