- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Filipina: Tondra-drano Tao Metro Manila.

Sokajy: Azia Atsinanana, Filipina, Mediam-bahoaka, Saripika, Vaovao Mafana, Voina, Vonjy Voina

Niteraka tondra-drano ny orambe mivatravatra tao amin’ny faritra maro ao Metro Manila sy tao amin’ny faritany akaikin’I Nosy Luzon, ao Filipina. Metro Manila, tanàn-dehibe  ao an-drenivohitry ny firenena, izay ahitana tanàna sy kaominina 17. Nanapa-kevitra ny goveremanta fa hatsahatra aloha ny fampianarana sy ny asa na ny an’ny fanjakana izany na ny tsy miankina. Mampiseho ny fihanaky ny tondra-drano manerana ny tanàna ireto sary eto ambany ireto, sary tao amin’ny Facebook avokoa ny ankamaroany ary tao amin’ny Twitter,  mety mbola hiharatsy ny toe-javatra satria mbola mikija hatrany ny orana hatramin’izao ora handroatana ny lahatsoratra izao

[1]

Orambe tao Metro Manila  sy faritany 9 hafa. Sary avy tamin'ny governemantan'i Filipina tao amin'ny pejy Facebook

[2]

Saritany hafa mampiseho ireo faritra tratran'ny orambe sy ny tondra-drano. Sary tao amin'ny pejy Facebookn'i Nadja De Vera

[3]

Rahona mainty ao an-tanàn-dehiben'i Manila. Sary tao amin'ny   pejy Facebook-n'i Lorrelyn Ocampo

[4]

Tondra-drano ao amin'ny Oniversite Katolika  tranainy indrindra ao Azia. Sary tao amin'ny pejy Facebook-n'i  Aquitania Austria

[5]

Tondra-drano tao an-tanànan'i Marikina. Sary Facebook-n’ i Dave LLavanes Jr

[6]

Sarinà tondra-drano tao Marikina. Andrin-jiro avokoa ireo tazana ireo. Sary tao amin'ny pejy Facebook-n'i Chris Velasco

[7]

Renirano mihoatra ao Montalban, Rizal, ao antsinanan'i Manila. Sary Facebook-n'i Maria Fema Duterte

[8]

Tondra-drano ao Morayta, tanàna akaiky ny faritry ny oniversite. Sary Facebook-n'i AiRon Sulit

[9]

Tondra-drano ao an-tanànan'i San Juan. Sary tao amin'ny pejy Twitter-n'i @michelleorosa

[10]

Tondra-drano ao Ayala Underpass, ao  amin'ny distrikan'ny toekarena ao afovoan-tanàna. Sary tao amin'ny pejy Facebook n'i Joel Garzota Vmobile

[11]

Tondra-drano ao Bacoor, Cavite ao atsimon'i Manila. Sary tao amin'ny pejy Facebook-n'i ASAP XV

[12]

Tondra-drano ao Bocaue, Bulacan ao avaratry Manila. Sary tao amin'ny pejy Facebook n'i Almond Andres

Namoaka ny lisitr’ireo faritra tratran’ny tondra-drano [13] ao Metro Manila ny governemanta. Misy ireo lisitra mampiseho ireo arabe [14] difotry ny rano tanteraka. Nandefa lisitra misy ny toeram-pialofana [15]  sy ny toeram-pitsaboana ao an-tanàna ihany koa ireo vondronja fampahalalam-baovao.

Nampiasa tenifototra #rescueph [16] sy #prayforthephilippines [17]  ny mpisera Twitter mba hampahafatantra ny zava-misy. Ireto ambany ireto ny sioka avy amin’ireo mpanao gazety izay nitatitra ny loza momba ny tondra-drano.

@katray [18] Ry namana fampahalalam-baovao, ankasitrahanay  indrindra ny asa ataonareo. Iriko mba tsy ho tratran’ny todra-drano ny mpanao gazety. Raha tsy izany, mino aho fa ho voaharo izy ireo. Tandremo, ry namana. 😉

Diso fanantenana tamin’ny  fanapahan-kevitra efa tara [19]  noraisin’ny filoha I Carl Ramota:

Ry governemantan’i Aquino hajaina, tokony nivory ianareo tamin’ny alina na androany  vao maraimbe. Tsy te hahitanareo miaraka amin’ny  fitafy tsy tantera-drano na akanjo mafana izahay ao amin’ny efi-pivoriana, miresaka momba ny zavatra efa fantatray na efa iainanay ankehitriny. Jereo ny zava-misy ary topazo maso sy diniho ireo faritra tratran’ny todra-drano. Mandehana eny amin’ny toeram-pitsaboana ary hizarao fanampiana ireo tsy manan-kialofana. Manaova zavatra! Aza mipetra-potsiny sy be resaka! Tokony handray andraikitra ny mpitondra.

Carlo Ople nanamarika ny  andraikitry ny fampahalalam-baovao antserasera [20] amin’ny  fanentanana  ataony manoloana ny todra-drano:

Raha vao nihanaka ny tondra-drano, nanomboka naka sary ny nandrakitra izany tamin’ny Facebook sy Twitter ny olona. Nanomboka nizara sary ny tambazotran’izy ireo ary nozaraina hatrany hatrany izany sary izany mandram-palaza azy tao amin’ny tambazotran-tserasera.  Mampiseho ny faharatsian’ny  toe-draharaha  ireo sary.