Afrika Atsimo: Mankalaza Ny Medaly Volamena Voalohany Tao Anatin'ny 8 Taona Ny Mpiserasera Amin'ny Aterineto

Ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay amin'ny Lalao Olympika 2012 any Londona  ity.

Fankasitrahana no azon'ilay mpilomano Afrikana Tatsimo Cameron van der Burgh izay nandrombaka ny medaly volamena voalohany ho an'i Afrika Atsimo taorian'ny faharesena nahamenatra ny firenena tamin'ny lalao olympika 2008  tany Beijing. Azony ny medaly volamena tamin'ny Alahady teo rehefa nandresy tamin'ny 100m savarano, na ‘brasse’ sy nanamontsana fotoana tsara indrindra eran-tany ho 58.46 segondra. Izy no mpilomano Afrikana Tatsimo lehilahy voalohany nahazo ny medaly volamena. Izany no nahazoany anaram-bositra hoe ‘Golden Boy’ na ‘Zazalahy Volamena’ sy nalaza tamin'ny Twitter.

Ny Voice of the Cape FM na ny feon'ny Cape FM mitantara ny fandreseny:

Hafaliana nanerana an'i Afrika Atsimo tamin'ny Alahady hariva rehefa nandrombaka ny medaly volamena voalohany ho an'ny firenena amin'ny lalao Olympika 2012 atao any Londona ilay mpilomano Cameron van der Burgh, tsy nandresy tamin'ny famaranana lomano  100m ‘brasse’ fotsiny  fa mbola nanamontsana ny zava-bita tsara indrindra eran-tany ihany koa.

Niditra tao amin'ny Twitter i Cameron naneho ny hafaliany :

@Cameronvdburgh: Tompon-daka Olaimpika aho ! 🙂 manaja ny bitsikareo. Fihetseham-po safononoka ! toy ny hoe efa azoko ny fiainako rehetra nefa  http://instagr.am/p/Nsg12grbC3/

Tompndaka Olaimpika aho Sary avy amin'i  @Cameronvdburgh

Nataon'ny gazety Afrikana Tatsimo maro lohateny lehibe io tantara io:


Fanehoan-kevitra avy amin'ny tontolon'ny bilaogy Afrikana Tatsimo :

Jason Von Berg mitantara ny fotoana niarahany niasa taminy :

Nanana tombony aho tamin'ny nifaneraserako tamin'i Cameron sy niarahako niasa taminy tamin'ny tetikasa vitsivitsy ao amin'ny tena hainy toy ny masoivohon'ny Audi ary mamelà ahy  ianareo hiteny fa izy dia iray amin'ireo bandy mahafinaritra manodidina ahy.  TENA TSARA Cammy ilay trondro !

HURRICANEVANESSA tsy naharitra nandefa sarin'i Cameron :

Hitantsika eto ny talentan’ Atoa Cameron van der Burgh, vao haingana. Nahazo ny Medaly Volamenan'ny Fiboridanana ho an'ny Issue Nacked 2011 an'i Marie Claire izy eto.

Ao anatin'ny fanampiana ireo alika kely mpirenireny very fa hita indray io.


Fanehoan-kevitra avy amin'ny tontolon'ny
 Twitter avy any Afrika Atsimo :

@PebblesProject: @Cameronvdburgh Ianao no mahery fonay. Ny firenena iray manontolo dia mirehareha noho ianao.

@swanniem: @Cameronvdburgh ireharehanay ny fanànana anao halina ary ny volamena no lokonao

@verashni: Tiako hamafisina fa Cameron van der Burgh dia avy any Pretoria. Marina zany, ny tanàna misy ahy. Ilay iray izay ihomehezan'ny Afrikana Tatsimo mandakariva…..

@Abramjee: Tena tsara Cameron Van Der Burgh. Nataonao nirehareha Afrika Atsimo. Medaly voalohany ho antsika ! Azontsika ny Volamena. @Team_SA_2012 @OlympicsSA @lead_sa @rykneethling

@djcleo1: AFRIKA ATSIMO  nahazo ny medaly volamena tamin'ny  LALAO OLAIMPIKA CAMERON VAN DER BURGH sady nanamontsana ny fotoana tsara indrindra vita eran-tany  #ProudSouthAfrican


Ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay amin'ny Lalao Olympika 2012 atao any Londona  ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.