- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Kenya: Fampianarana Taranja “Toraka Lefona” Amin'ny YouTube

Sokajy: Afrika Mainty, Kenyà, Fanatanjahantena, Mediam-bahoaka, Teknolojia-aterineto, Lalao Olaimpika

 Julius Yego, Afrikanina Kenyana tompondaka nasionaly teo amin’ny taranja “javelot na toraka lefona”, no nandresy nandritra ny fifaninanana atletisma tao Finlady tamin’ity herinandro ity. Taorian'ny fampiasany YouTube mba hanatsarany ny fahaiza-manaony sy ny teknika, niakatra  81.12 metatra ny halavirana vitan’i Yego.

Julius Yego – Image courtesy of nation.co.ke

 

Bilaogin’ny SportsKenya (Fanatanjahatena Kenya) [1] nandrakitra ny zava-bitan’i Yego:

mampandeha irery an’i Afrika ny fandraisana anjara aminà Lalao izay tsy mba mahazatra an’i Kenya, niezaka nanatsara ny fahaiza-manaony sy ny teknika amin’ny alalan’ny fampiasana ity sehatry ny fampahalalam-baovao sosialy (youtube) ity izy. Marina tokoa, nihatsara hatrany ny fahaiza-manaony ary nahatonga azy nandrombaka ny medaily volamena voalohany ho an’i Kenya tamin’ny taona 2011 nandritra ny Lalao All- Africa tao an-drenivohitr'i Mozambika,  Maputo izany. Nahavita halavirana  78.34 m ny toraka nataony tamin’izany.

Manantena fa mbola ho tsara kokoa ny toraka lefona ho ataony alohan’ny Lalao Olaimpika amin’ny volana Jolay-Aogositra, hanatevin-daharana ireo mpanao fanatanjahatena lehilahy sy vehivavy I Yego tsy amin’ny maha mety ho lasa tompondaka azy ihany fa amin’ny fandraisany anjara amin'ity fampiderana ity. Ary mbola ankasitrahany hatrany ny fampiasany ny fampahalalam-baovao izay tena ilainy amin’ny andavan’andro-pianany , mba hahatonga azy ho malaza manerantany amin’ny taranja lefona …noho ny fisian’ny YouTube!

Heart, Soul & Mind (Fo, Fanahy, Saina) [2] mampiseho mazava tsara izay tena ifikirany:

Hifaninanana eo amin'ny hazakazaka 400m in-efatra mifampitohy isika, manana solontena eo ambony kianja ka i Julius Yego mitondra ny lefony no hitari-dalana. Ben Gicharu sy i Elizabeth Andiego no hitondra ny sainam-pirenena eo ambony ringy. Tsy maintsy hanaraka ny lalao Olaimpika ihany aho amin’ity vanim-potoana ity, hifikitra amin'ny Ekipa Kenyana ary hankafy ny tanjaka sy ny lesona azo avy amin’ny fanaovana fanatanjahatena.

Amin'ny fanasongadinana an'i Yego no ampisehoan'i Kenyatech [3] izay azo ampiasan'ny mpiserasera Kenyana ny YouTube:

Misy ireo olona sasany mijery ny Youtube mba hianatra sy hanatsara ny teknika ilaina amin’ny fanatanjahatena, ala-voly sy zavakanto – na i Julius Yego efa manana medaily volamena aza nijery izany fampianarana ao amin’ny YouTube izany koa. Maniry ny hiara-hiasa aminà fikambanana, mpamokatra, ny olona sy ny orinasa ao an-toerana  ny YouTube mba hampiroborobo sy hanohana ity modely momba ny fialam-boly fampianarana  ity izay tsy mikendry ny hanaparitaka haingana ny lahatsary ihany fa ny hanome votoatim-baovao mahaliana ny Kenyana ihany

Taminà hetsika teo aloha, nikasa handefa mivantana [4]  ny vaovaon’ny Olaimpika ny Youtube:

Eny, halefan’ny Komity Iraisam-pirenena mpikarakara ny Olaimpika 2012  mivantana ao amin’ny Youtube ny Lalao Olaimpika 2012, halefa manerana ny firenena 64 manerantany izany. Miara miasa amin’ny Youtube ihany ny NBC, mpandefa mivantana ofisialy ny Olaimpika mba hanolotra vaovao mivantana sy mahafa-po mandritra ny fifaninanana amin’ny lalao  Olaimpika. Ity no taona voalohany ahafahan’ny mpijery manaraka mivantana ny Lalao Olaimpika hatrizay, eny fa na dia eny amoron-dranomasina aza, na any ivelany misotro sangria na ao am-piasana dia afaka mijery avokoa! Na dia afaka manokatra izany amin’ny takelaka hafa aza ny sasany mba hanaraka mivantana ny Olaimpika, ny hafa kosa…mandrakitra izany haingana amin’ny  YouTube...