Fifaninanana Ethiopiana/Kenyana: Norombahin'ny Mpihazakazaka Dibaba Ny Voninahitra Faratampony

Misy ireo mpifaninana manokana mandritra ny lalao olaimpika, ka ny iray amin'ny malaza indrindra dia ny fifaninanana eo amin'ny Ethiopiana sy ny Kenyana. Noporofoin'ilay mpihazakazaka lavitr'ezaka Ethiopiana Tirunesh Dibaba fa tsy naningana tamin'ny mahazatra ny lalaon'i Londres. Nitari-dalana ireo Kenyana roa nandritra ny fiodikodinana farany izy nandritra ny famaranana hazakazaka 10000 metatra vehivavy ny Asabotsy 4 Aogositra 2012, nitsoriaka nandrombaka ny [medaily] volamena i Dibaba avy eo.

Indreto ny santionany tamin'ny fanehoan-kevitra hita tao amin'ny Twitter (tenifototra #Dibaba):

@llucyleo: This shows the strength of the African woman

Izao no maneho ny tanjaky ny vehivavy Afrikana

@justAylak: “Dibaba is the best female distance runner of all time”! The #Bolt of ladies. Go Ethiopia on that one!

Dibaba no mpihazakazaka lavitr'ezaka vehivavy tsara indrindra nandritra ny fotoana rehetra

@iddsalim: Once we rise above colonial boundaries, we realize that #dibaba victory was a win for Africa. #oneafrica

Vao misandratra mihoatra ny fefin'ny fanjanahantany isika dia hitantsika fa fandresena ho an'i Afrika ny fandresen'i #dibaba

Niteny toy izao ny namany Ethiopiana mpihazakazaka lavitr'ezaka nanana ny tantarany Kenenisa Bekele:

@KenenisaBekele: Fit and ready to defend the 10K gold in #London2012. Inspired by yesterday’s amazing finish by teammate #tirunesh #dibaba

Mety sy vonona hiaro ny volamena 10 000 any Londres. Nahazo ainga avy amin'ny fomba famaranana nataon'ilay mpiray ekipa Tirunesh Dibaba nahavalalanina omaly

Tsy maintsy niresaka momba ny zava-bitan'i Dibaba nandritra ny lalao olaimpika ny bilaogera:

Pana-TV blog:

…And the race has begun. Three Africans claimed the medals at the Women’s 10,000m. Tirunesh Dibaba of Ethiopia retained her Olympic title and won the gold medal, leaving Kenyans, Jepkosgei Kipyego and Vivian Jepkemoi Cheruiyot, to take the silver and bronze medals respectively

Ary nanomboka ny hazakazaka. Afrikana telo no nahazo ny medaily teo amin'ny 10 000m vehivavy. Tirunesh Dibaba avy ao Ethiopia no nitazona ny voninahitra olaimpika ary nahazo ny medaily volamena, ka navelany ho an'ny Kenyana Jepkosgei Kipyego sy Vivian Jepkemoi Cheruiyot ny volafotsy sy halimo.

Dr. Adewusi Thinks miresaka momba ny zava-bitany mahavalalanina:

 Ethiopia’s Tirunesh Dibaba held on to her Olympic 10,000m title in stunning style at the Olympic stadium tonight. The 27-year old, who won the distance double at the Beijing 2008 Games, saw off Kenya’s Sally Kipyego and Vivian Cheruiyot with a final-lap burst to win by more than five seconds. Dibaba’s time was a season’s best 30:20:75 with Kipyego taking the silver in 30:26:37 and world champion Cheruiyot bronze in 30:30:44.

Tsy misy azo anoharana ny fomba nahazoan'ilay Ethiopiana Tirunesh Dibaba ny Olaimpika 10.000m teo an-kianja androany alina.  Narian'ilay 27 taona, izay efa nahazo ny fandresena tamin'ny halavirana indroa avo heny tany amin'ny Lalaon'i Beijing 2008 ireo Kenyana Sally Kipyego sy Vivian Cheruiyot, teo amin'ny fihodinana farany nitroarany ka nanalavirany mihoatra ny dimy segondra ny manaraka azy. Ny zavabitan'i Dibaba tsara indrindra tamin'ity vanim-potoana ity dia 30:20:75 raha ny an'i Kipyego nandray ny volafotsy no 30:26:37 ary ny an'ilay tompondaka erantany nahazo halimo Cheruiyot tao anatin'ny 30:30:44

EthioSports.com nanome voninahitra ity mpanjakavavin'ny hazakazaka lavitr'ezaka ity:

Tirunesh Dibaba of Ethiopia won her third Olympic gold medal Friday at the London Games, easily defending her title in the women’s 10,000 meters. The distance race closed out the first day of track and field action at Olympic Stadium and Dibaba ended the night in style

Nandrombaka ny medaily fahatelo tamina lalao olaimpika i Tirunesh Dibaba avy ao Ethiopia tamin'i Zoma tao amin'ny lalaon'i Londres, ary mora ny niarovany ny voninahiny teo amin'ny 10.000m vehivavy. Ny hazakazaka lavitr'ezaka no namarana ny andro voalohany amin'ity andiany ity ary nofaranan'i Dibava tao amin'ny kianja olaimpika tamin'ny fomba miavaka ny alina.

Nitatitra ny Get, Set, Match…Egypt:

Ethiopia's Tirunesh Dibaba defended her gold medal in the 10,000m race with a stunning last lap where she blew away her competition. It was a no contest really in the end and the 27-year-old has captured the first running medal of London 2012

Niaro ny medaily volamenany eo amin'ny hazakazaka 10.000m teo amin'ny fihodinana farany ilay Ethiopiana Tirunesh Dibaba ka noravainy ny fifaninanana. Tsy dia nisy fifaninanana loatra teo amin'ny farany ary nopihan'ilay 27 taona ny medaily volamenan'ny hazakazaka voalohany mandritra ny Londres 2012

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.