Tantara tamin'ny 05 Aogositra 2012
Gòatemala: Zon'Olombelona Ny Fidirana Aterineto
Ao ambanivohitra indizèny ao Santiago Atitlan, nosokajiana anatin’ny “zon’olombelona” ny fidirana amin’ny aterineto araka ny fanambarana nataon’ny mponina sy ny manam-pahefana ao an-toerana. Nametraka drafitra ihany koa ny manampahefana amin’ny fametrahana...
Fifaninanana Ethiopiana/Kenyana: Norombahin'ny Mpihazakazaka Dibaba Ny Voninahitra Faratampony
Misy ireo mpifaninana manokana mandritra ny lalao olaimpika, ka ny iray amin'ny malaza indrindra dia ny fifaninanana eo amin'ny Ethiopiana sy ny Kenyana. Noporofoin'ilay mpihazakazaka lavitr'ezaka Ethiopiana Tirunesh Dibaba fa...
Maoritania: Mpiasa Mpitrandraka Arintany Manohitra Ny ‘Karazana Fanandevozana Vaovao’
Maherin'ny 2.300 ireo mpiasa nanao hetsi-panoherana tao amin'ny tanànan'ire mpitrandraka ao Zouerat, izay nitondra hatrany amin'ny fiatoan'ireo toeram-pitrandrahan'ny Orinasa National Mining and Industrial Company (SNIM Société nationale industrielle et minière [fr]) efa ho am-polony fanampin'ny fikorontanan'ny asa tany an-toeran-kafa. Ny ivon'ny fitakian-dry zareo dia manodidina ny olan'ny karama.
Afrika Atsimo: Mankalaza Ny Medaly Volamena Voalohany Tao Anatin'ny 8 Taona Ny Mpiserasera Amin'ny Aterineto
Fankasitrahana no azon'ilay mpilomano Afrikana Tatsimo Cameron van der Burgh izay nandrombaka ny medaly volamena voalohany ho an'i Afrika Atsimo taorian'ny faharesen'ny firenena nahamenatra tamin'ny Lalao Olympika 2008 tany Beijing. Azony ny medaly volamena tamin'ny Alahady rehefa nandresy tamin'ny 100m savarano (brasse) sy nanamontsana ny zava-bita tsara indrindra eran-tany ho 58.46 segondra izy. Izy ihany koa no mpilomano Afrikana Tatsimo lehilahy voalohany nahazo medaly volamena.
Nizeria: Filohan'ny Loholona Mitaky Sivana Amin'ny Haino Aman-jery Sosialy
Nanome toro-marika vaovao hamehezana ny haino aman-jery sosialy ao amin'ny firenena ny filohan'ny Loholon'i Nizeria David Mark. Mpiserasera maro amin'ny aterineto no nandray io heviny io ho famakiana ady amin'ny tranonkala Nizeriana.
Okraina, Rosia: Resabe Momba Ny Toerana Nahaterahan'Ireo Mpifaninana Amin'ny Lalao Olaimpika

Tsara, fa tsy loharanom-baovao iray tena azo iankinana momba ireo mpikambana ao anatin'ny ekipa Rosiana teraka tany ivelany ny vohikala ofisialin'ny Lalao Olaimpika 2012 ao Londona. Nangataka fanitsiana, nanomboka fanentanana fanoherana amin'ny alalan'ny fanoratana taratasy ireo Okrainiana mpampiasa aterineto, ary na ny Minisitry ny Raharaham-bahiny aza dia tafiditra anatin'izany tamin'ny alalan'ny Twitter.
Indonezia: “Jokowi Mifaninana amin'i Foke” Amin'ny Fifidianana Governora Ao Jakarta
Joko Widodo no nandresy tamin’ ny fihodinana voalohany tao Jakarta, amin'ny fifidianana governoran'i Indonezia, ka manatombo sivy isan-jato noho ny governora amperinasa Fauzi Bowo. Nalaza i Joko noho ny naha ben'ny tanànan'i Solo azy izay,...
MENA : Mandray Ny Ramadany
Vao nanomboka indrindra ny Ramadany, volana fahasivy ao amin'ny tetiandron'ny Silamo. Io dia fotoana ifadian'ireo Silamo hanina manomboka ny fiposahan'ny masoandro ka hatramin'ny filentehany, mba hanakaikezana kokoa an'Andriamanitra ary Hankalazana ny fahasoavany. Manerana izao tontolo izao, ireo Silamo dia nanao izay hakàna ny fanahin'ilay volana anaty sary maromaro, nizara azy ireo tanaty karazana vohikalam-pifandraisana sosialy isan-karazany
Makedonia: Topi-maso Ho An'ny Fankalazàna Iraisam-pirenena Ny Tononkalo Fanao Efa Am-polotaonany
Ilay Portiogey mpamokatra sarimihetsika André Soares dia namoaka lahatsary fanadihadiana fohy momba ny Harivan'ny Tononkalo any Struga, hetsika iraisam-pirenena ho an'ny tononkalo izay tanterahana any Makedonia nanomboka tamin'ny 1962.