- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Maoritania: Diplaomaty Nandoro Tena

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Afrika Mainty, Maoritania, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona

Minitra vitsy nialoha ny Iftar (fotoana fampitsaharan'ny Miozolmana ny fifadian-kanina fanao rehefa Ramadany ), Hassan Ould Abba [1] [ar], Maoritaniana iray diplaomaty izay niasa amin'ny maha-mpanolotsaina azy tao amin'ny Masoivoho Maoritaniana ao Koety, dia nandoro tena [2] [ar] tao amin'ny distrikan'i Ksar, any Avaratr'i Nouakchott [3], renivohitra Maoritaniana. Nihazakazaka hamonjy azy ihany ny fiaran'ny mpamonjy voina, saingy maty talohan'ny nahatongavany tany amin'ny toeram-pitsaboana izy.

Ilaina ny manamarika fa tsy  io no tranga voalohany amin'ny fandoroana tena tany Maoritania. Roa taona lasa izay, taorian'ny fandoroana tena nataon'i Bouazizi [4], Yacoub Ould Dahoud [5] [ar], olom-pirenana Maoritaniana, dia nandoro tena ho fanoherana ny tsy rariny, taorian'ny namelany hafatra tao amin'ny bilaoginy nanakianany  ny toe-javatra misy ao Maoritania.

Nitatitra irny loharanom-pampahalalam-baovao fa tezitra ilay diplaomaty satria ny fitondràna Maoritaniana dia nandrara azy tsy hamonjy ny toeram-piasàny, ary nanolo [6] [ar] azy taminà diplaomaty hafa izay tsy manana mari-pahaizana na fahaiza-manao akory. Kanefa, ny loharano sasany, hoy ny tatitry ny fianakavian'ilay diplaomaty dia nilaza fa nandalo fikorontanan-tsaina [7] [ar] tena sarotra izy.

Mandritra izany, naneho ny hatairany ny vondronà diplaomaty Maoritaniana iray mikasika ny volavolan-dalàna iray momba ny rafitra diplaomasia tsy miankina amin'ny fanjakana, izay eritreretina hapetraka tsy ho ela. Ampangain-dry zareo ny fanilikilihana, ary ny fanaovana an-jorom-bala ny mpiasan'ny Ministeran'ny Raharaham-bahiny, sy ny làlana diso arahan'ny ministera. Ampangain-dry zareo ihany koa ny manampahefana ao amin'ny Ministeran'ny Raharaham-bahiny ho manao ‘kolikoly sy kiantranoantrano’ rehefa manendry mpiasan'ny ministera.

Ilay tranganà fandoroana tena dia nisarika ny sain'ireo Maoritaniana mpamiasa Twitter, izay nasiatsiaka tamin'ny fanehoan-keviny mikasika azy io.

Majdi Ahmed [8] nanoratra hoe [ar]:

@mejdmr [8] شياب تويتر الليلة أفطرو علي إشعال ديبلوماسي للنار في نفسه وبعض فضائح الحكومة التي لاتنتهي… الحمد لله الذي هداهم فصامو ورزقهم فأفطرو

@mejdmr [8]: Namarana ny fifadian-kaniny ireo mpampiasa Twitter tamin'ity alina ity tamin'ny alàlan'ny vaovao mikasia diplaomaty iray nandoro tena, ary ny tantara ratsy sasany tsy misy fiafaràny ataon'ny governemanta… Voninahitra ho an'i Allah tamin'ny nitarihany azy ireny hifady hanina, sy nanome azy ireny ny sakafo hanapahany ny fifadian-kanina.

Nanampy izy [9]:

‏‏@mejdmr [9] رغم الزيادة المتواصلة في أسعار المحروقات، إلا أن ذالك لم يمنع بعض المواطنين من إضرام النار في أنفسهم !!

‏‏@mejdmr [9]: Ny fiakaran'ny vidin-tsolika amin'izao fotoana, dia tsy manakana velively ny olom-pirenena sasany tsy handoro ny tenany.

Nanao sarinteny [10] amin'ny kabary iray ihany koa izy, izay nilazan'ny Filoha Maoritaniana, Mohamed Ould Abdel Aziz, fa vonona ny hanome solika ho an'izay tanora tsirairay maniry handoro ny tenany izy.

@mejdmr [10] ولد عبد العزيز كان قد قطع وعدا علي نفسه بتوفير المواد المشتعلة اللازمة لأي مواطن يرغب في إشعال نفسه!

@mejdmr [10]: Nampanantena i Ould Abd Aziz fa hanome izay fitaovana rehetra azo arehitra no an'ireo olom-pirenena te-handoro tena!

Ny Hetsiky ny 25 Febroary [11] dia niady hevitra momba ny tranganà fandoroana tena ao Maoritania:

@m25fev [12]وفاة موريتاني أحرق نفسه في مسلسل الاحتراق الذاتي جراء البؤس أو اليأس أو هما معا رجاءا أحرقوا الظالمين بدل احراق انفسكم

@m25fev [12]: Vokatra iray ateraky ny fahantrana na fahadisoam-panantenana na izy roa mitambatra, Maoritaniana iray hafa no maty tanatin'ny andiam-pandoroana tena. Miangavy mba ho ireo mpamoritra no hodorana fa tsy ny tenanareo indray.

Mohamed Ould Sid'Ahmed [13] dia nangataka mba tsy hararaotina ho lasa politika ilay trangan-javatra :

‏@med_sidahmed [13] اذا كان الرجل اضرم النار في نفسه نتيجة اضطرابات نفسية فالمرجو احترام شعور عائلته بعدم توظيف الحادثة سياسيا. انا لله وانا اليه راجعون.

‏@med_sidahmed [13]: Miangavy mba hajaina ny fianakaviany ary tsy hampiasa ity tranga nandoroany ny tenany ity ho vokatry ny fikorontanan-tsaina. An'Andriamanitra isika ary hiverina Aminy daholo.

Sidi Ould Mohamed [14], mfaàna fo iray, dia niteny fa tsy nino ny maha-tratry ny fikorontanan-tsaina an'ilay diplaomaty izy :

@sidimedlemin [14] لا أثق أن ولد آبيه بالأمس لم يكن في كامل قواه العقلية.. لقد وجدت شابا كلمه قبل قليل من إضرام النار في نفسه

@sidimedlemin [14]: Tsy inoako ireo tatitra milaza fa Ould Abba dia tao anatin'ny tsy fahasalamana ara-tsaina omaly. Nifanena tamin'ny lehilahy iray izay vao avy niresaka taminy fotoana fohy talohan'ny nandoroany tena aho