- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Indonezia: “Jokowi Mifaninana amin'i Foke” Amin'ny Fifidianana Governora Ao Jakarta

Sokajy: Azia Atsinanana, Indonezia, Fifidianana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika

Joko Widodo no nandresy [1] tamin’ ny fihodinana voalohany tao Jakarta, amin'ny fifidianana governoran'i Indonezia, ka manatombo sivy isan-jato noho ny governora amperinasa Fauzi Bowo [2]. Nalaza i Joko noho ny naha ben'ny tanànan'i Solo azy izay, tanàna ao afovoan'ny faritanin'i Java. Nandritra ny fe-potoa-piasany, nanjary mpandala ny tontolo iainana, mora mandray namana ary manaja ny maha olombelona ny tanàna. Nanjary “Jokowi vs Foke” ankehitriny ny fiantso ny fifidianana, satria samy olo-malaza izy roa ireo.

Nahitana olana [3] toy ny fandrahonana, ny fanaovana fampielezan-kevitra tsy ara-dalàna, fampitaovana hafahafa, ary fizarana vola ambadika politika andritra ny andron'ny fifidianana..

[4]

Governoran'i Jakarta Fauzi Bowo. Sarin'i Henrikus Suparjono tao amin'nyWikimedia

Nanjakan'ny vaovao momba ny fifidianana ny tao amin'ny Twitter. Nizara [5] tamim-pivitrihana ny hevitr'izy ireo momba ny kandidà nofidiany ny mpiserasera. Taorian'ny androm-pifidianana, mbola nitohy ny adihevitra satria efa saiky fantatra fa mbola hisy fifidianana ao Jakarta ka i Joko sy Fauzi sisa no kandidà tavela. Efa hita mazava ihany koa ny fahatezeran'ny mpiserasera mikasika fomba fitantanan'i Fauzi ny tanàna. Tsy mba misafidy ny hanatrika ny adihevitry ny vahoaka akory i Fauzi na dia minitra vitsy aza. Ary i Fauzi anefa no olona voalohany omena tsiny amin'izay olana rehetra mitranga ao Jakarta, toy ny fitohanana, ny tondra-drano, ny fihanaky ny tsenam-barotra tafahoatra, ary ny faharatsian'ny rafi-pitateram-bahoaka.

@arisshaquilla [6] Governora mahavita an'arivony tsaratsara kokoa i Jokowi noho i Fauzi Bowo. Satria tsy mila mpitondra miavonavona izahay #justsaying

@arisharp [7] Hanohana an'i Joko Widodo avokoa ny ankamaroan'ireo kandida nihintsana na izy rehetra mihitsy amin'ny fifidianana fihodinana faharoa, ka hita sahady fa ho very i Fauzi Bowo

Bilaogy, Ismail Solichin namoaka hoe:

Jakarta sepertinya sudah memutuskan pilihan. Fauzi Bowo (FB) sudah tidak bisa lagi “dijual” kembali pada putaran kedua nanti. Hanya mukjizat yang bisa memulangkan Joko Widodo ke Solo…

…Bahasa batin masyarakat sudah tidak bisa dibendung lagi, mereka menghendaki kepemimpinan baru yang menghendaki Jakarta lebih memperhatikan kepentingan rakyat ketimbang kepentingan korporat yang disimbolkan dengan kehadiran mal-mal dan mini market-mini market  yang terbukti melindas dan meminggirkan para pedagang kecil dan tradisional…

…Tentu bukan hanya persoalan pasar tradisional saja, juga persoalan kemacetan, banjir, penataan perumahan dan lingkungan serta seabreg masalah lainnya.

Efa nandray fanapaha-kevitra i Jakarta. Tsy azo “amidy” i Fauzi Bowo amin'ny fifaninanana. Fahagagana ihany no mety hampiverina an'i Joko Widodo ao Solo…

…Tsy azo afenina na tazonina ny fanirian'ny vahoaka, mila mpitondra vaovao hitantana an'i Jakarta izy ireo, izay mijery akaiky ny vahoaka fa tsy ny tombotsoan'ny orinasa, toy ny firijarijan'ny tranom-barotra sy ny tsena kely maoderina izay manimba ny tsena ao an-toerana sy ny fivarotana netim-paharazana…

…Eny, tsy mikasika ny tsena ihany, fa ny fitohanana, ny tondra-drano, ny fonenana manokana, ny tontolo iainana ary ny olana marobe hafa ihany koa.

Kandidà mitarika Jokowi Widodo

Miarahaba ny fahatongavan'ny fifaninanana, nanambara ny vahoaka fa nahazo fampielezan-kevitra hafahafa manaratsy an'i Joko. Naparitak'olona tsy fantatra anarana tamin'ny alalan'ny finday Blackberry ny fampielezan-kevitra milaza momba ny finoana sy ny resaka foko, izay nipoitra [8] alohan'ny andron'ny fifidianana. Karazana fanosehana/famporisihana ny Indoneziana hifidy ny olana lehibe tahaka izany.

Mpiserasera, Joel Picard nilaza hoe:

@sociotalker [9] 5 tahun lalu Foke menendang isu SARA dg slogannya “jakarta utk semua”. Sekarang SARA jadi kawan akrab Foke demi kekuasaan.

@sociotalker [9]: Dimy taona lasa izay, tsy noraharahian'i Foke  ny olàna lehibe niaraka tamin'ny teny filamatrany hoe, “Jakarta ho an'ny rehetra”. Ankehitriny, nanjary fitaovam-piadiana ho fiarovana ny fahefana izany.

Mpiserasera hafa, Ahmad Fawzy, nangataka ireo mpifaninana mba hanao toy ny olon-kendry fa tsy hampiasa fampielezan-kevitra diso tahaka izany amin'ny fifaninanana.

@bedahplastik [10] Jokowi + Foke = JOKE (VAZIVAZY). Tokony samy hikarakara ny fihodinana faharoa izy ireo, tsy mila mody mitomany & mitaraina tahaka ny ankizy miady vatomamy.

Fantatra fa amin'ny 20 Septambra hoavy izao no hotontosaina ny tohin'ny fifidianana.