Qatar: Hafanam-pon'ny Mpianatra Hisian'ny “Cafeterias Sy Toeram-piantsonana Voatafo”

Fantatra amin'ny maha-ivon'ny hafanam-pon'ireo mpianatra ny Anjerimanontolo rehetra. i Qatari Esraa Al Meftah dia miresaka tsotra ataon'ny endrika hafanam-pon'ireo mpianatry ny anjerimanontolo Qatari amin'ny fitakiana “hanokafana fandraisana ody ambavafo “cafeterias” ao anatin'ny faritry ny fianarana sy fametrahana toeram-piantsonana voatafo eny amin'ny faritra natao ho an'ny mpianatra”

Anatinà andiana bitsika dia miteny i Al Meftah hoe:

من المفروض ان توفر الجامعات للطلبة وغير الطلبة مكان آمن للتعبير عن آرائهم.. مهما كانت تلك الآراء شاذة عن الرأي العام

..

@esra2qtr: Tokony hanome toerana azo antoka ho an'ny mpianatra sy ny hafa mba hanehoany ny heviny ireo Anjerimanontolo, na dia betsaka amin'ireny fanehoan-kevitra ireny aza no notsoahana avy amin'ny fanehoan-kevitry ny daholobe

Ohatra iray avy amin'ny hetsiky ny mpianatra tao amin'ny American University of Beirut(AUB) tamin'ny 1969 no omeny. Hoy izy :

صور من الحراك الطلابي في الجامعة الامريكية في بيروت في ١٩٦٩.. وضم ذلك الحراك اقتحام المباني وإضرابات عن الطعام pic.twitter.com/PVXF0Bkl


@esra2qtr
: Ireto dia sary avy amin'ny hetsiky ny mpianatra tao amin'ny Anjerimanontolo Amerikana tao Beirut in tamin'ny 1969… izany hetsika izany dia nahitàna fitsofohan an-keriny tao anatin'ireo tranobe sy fikononana tsy hihinan-kanina
Photographs shared by Al Meftah on Twitter showing student activism at the AUB in 1969

Saripika nozarain'i Al Meftah tao amin'ny Twitter maneho ny hafanam-pon'ireo mpianatra tao amin'ny AUB tamin'ny 1969. Hita eto ireo mpianatra mitokona tsy hisakafo (ery ambony) ary ireo mpianatra manao fihetsiketsehana (eto ambany)

Nambarany fa nezahan'ny anjerimanontolo natelina tamin'ny alàlan'ny fanomezana fahafahana maneho hevitra misimisy kokoa ny hatezeran'ireo mpianatra, tamin'ny fametrahana Zoron'ny Mpandray Fitenenana, izay nahafahana niady hevitra sy nitafatafa momba ny toeram-pianarana.

Manampy bebe kokoa izy :

والحراك الطلابي في الجامعة لم يكن متعلق بالأمور الداخلية فقط.. بل كان غالبا حراك مسيس ومطالبه سياسية..
@esra2qtr: Ny hetsiky ny mpianatra tao amin'ny toeram-pianarana dia tsy noferana ho izay mifandraika amin'ny anjerimanontolo fotsiny. MAtetika ny hetsiky ny mpianatra no natosiky ny politika ary nisy fitakiana politika.

Raha hiveranana ny ankehitriny, Meftah manamarika hoe :

هذه الايام وللأسف، هم الطلاب لايتعدى النطالبة بفتح قهوة في المبنى الفلاني.. ونصب مظلات في الباركنج الفلاني..
@esra2qtr: Amin'izao fotoana dia mampalahelo fa tsy mihoatra ny fitakiana hanokafana toerana fandraisana ody ambavafo ao amin'io tranobe io na fametrahana toeram-piantsonana voatafo eny amin'izany faritra natao ho azy izany ny fitakian'ireo mpianatra

Manampy izy :

وبالرغم من بساطة المطالب مازالت الجامعة تراقب الطلاب وتخاف ان تعطيهم اي مساحة للتحدث بحرية عن هذه المواضيع بل حتى المواقع الاجتماعية مراقبة!

@esra2qtr:
Na teo aza ireo fangatahana tsotra ireo, manohy ny fanaraha-maso ireo mpianatra ny anjerimanontolo ary matahotra ny hanome azy ireo fotoana hahafahan-dry zareo maneho hevitra an-kahalalahana mikasika ireny olana ireny. Na ny fampahalalam-baovao sosialy koa aza dia araha-maso !

Ho famintinana, miteny i Meftah hoe :

وللأسف هذه المؤسسة التي يفترض ان تكون محرك التغيير في المجتمع ليست الا انعكاس لمؤسسات الدولة.


@esra2qtr
: Mampalahelo ny hoe ity sampam-pianarana ity, izay heverina ho hery manosika ny fiovan'ny fiarahamonina, dia tsy hafa fa fitaratra mampita  ny endriky ny andrim-panjakana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.