Libanona: “AlloFail,” Fanerena Hahatsara Kokoa ny Tolotra Finday

Anisan'ny manana taha avo indrindra manerantany ny fahamaroan'ny finday sy ny tolotra momba izany ao Libanona. Fa mampahonena kosa ny ankamaroan'ireo tolotra ireo araka ny lazain'ny mpisera.

Orinasa roa – Alfa sy Touch – no miasa eo amin'ny sehatry ny fifandraisandavitra finday any Libanona hatramin'ny 1994. Koa rehefa ireo moa no manao ampihimamba ny tsena dia ny mpanjifa ihany no mandoa lafo ny faktiora.

Azonao atao ny mamaky bebe kokoa momba izany toe-javatra izany ao amin'ireto bilaogy ireto (tsindrio ato, ato, ato ary ato).

Tamin'ny vola jona lasa teo, nanapa-kevitra ny tsy hitaraindraina sy hipetra-potsiny fa hametraka fanovana hita maso ny tanora sasany toa an'i Hussein Dajani amin'ny fampiasana ny tarigetra “AlloFail”.

Fango AlloFail

Niandoha tamin'ny  fanadihadiana fanisana ny AlloFail. Nampiseho ny vokatra avy tao fa mitaraina ny amin'ny fandrakofan'ny orinasa ny 88 isan-jaton'ny olona, 75% tsy faly tamin'ny sarany, 61% mahita fa tsy misy fivoarany ny vokatra na ny tolotra, 59% manasongadina ny tsy fahafaham-pony amin'ny fandraketa-pandaniana ary ny 47% miampanga ny tsy fisian'ny fangaraharana ataon'ireo orinasa roa.

Mampandeha Vondrona Facebook sy kaonty Twitter ihany koa ny AlloFail, ka ao no izaran-dry zareo ny olana, izay ezahin'ny mpanorina ny fandraisana an-tanana hakarina any amin'ny iantefany.

Ironana ihany koa ao amin'ny Twitter ny tenifototra #allofail. Tafiditra ao anatin'ny fitarainana ny :

@michakhoury I was having a phone conversation with my friend..then a 3rd line interfered with sm1 telling me sry did u cal me 5min ago walaw #allofail

@ZiadChebel Mtc touch changed its name to @touchLebanon only since all subscribers are now TOUCHING their cell phones 24/7 to get a signal.. #AlloFail

@Cupcake_Box Free wifi on London's underground is faster than Beirut's crappy overpriced ADSL connections #alloFAIL

@michakhoury Nifampiantso telefonina tamin'ny namako aho..avy eo nisy olona fahatelo niditra tamin'ny hafa nanontany ahy hoe azafady fa niantso ahy ve ianao dimy minitra lasa izay? #allofail

@ZiadChebelNanova ny anarany ho @touchLebanon ny mtc touch rehefa TOUCHING [MIKASIKA] ny findainy 24/7 ny nisoratra anarana rehetra tao aminy mba hahazoana signal.. #AlloFail

@Cupcake_Box Ny Free wifi any Londres ambanin'ny tany aza no haingana kokoa noho ny ADSL lafo dia lafo [tsy taka-bidy] nefa ratsy ao Beirut #alloFail

Araka ny fanambarana nataon'ny misiona AlloFail (hita ao amin'ny pejy Facebook), kendrena ny :

Foster a Mobile Telecommunication market environment that respects the basic Human Rights in terms of freedom of expression, information and information technology access,development and dissemination in Lebanon as stated in Article 19 of the World Human Rights Declaration.

Manome tombony ny tontolon'ny tsenam-pifandraisandavitra finday manaja ny zo fototra maha-olona eo amin'ny fahalalahana miteny, manome vaovao sy ny fidirana amin'ny teknolojian'ny fampahalalam-baovao, ny fampandrosoana ary ny fampielezana any Libanona araka ny voasoratra eo amin'ny andininy faha-19 amin'ny Fanambarana Manerantany Momba ny Zon'Olombelona.

Pikantsary Vondrona Facebook AlloFail

Pikantsary Vondrona Facebook AlloFail

Ny tanjony dia ny hahatratra ny zava-kendreny amin'ny alalan'ny :

  • Fanairana ny Libaney hanao fanerena ny orinasan'ny fiantsoana finday hanome vokatra sy tolotra tsara indrindra amin'ny vidiny mora sy kalitao tsara.
  • Mandahatra ny tsenam-pifandraisandavitra finday Libaney eo amin'ny sehatra rezionaly sy iraisampirenena eo amin'ny fangaraharana sy ny vokatra mbamin'ny tolotra fa tsy amin'ireo ihany.
  • Manara-maso ny asa ataon'ny orinasam-pifandraisandavitra finday Libaney eo amin'ny sehatra rezionaly sy iraisampirenena eo amin'ny fangaraharana sy ny vokatra mbamin'ny tolotra fa tsy amin'ireo ihany.

Nandefa izao lahatsary YouTube ahitana ny fitarainan'ny mpisera maro momba ny tolotra isan-karazany ataon'ny fifandraisandavitra finday manaraka izao koa ny AlloFAIL TVC:

Ary vao avy nihaona tamin'i Nicolas Sehanoui, minisitra Libaney misahana ny fifandraisandavitra koa ry zareo. Havoaka tsy ho ela ny zavatra tapaka nandritra ny fihaonana.

Niteny momba ity fandraisana an-tanana ity i Giovanni avy ao amin'ny bilaogy Ginos:

Join the AlloFail cause, go to their Facebook group and complain. Telecom providers are answering and acting upon people’s complaints, so change is actually happening (I know, hard to believe right?). Best part is, if it’s not up to the pace we want, AlloFail’s lawyers are gonna sue them for their wrongdoing and that’s gonna be a lot of fun!

Midira hanatevin-daharana ny AlloFail, midira ao amin'ny vondrona Facebook ary ataovy ny fitarainana.  Mamaly sy miasa noho ny fitarainan'ny olona ny orinasam-pifandraisandavitra, noho izany hitranga tokoa ny fiovana (fantatro fa sarotra inoana, sa tsy izany?) Ny tena tsara amin'izy ity dia izao, raha vao tsy tonga amin'izay tadiavintsika, hametraka fitoriana noho ny kitoatoa ataon-dry zareo ny mpisolovavan'ny AlloFail ary dia hisy fanalana azy tokoa!

Najib avy ao amin'ny bilaogy Baladi no nanamarika :

I am not sure how much of a difference this initiative will make but it’s worth giving it a try for sure.

Tsy dia hitako loatra izay fiovana mety ho vitan'ity fandraisana an-tanana ity fa aleo andramana mihitsy aloha.

Navoitran'i Mohammad Jouni ao amin'ny Twitter:

@mojouni Rally behind @alloFAIL. Could be the only way to trigger a bit of change in our Telecom industry.

Ny famondronan-kery ao @alloFail ny mety ho lalan-tokana hisian'ny fiovana kely eo amin'ny indostrian'ny fifandraisandavitra

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.