- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Hongria: Vitsy Mpiresaka Amin'ny Media Sosialy Ny Olaimpika

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Hongria, Fanatanjahantena, Mediam-bahoaka

Mitana ny laharana faha-12 ankehitriny ny ekipa hongroà eo amin'ny tabilaon'ny fanisana medaily Londres 2012 [1] amin'ny ankapobeny raha efatra ny totalin'ny medaily olaimpika ary roa ny medaily volamena amin'izany. Zavatra mampirehareha izany mazava loatra – saingy sarotra hita ao amin'ny media sosialy hongroà ny resaka momba ireny voka-dalao ireny sy ny vaovao hafa mahasahana ny lalao olaimpika.

Ohatra, ny tantaran'ilay tompondaka eo amin'ny hazakazaka misy fefy Áron Szilágyi [2], izay hongroà nahazo ny medaily volamena volamena voalohany, ka tsy maintsy nihaino ilay hiram-pirenena nivalana, dia nahazo ‘tia’ folo sy ‘zara’ telo’ [3] [hu] monja eo amin'ny pejy Facebook-n'ny Komity Olaimpika Hongroà. (Araka ny filazan'ny mpahay mozika hongroà ao amin'ny Index.hu [4] [hu], dia lasa avo kokoa noho ny tokony hihirana azy teny antsefantsefany teny ilay hira. Niangavy ny komity mpanomana olaimpika sy paralaimpika [ho an'ny manana fahasembanana] hiangaly ny hiram-pirenena amin'ny fomba hafa kokoa amin'ny manaraka ny ekipa hongroà ka nanaiky [5].)

Dimy andro mialoha ny hisokafan'ny lalao olaimpika, niezaka ny hampifantoka [6] [hu] amin'ny fandrakofan'ny tompon'andraikitra hongroà vitsy loatra ao amin'ny takelaka ofisialy momba ny lanonana ny bilaogera Medeaeva , ka manantena fa ho maro kokoa ny filazalazana amin'ny manaraka:

[…] It is simply in the interest of the athletes, fans and especially sponsors to have high activity on their official channels. Official channels of which we have a total of 1.5 pieces now. The FB page of the [Hungarian Olympic Committee–HOC] [7], where they share the news from the HOC website without commenting on them (423 likes), and the so far pretty cheap-looking (I hope this isn't run by the HOC or the [Media Support and Asset Management Fund]) “Let's root for the Hungarian team” [8] page (290 likes). This is it. Zilch. Nil. Nothing else. Zero. The social media presence of the Hungarian athletes is on a pathetic level. Even the page of the water polo team [9], which I looked up as a last hope, was disappointing. (Basically, you can only find it if you are looking for it very much. :-/) The IOC has set up quite a tempting website, that could be used as well. […]

Ho amin'ny tombontsoan'ny atleta, ny mpankasitraka ary indrindra indrindra ho an'ny malala-tanana ny mba hahazotoan-dry zareo hitatitra bebe kokoa ao amin'ny fantsona ofisialy. Fantsona ofisialy izay ahitana singa 1,5 ny fitambarany amin'izao fotoana izao. Ny pejy facebook-ny komity olaimpika hongroà [KOH], izay izaran-dry zareo ny vaovao avy ao amin'ny vohikalan'ny KOH ka tsy asiana filazalazana ao aminy (tia 423), sy ilay pejy “mora”-jerena (manantena aho fa tsy ny KOH na ny mpamatsy sy ny media mpanohana no mampiodina azy) “ny ekipa hongroà ihany no antsika” (290 no tia). Io izy. Aotra. Tsy zavatra hafa. Zero. Mirefarefa loatra ny fisian'ny atleta ao amin'ny media sosialy. Eny fa na dia ny pejin'ny ekipa water polo, izay fanantenana farany aza dia nandiso fanantenana. (Hitanao izy rehefa mikaroka elaela kokoa ianao. :-/) Nanangana vohikala maka fanahy ny Komity olaimpika Iraisampirenena, azo ampiasaina ihany koa io.[…]

Araka ny antontan'isan'ny Socialbakers [10], manodidina ny  4,5 tapitrisa ny Hongroà misera ao amin'ny Facebook. Amin'izao fotoana anoratana ny lahatsoratra izay, ahitana 1279 ny ‘tia’ ny pejin'ny KOH, “Ny ekipa hongroà ihany no antsika” manana 687 mpi-‘tia’, ary ny ekipa water polo kosa amin'izao fotoana izao mahatratra 15.706 mpi-‘tia’.

Ágnes Urbán avy ao amin'ny bilaogy Standards Media Monitor [11] dia gagagaga ihany amin'ny fifanoherana misy eo amin'ny zavamisy mifanohitra amin'ny hita. Araka ny fanambarana an-gazety, Ny Mpanohana ny Media sy Mpisahana ny Famatsiana (MTVA)—Hongria izay orinasan-tseraseram-panjakana tokana hongroà—dia nanokana ekipan'olona 72 hamokatra fandaharana TV sy radio momba ny lalao olaimpika, vohikala sy apps finday, ary nambara hatramin'ny fitantarana 3D aza. Manoratra [12] [hu] i Urbán:

[…] It's almost incomprehensible how the social media could be left out of all this big preparation: moreover, they wouldn't even have to spend huge amounts of money on this, from the produced content and the news constantly arriving to the desk, one or two colleagues who could touch well upon the style of the social communication and could have built a popular news source during the Games. Compared to this, MTVA's Olympics team didn't succeed in appearing on Twitter and Tumblr, and on Facebook MTVA Sport's [13] presence is let's just say low-key. Meanwhile, writing these lines on the evening of the third day of the Olympics, the “MTVA's official sport page” has reached only 2,000 likes, which is virtually reached by any sport pages hitting on the popularity of the Olympics. […]

Tsy azoko mihitsy hoe nahoana no noadinoina tao anatin'izao fikarakaraka lehibe izao ny media sosialy: ankoatra izany, tsy handany vola be akory ry zareo amin'izany, miainga avy amin'ny famokarana sy ny fahatongavan'ny vaovao tonga hatrany eo amin'ny birao, mpiara-miasa iray na roa izay maharaka tsara ny fomba fampitàm-baovao sosialy sy mety mahatsangana loharanom-baovao malaza mandritrany lalao. Raha oharina amin'izany, tsy nahavita nipoitra teo amin'ny Twitter sy ny Tumblr ny ekipa olaimpikan'ny MTVA, ary andao lazaina hoe ambany [tsy hita loatra] ny fisian'ny MTVA fanatanjahantena ao amin'ny Facebook.  Mandritra izany fotoana izany, ny fanoratana ireo andalana ny takarivan'ny andro fahatelon'ny lalao olaimpika, dia zara raha 2000 ny mpitia, izay isan'ny olona mpitia tapelaka fanatanjahantena malaza mandritra ny lalao olaimpika. […]

Manao fanadihadiana [14] [hu] fitsapa-kevitra ao amin'ny takelaka Facebook mandra-pahatapitry ny lalao amin'ny fomba hanarahan'ny Hongroà ny vaovaon'ny lalao olaimpika Londres 2012 ny Telefonközpont [15] [hu], ilay bolongan'ny fifandraisandavitra anatin'ny vanim-potoana nomerika. Hatramin'izao aloha dia ny gazety an-tserasera sy ny televiziona no mitari-dalana ary ny Facebook no fahatelo.