- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Shina: Nisambotra Mpampiasa Aterineto 5007 i Beijing

Sokajy: Shina, Fahalalahàna miteny, Fisamborana sy faneriterena, Fitsipika, Lalàna, Mediam-bahoaka, Fitantanana-aterineto, GV Mpisolovava

Araka ny tatitry ny  mpampahalala vaovao Shinoa avy ao amin'ny tanibe [1], ny kaomity mpitantana ny tananan'i Beijing sy ny filaminam-bahoaka dia nanao fivoriana atrikasa tamin'ny 24 Jolay mikasika ny fanaraha-maso ny aterineto mandritra ny fialan-tsasatry ny lohataona. Ny Lehiben'ny polisy ao Beijing, Fu Zhenghua (傅政华)dia nilaza tamin'ireo mpanao gazety nanadihady fa ny manampahefana amin'ny filaminam-bahoaka dia hamporisika ny fampiharana ny lalàna  manoloana ny varotra tsy ara-dalàna, ny fanelezana tsaho ady ny fanohintohinana ny antoko, ireo mpitarika ny governemanta ary ny rafitra politika atao eny anaty aterineto.

[2]

Sarin'i Fu Zhenghua avy ao amin'ny Social Outlook

Ho fanampin'izany mandritra ny fialan-tsasatry ny lohataona, manomboka ny faran'ny volana Jolay hatramin'ny faran'ny Aogositra, ho fitsinjovana ny fahasalamana ara-tsain'ny tanora, ny polisy dia hanao hetsika hananganana tontolo mahasalama ary ‘civilisé’ ety anaty aterineto. Hatreto ny biraon'ny filaminam-bahoaka ao Beijing dia nanokatra kaonty miisa 239 ho an'ny polisy eny anatin'ireo tambajotra sosialy be mpampiasa mba hanapariahana ny heriny amin'ny fampiharana ny lalàna eny anatin'ny tontolo virtoaly. Ny tanjona goavana indrindra dia ny hampanginana ireo cybercafé tsy ara-dalàna.

Ny 2012 [3], hatreto ny rafitra fampiharana ny lalàna anaty aterineto an'ny filaminam-bahoaka ao Beijing dia nikirakira fanohintohinana miendrika heloka bevava maherin'ny 3.961 sy nisambotra olona noahiahiana niisa 2007. Ankoatra izay, nanaisotra votoaty niisa 366.000 tety anaty ateriento sy nanasazy orinasa mpanome tolotra aterineto niisa 7.549.

Ilay biraon'ny filaminam-bahoaka dia hanakatona sy hametraka ho anaty lisitra mainty ireo tranonkala izay manely vaovao manahirana.

Ho an'ireo asa mifandraika amin'ny varotra tsy ara-dalàma, fanelezana tsaho sy fanohintohinana antoko, mpitarika ny governemanta ary ny rafitra politika misy ankehitriny, ireo somary maivamaivana dia ny fampitandremana atao fanta-bahoaka, raha ho an'ireo tena henjana kosa dia ny fanasaziana mifanaraka amin'ny lalàna sy fepetra misy.

Ilay biraon'ny filaminam-bahoaka dia nametraka ihany koa ny laharana 110 azo antsoina amin'ny fotoana rehetrasy mandrisika ny mpampiasa aterieto hitatitra amin'ny polisy izay hetsika tsy ara-dalàna tsinjony.