Manamarika ny faha 24 taona nitsingerenan'ny fikomiana goavana teo amin'ny tantara politikan'i Myanmar ny datin'ny 8 Aogositra 2012, – ny Fihetsiketsehan'ny mpanohana ny demokrasia 1988. Na dia nankalaza izany tao anatin'ny fahanginana aza ny vahoaka tamin'ny taon-dasa ka tsy nahitana mpitarika avy amin'ny mpikatroka mpanohitra ny governemanta 88 generation (taranaka 88) izany fankalazana izany, toa nahitana ireo mpitarika tamin'ny fikomiana kosa indray ny fankalaza tamin'ity taona ity, tahaka an'i Min Ko Naing, Ko Ko Gyi sy ny sisa.
Pejy Facebook fantatra amin'ny anarana hoe Myanmar Political Review (Fanavaozana ny Politikan'i Myanmar) no natsangana tamin'ny volana Jolay ary nahangona olona maherin'ny 1,000 tao anatin'ny andro vitsy, nizara sary vitsivitsy maromaro tamin'ny fikomiana 1988 ny pejy. Indreto sombiny amin'izany sary izany:
MFGhiphop nizara lahatsary tao amin'ny YouTube, ahitana hira roa fahatsiarovana ny fikomiana tamin'ny taona 1988:
Tamin'ity taona ity, nandefa minisitra roa ny filohan'ny Myanmar Thein Sein hamonjy ny fankalazana ao amin'ny monastera, toerana nankalazana ny fety fanomezana amin'ny andron'ny Bodista Full Moon sy Warso, ny Fikambanan'ny mpianatra 88 Generation no nikarakara ny fety tamin'ny 7 Aogositra.
Nanolotra fanomezana ho an'ny monastera sy ny Fikambanan'ny mpianatra 88 Generation ireo minisitra roa, Minisitry ny Indostria sy ny Minisitry Ny Fitaterana an-dalamby.
Maro ireo olom-pirenena Myanmar nankafy ny vaovao momba ny fiarahana mahafinaritra eo amin'ny mpanao politika ao amin'ny firenena sy ny mpikatroka.