- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mametraka Ny Tahiry ICP-ny Any Shina Ny Vohikala Ofisialin'ny Lalao Olaimpika Ao Londona

Sokajy: Angletera, Shina, Fitsipika, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

Mpampiasa aterineto Sinoa maro no nahatsikaritra fa any Shina no napetraky ny Vohikala Ofisialin'ny Lalao Olaimpika: london 2012.com [1] ny ho mpamatsy ny votoatiny  aty Anaty Aterineto (ICP). Ery amin'ny farany ambanin'ilay vohikala, voasoratra amin'ny loko volon-davenona ny laharana fametrahana: laharan'ny fametrahana ICP(京ICP备12028602号)

Misy fanamarihana ny laharan'ny fametrahana ICP amin'ny loko volon-davenona malefaka mipetraka any amin'ny farany ambanin'ilay vohikala.

Maro no talanjona amin'ny fihetsika tahaka izao satria manan-kery amin'ireo ICP äo anatin'i Shina irery ihany ilay politikan'ny fametrahana ICP.

Araka ny “fitsipiky ny fitantanana ny tolotra aterineto fampahalalam-baovao tsy ikatsahana tombontsoa” (《非经营性互联网信息服务备案管理办法》 [2]) napetraka tamin'ny Martsa 2005, tsy maintsy mametraka ny orinasany sy ny fampahalalana manokana ao anaty aterineto any amin'ny Minisiteran'ny Indostria sy ny Fampahalalam-baovao Shinoa (MIIT) ireo vohikala rehetra, anatin'izany ny orinasa fandraharahana sy ireo vohikalan'olon-tsotra, ary ireo vohikala voarakitra rehetra ireo dia voaràra tsy mahazo mamoaka lahatsoratra izay:

1. manimba ny tmbontsam-pirenena sy ny vahoaka;
2. mamitaka ny mpamaky
3. manohintohina ny foto-pisainana sosialisma
4. manonona anarana na teny izay manana hevitra manokana
5. manohitra ireo lalàna sy fitsipika misy.

Ny rakitry ny mpitsidika [3] [zh] ao anatin'ny fametrahana ny ICP dia manambara fa ilay orinasa voarakitra dia mioraina sy voafehin'ny zon'ny fizaka-mànana ara-tsaina manana any Pékin : “Quan Ya Intellectual Property Agent (Pékin) Limited (权亚知识产权代理(北京)有限公司)” ary ny olona mpiandrakitra azy dia i Liu Juan.

Araka ny nambaran'ireo Sinoa maro mpampiasa aterineto, tsy ilaina ny fametrahan'ny Kaomitin'ny Lalao Olaimpika 2012 any Londona ny tahirin'ny vohikalany ao amin'ny MIIT. Mino [4] [zh] ilay mpampiasa aterineto, Lilujun, fa natao mba hisorohana ny fanakanana ilay vohikala ao Shina ilay fametrahana ary hanomezana antoa ire dokambarotra maro avy amin'ireo orinasa Sinoa. Na izany aza anefa, nanindry ihany koa izy fa hetsika fiankohofana amin'ny politika fanivanana tsy rarin'i Shina izany fihetsika izany, indrindra noho ny tsy mahavohikala Sinoa fandraharahana ara-barotra ny vohikalan'ny Lalao Olaimpika ary ny fampiharana izany fitsipika momba ny fametrahana izany dia amin'ireo vohikala ao an-toerana ihany.