- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Oganda : Fandravàna Ny Fahazarana Mangina Manoloana Ny Zo Ara-pahasalamana?

Sokajy: Afrika Mainty, Oganda, Fahasalamàna, Mediam-bahoaka

Tokony ho maimai-poana ny fitsaboana [1] ao Ogandà. Kanefa tratran'ny krizim-panafody goavana sy tsy fahampian'ny mpitsabo ny toeram-pitsaboana an'ny fanjakana.

Navoaka taminà tranonkala ny lahatsary iray novokarin'ny fikambanana iraisam-pirenena mpanao asa soa [2], Results for Development [3] (Vokatra ho an'ny fampandrosoana) mba hanentanana ireo Ogandey handrava ny lalàn'ny fahanginana sy hitaky ny zony ara-pahasalamana, marihina fa  ny famahana ny olana goavana mifandraika amin'ny fampandrosoana no tanjon'ny fikambanana.

Oscar Abello nampahafantatra ilay horonantsary :

Nisy ny ezaka lehibe vitan'i Ogandà tamin'ny fanamafisana ny rafi-panjakana momba ny fizarana fanafody  tao anatin'izay taona vitsy lasa izay  – nisy ny tahirim-panafody ary ampy ny mpiasa teny amin'ny toera-pitsinjarana -saingy tsy naharaka ny fandrosoana kosa ny teo amin'ny sehatry ny fampitaovana. Marobe ireo toera-pitsaboana tsy ahitana fanafody intsony telo volana aorian'ny famatsiana, kanefa mbola feno fanafody marobe ny foiben'ny trano fitehirizana.

Tsy zava-baovao ho an'ireo mponina mahantra ao Ogandà ny olana momba ny famatsiana fanafody, maro amin'ireo mponina ireo no mitoka-monina any ambanivohitra lavitra. Na dia izany aza, ampandrenisana amin'ny alalan'ny fitaova-pandrenesam-baovao samihafa ireo mpiasa-panjakana afaka mamaha izany olana izany.

Amin'io lahatsary io, Dennis Kibira, mpanorohevitra momba ny fanafody ao amin'ny HEPS Uganda [4], fikambanana mpanjifa eo amin'ny tontolon'ny fahasalamana izay mikendry ny hampiroborobo ny fahazoana fanafody eny ifotony ao Ogandà, nilaza fa :

Te hahita firenena tsy  hanjakan'ny fahafatesan'ny mponina noho ny tsy fahazoana fitsaboana araka izay tadiaviny aho.

Des patients sur le sol de l’hôpital Mulago, l’hôpital central national. Photo : avec la permission de  williamkituuka.blogspot.com

Marary ao amin'ny gorodon'ny hopitaly Mulago, hopitalim-panjakana lehibe. Nahazoan-dalana ny famoahana ny sarin'ny  williamkituuka.blogspot.com

Rosette Mutambi, mpamorona sy mpitantana ny fikambanana HEPS Ogandà nilaza tao amin'ny lahatsary fa tokony ho maimai-poana ny fitsaboana ao Ogandà, saingy tsy izany intsony no zava-misy ankehitriny. Nanambara ihany koa izy fa tsy araka ny tokony ho izy intsony ny fampandehanana ny toera-pitsaboana satria be loatra ny mpiasa.

Mijaly noho ny fahatapahan-jiro ihany koa i Ogandà izay misy fiantraikany ratsy ao amin'ireo toeram-pitsaboana tsy manana fitaovana fiarovana toy ny fitaovana fampagantsiahana satria maro amin'ireo fanafody no mila fampangatsiahana.

Araka ny  nambaran'i Moses Kamabare, talè jeneralin'ny National Medical Stores (Toeram-pivarotam-Panafody Nasionaly), fikambanana  miandraikitra ny fitehirizana sy famatsiana fanafody eny amin'ireo toeram-pitsaboana, isaky ny roa volana no misy ny famatsiana manerana ny distrika. Saingy nilaza kosa ny mpiasa iray aminà toeram-pitsaboana fa indray mandeha isaky ny telo volana ihany no mahazo fanafody izy ireo.

Feno fanafody foana ny toeram-pivarotana fanafody ogandey, kanefa tsy ampy fanafody ny eny amin'ny toeram-pitsaboana. Voatery mandeha tongotra maherin'ny 10 kimetatra ny olona sasany mba hitady fanafody fotsiny, rehefa tonga ao amin'ilay fivarotam-panafody anefa izy ireo dia lazaina fa lany ny fanafody. Mampamoy fo ireo mponina marobe ny  toe-javatra tahaka izany ka mahatonga azy ireo tsy hitsabo tena intsony eny amin'ny  toeram-pitsaboana.

Maro ny ezaka sy fanatsarana tokony atao eo amin'ny sehatry ny fahasalamana ao Ogandà: toy ny famatsiana fanafody haingana sy matetika, fampitomboana ny famatsiam-bola, fanamboarana toeram-pitsaboana, karama mahafa-po ho an'ny mpitsabo, ary famatsiana fitaovana ho an'ny toeram-pitsaboana.

Fanamby hatrehina ihany koa ny olana amin'ny tsy fahampian'ny mpitsabo. Maro amin'ireo mpitsabo no mangalatra fanafody mba ampiasainy amin'ny toeram-pitsaboana manokana.

Ny tena fanontaniana lehibe mipetraka ankehitriny dia hoe: handresy lahatra ireo Ogandey hiala amin'ny fahanginany ve ity lahatsary ity?