Ny 17 jolay, ireo mponina any Almatia, tanan-dehiben’ i Kazakhstan, dia finaritra nahita ireo lambabe fanentanana vaovao sy ilay takela-by fanaovana dokam-barotra napetraka eran’ ny tanàna misy hafatra nahatalanjona milaza hoe : ” Manaraha lalàna rey olona rehefa miampita. Ny ondry [no miampita ny lalana]” eny rehetra eny araka izay tiany.
Ireo lambabe fanentanana sy takela-by fanaovana dokam-barotra ireo dia mikendry ny famonjena ny ain'ny olona amin'ny fampahafantarana an-dry zareo ny lanjan'ny fitsipika tsotra tokony harahana rehefa miampita làlana. Izy ireny dia novokarin'ny Ministeran'ny kolontsainan'i Almaty, ireo masoivohona dokam-barotra eny an-toerana ary ny mpitandro filaminana mpandrindra ny fifamoivoizana .
Ireo takela-by ireo dia ampahany amin'ny fandaharana dokambarotra sosialy vao noforonina mba hanovana ny toetra malaza fanaon'ny olona, eny amin'ny faritra rehetra, manomboka amin'ny fanajàna ny fitsipiky ny fifamoivoizana ka hatramin'ny fikajiana ireo harena voajanahary. Araka ny fanamarihan'ny Ministeran'ny Kolontsaina ao Almaty [ru]:
Что может повлиять на поведение людей, пробудить в них ответственность за себя и за других? Только социальная реклама с сильным эмоциональным посылом.

Io takela-by io dia anisan'ny tafiditra ao anatin'ny fanentanana ara-tsosialy any Almatia. Sary an'ny Ministeran'ny Kolontsaina any Almatia, ampiasaina nahazahoana fahazoan-dalana.
Ilay hafatra nahatalanjona nipetaka teo amin'ireo takela-by ireo dia nahatonga resa-be tamin'ireo mpampiasa media sosialy teo amin'ny firenena. Mitsikera io sary eo ambony io izay navoakan'ny Ministeran'ny Kolontsaina any Almatia (AlmatyMADENIET) tao amin'ny facebook, nanoratra ‘i Ruslan Kuvatov [ru] hoe :
Отличный постер. Надеюсь их много будет по городу. Еще надо сделать креатив на тему культурного вождения и уважения друг к другу на дроге. Короче говоря надо идентифицировать баранов за рулем :).
Raha ny ankamaroan'ny mpampiasa aterineto dia toy ny mankasitraka ireo fanentanana vaovao, ny olona sasany dia mandray azy ireo ho manafintohina. Nanome soso-kevitra ilay Kazakh bilaogera, Gizatm [ru]:
Просто нельзя называть людей баранами за то, что они переходят дорогу в неположенном месте. В США и Канаде тоже так же переходят… Если машины за км нет, то почему бы и не перейти.
Tsy maintsy namaly ireto tsikera ireto ny manam-pahefana [ru]:
Мы никого конкретно не называли баранами. Это шуточный плакат с небольшой издевкой… Мы хотели максимально привлечь внимание аудитории.
Kanefa, betsaka amin'ny mpampiasa aterineto no mankasitraka ilay hetsika ary nanome soso-kevitra hafa mba hamonjena ain'olona eny amin'ny làlana. Nosoratan'i Salken Balbayev [] ao amin'ny Facebook hoe:
Хороший проект. Еще хотелось бы, чтобы сами пешеходные переходы освещались в темное время суток и знаки были видны издалека.
Amin'ny ankapobeny, ny ankabetsahan'ireo mpampiasa aterineto any Kazakhstan dia faly mahita fa tena miatrika ny olana marina tokoa amin'ny fomba misy fahaiza-mmorona ireo manam-pahefana. Mbola faly ihany koa izy ireo mahita fa ny mpiasam-mpanjakana dia namaly ny soso-kevitra sy tsikeran'izy ireo.Taorian'ny fanombohan'ilay fanentanana dokambarotra ara-tsocialy nahomby io, namoaka hafatra vaovao hoan'ireo dokambarotra ikendrena ny fanatsatsoana ny olona tsy hanao antso eny am-pamiliana ny Ministeran'ny Kolontsaina: ” Mety ity antso ity no farany”.