Tantara tamin'ny 30 Jolay 2012
Venezoelà: Mpanatontosa Sarimihetsika Mandalina An-dahatsary ny Zavamisy An-Tanàndehibe
Amin'izao faha-445 taona an'i Caracas izao dia mizara ny asan'ny mpanatontosa sarimihetsika telo mampiseho ho an'ny mpiserasera monina ivelany sy anatin'i Venezoelà ny zoro isan-karazany ijerena ny renivohitr'i Venezoelà i Laura Vidal.
Mametraka Ny Tahiry ICP-ny Any Shina Ny Vohikala Ofisialin'ny Lalao Olaimpika Ao Londona
Araka ny nambaran'ireo Sinoa maro mpampiasa aterineto, tsy ilaina ny fametrahan'ny Kaomitin'ny Lalao Olaimpika 2012 any Londona ny tahirin'ny vohikalany ao amin'ny MIIT
Hong Kong: Fihaonamben'olona An'Aliny Manohitra Ny Fanabeazam-Pirenena
Ilay fandaharam-pianarana vaovaon'ny fanabeazana fototra "mena" nahabe resaka dia mitohy niotrika tamin'ny herinandro lasa ary nanatevin-daharana ireo vondronà mpianatra sy mpampianatra voakasik'izany ireo fikambanan'ny ray aman-dreny mba hanakana ny governemanta amin'ny fampidirana ilay fandaharam-pianarana amin'ity Septambra ity
Azia Atsinanana: Firoboroboan'ny Varotra Vorona An-tsokosoko ‘Hatao Fiompy’
Biby maro tandindonin-doza namidy mba hompiana anaty vàla mifefy no tany an'ala no nosamborina raha ny marina ary nalàna an-tsokosoko nivoaka ivelan'ny tontolo voajanahary niainany tamin'ny fomba feno habibiana, araka ny tatitry ny Jolay 2012 avy amin'ny Wildlife Trade Monitoring Network (TRAFFIC), tambajotra mpanara-maso ny varotra biby dia. Ho andrana hiadiana amin'ity olana ity dia mety hahafahana mamantatra mazava ireo vorona azo amidy ara-dalàna ao Taiwan ny fanomezana mari-pamantarana manokana ireo boloky nompiana nampidirina any an-toerana.
Etazonia: Tononkalo Notenomina Tao New York
Manasongadina ny poeta avy any Amerika Latinina sy Karaiba ny amboaran-tononkalo ny "Mpanao fanenoman-damba ao New York"