09 Aogositra 2012

Tantara tamin'ny 09 Aogositra 2012

Frantsa : #harcelementderue, Ilay Tenifotra Mitantara Ny Fanaovana Zinona Ny Vehivavy Amin'ny Andavanandro

  09 Aogositra 2012

Satria nalam-baraka sy nompain'ireo lehilahy teny an-dalamben'i Bruxelles ny tovovavy Belza iray mpianatra, Sofie Peeters dia namokatra lahatsary iray tamin'ny alalan'ny fakàna sary miafina [nl] mba hiampangana ny fanambaniana vehivavy ataon'ny lehilahy isan'andro an'ireo vehivavy mandeha irery eny an-dàlana eny. Ny sarimihetsika novokariny dia niteraka resa-be tao Belzika ary avy eo tao Frantsa. Eo ambanin'ny tenifototra #harcelementderue, (filam-baniny an-dalambe) mijoro vavolombelona amin'ny filam-baniny amin'ny fiteny sy ny resaka filan'ny nofo, ny ompa zakain'izy ireo eny an-dalambe ireo vehivavy Frantsay

Bolivia: Lahatsary Vaovao Fanentanana Hikendrena Ny Hanampiana Tosika Ny Fizahantany

  09 Aogositra 2012

Ny 'Bolivia Awaits You' (Miandry Anao i Bolivia) dia anarana fanentanana fampahafantarana iray natomboky ny governemantan'i Bolivia tsy ela akory izay. Araka ny governemanta ao Bolivia dia hampiasa vola 20 tapitrisa dolara Amerikana ato anatin'ny dimy taona ho avy izy mba hanomezana hery sy hampiroboroboana ny fizahantany, izay voalohany indrindra hanome tombony ireo vondrom-piarahamonina teratany.

Arzantina : Ny Kitra, Ny Amboara “Evita” Sy Ireo Fepetra Vaovao Hisorohana Herisetra

  09 Aogositra 2012

Mba hisorohana ny herisetra mandritra ny lalao baolina kitra dia nifanao sonia tamin'ny Fikambanana Baolina Kitra Arzantina ny filohan'i Arzantina Cristina Fernández de Kirchner mba hanaovana fanaraha-maso "biométrique" ireo mpijery eo am-pidirana ny faritry ny kianja. MAnolotra anarana vaovao koa izy hiantsoana ny faidiana izay ho Tompondaka Arzantina, ny Amboara Evita Capitana.

Tonizia: Niharan'ny Herisetran'ny Polisy Ilay Bilaogera Lina Ben Mhenni

Raha nikasa hanatrika fihetsiketsehana milamina tao andrenivohitry Tonizia ilay mpikatroka sady bilaogera Lina Ben Mhenni tamin'ny  5 Aogositra 2012 lasa teo, tsy noeritreretiny mihintsy fa hoavy hanao herisetra aminy ireo izay lazaina fa tokony hiaro ny lalàna sy ny filaminana [polisy]. Nanafika azy ny polisy 10 tamin'ireo. Tao amin'ny lahatsoratra bilaogy mitondra...

Syria: Fitsabahana Ara-tafika Sa Ady An-trano?

After the International Committee of the Red Cross announcement that it considers the conflict in Syria to be a full-blown civil war, Western media sites and bloggers launched a debate revealing the secrets of politics and war benefits of the global powers who are looking for their influence in the area. Rami Alhames tunes into the conversation

Sary Manan-tantara Ho Fankalazana Ny Fikomiana Tao Myanmar 1988

  09 Aogositra 2012

Manamarika ny faha 24 taona nitsingerenan'ny fikomiana goavana teo amin'ny tantara politikan'i Myanmar ny datin'ny 8 Aogositra 2012,  – ny Fihetsiketsehan'ny mpanohana ny demokrasia 1988. Na dia nankalaza izany tao anatin'ny fahanginana aza ny vahoaka tamin'ny taon-dasa ka tsy nahitana mpitarika avy amin'ny mpikatroka mpanohitra ny governemanta 88 generation (taranaka 88) izany fankalazana...

Ejypta: “Tsy Ny Vahoakan'i Sinai Rehetra No Mpampihorohoro”

Nisy ny lahatsoratra momba an'i Sinai androany taoriana ny ady notarihan'ny Tafika Ejyptiana tamin'ireo mpikatroka voarohirohy ho tao ambadiky ny fanafihana namoizana ain'olona tao amin'ny sisintanin'i Ejyptiana-Israelita, manampahefana 16 sy miaramila Ejypsiana maro no namoy ny ainy tamin'izany nandritra ny herinandro. Araka ny filazan'ny manampahefana Ejypsiana, miaramila 20 no namoy...