Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Lahatsary: ‘Zon'Olombelona Tsy Misy Hatak'andro!’ Fanentanana Natomboka Ao Costa Rica

Tamin'ny Zoma 3 Aogositra lasa teo, ny vondrona Citizens for Human Rights [es] (Olom-pirenena Miaro ny Zon'Olombelona) dia nanomboka fanentanana “Human Rights Now!” (Zon'olombelona Tsy misy hatak'andro!), ka tanatin'izany no nanaovan'ireo olo-malaza samihafa avo ao Costa Rica antso ny amin'ny filàna ny fiantohan'ny fanjakàna ny zon'olombeona ho an'ny olon-drehetra.

Araka ny nambaran'ireo famoahana an-gazety [es] , ity fanentanana ity dia manatevin-daharana ny hetsika goavana iray ao Costa Rica izay nitombo noho ny fitavozavozàn'ireo manampahefana ara-politika amin'ny fanomezana vahaolana mahafa-po amin'ireo fanitsakitsahana ireny zo ireny mitohy tsy mitsahatra.

Fifanambadian'ny olona mitovy, zo ara-piraisana sy ara-pananahana ho an'ny vehivavy, fitondràna laika (tsy itsabahan'ny resa-pinoana), ary fanesorana an'i Justo Orozco amin'ny toeran'ny filohan'ny Kaomisiona momba Ny Zon'Olombelona, ireo ny sasany amin'ny olana izay natsofok'ilay vondrona ho ao anatin'ilay lahatsary.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.