- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Lahatsary: ‘Zon'Olombelona Tsy Misy Hatak'andro!’ Fanentanana Natomboka Ao Costa Rica

Sokajy: Amerika Latina, Costa Rica, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona

Tamin'ny Zoma 3 Aogositra lasa teo, ny vondrona Citizens for Human Rights [1] [es] (Olom-pirenena Miaro ny Zon'Olombelona) dia nanomboka fanentanana “Human Rights Now!” (Zon'olombelona Tsy misy hatak'andro!), ka tanatin'izany no nanaovan'ireo olo-malaza samihafa avo ao Costa Rica antso ny amin'ny filàna ny fiantohan'ny fanjakàna ny zon'olombeona ho an'ny olon-drehetra.

Araka ny nambaran'ireo famoahana an-gazety [2] [es] , ity fanentanana ity dia manatevin-daharana ny hetsika goavana iray [3] ao Costa Rica izay nitombo noho ny fitavozavozàn'ireo manampahefana ara-politika amin'ny fanomezana vahaolana mahafa-po amin'ireo fanitsakitsahana ireny zo ireny mitohy tsy mitsahatra.

Fifanambadian'ny olona mitovy, zo ara-piraisana sy ara-pananahana ho an'ny vehivavy, fitondràna laika (tsy itsabahan'ny resa-pinoana), ary fanesorana an'i Justo Orozco amin'ny toeran'ny filohan'ny Kaomisiona momba Ny Zon'Olombelona, ireo ny sasany amin'ny olana izay natsofok'ilay vondrona ho ao anatin'ilay lahatsary.