Efa vonona i Panama handray anjara amin'ny lalao Olaimpika ao Londres miaraka amin'ireo atleta fito hifaninana amin'ny taranja atletisma, ady totohondry, judo, lomano ary taekwondo. Vitsivitsy ihany ny solontena saingy na dia izany aza, manana fanantenana ny Panamaniana izay mametra ny fahatokisany amin'i Irving Saladino, tompon-daka tamin'ny vikin-davitra (saut en longueur) nandritra ny lalao Olaimpika. Naneho hevitra tahaka izao ny tranonkala En la jugada 507 (Amin'ny lalao 507) comments:
El abanderado de Panamá es el Kanguro Irving Saladino, primer panameño en conseguir una presea dorada para nuestro país en unas olimpiadas, la misma fue en Beijing 2008. Esperando que cuatro años después de este histórico momento pueda repetir esta hazaña.
Naneho ny fanohanany ireo atleta Panamaniana ihany koa ireo mpisera Twitter. Manuel Fuentes (@Manuel_P20), ohatra, toa hita fa be fanantenana ary mino izy fa hibata medaly maromaro ireo atleta valo rehefa tafaverina an-tanindrazana, na dia mbola tsy nahazo medaly telo aza i Panama.
@Manuel_P20: 8 Panameños en las Olimpiadas Dios quiera y traigan 8 medallas para #Panama apoyarlos con todo #VamosPanama
Ny sasany kosa toa kivy noho ny fahavitsian'ireo solontena , hoy i Dretti (@An_Dreetti) naneho ny heviny:
@An_Dreetti: Eso de que Panamá solo llevará 7 atletas a las olimpiadas me desepciona, me averguenza y me entristese… [Sic] Inviertan porque plata sí hay
Naneho hevitra tamin'ny tambazotra sosialy ihany koa ireo atleta. Ohatra tamin'izany i Carolena Carstens (@CarolenaPanama), 16 taona izy ary izy no zandriny indrindra hifaninana amin'ny taranja Taekwondo, nampiseho ny fitiavany an'i Panama tao amin'ny Twitter izy:
@CarolenaPanama: Amo a Panamá
Naneho hevitra ihany koa ilay tompon-daka tamin'ny Vikin-davitra, Irving Saladino (@irvingsaladino):
@irvingsalad.ino: Gracias a todos, hay que seguir trabajando y corrigiendo detalles, solo tranquilidad y humildad ante todo para que las cosas salgan bien
@irvingsalad.ino: Misaotra ny rehetra, mila miasa mafy aho ary manitsy izay tsy mety kely eny, milamina fotsiny ary manetry tena mba hahazo valiny mahafa-po ireto ny atleta solontenan'i Panama sy ny taranja hifaninanan'izy ireo tsirairay avy: Alonso Edwards – 200 metatra, Irving Saladino -Vikin-davitra, Andrea Ferris – 800 metatra, Juan Huertas – Ady totohondry, Omar Simmonds – Judo, Edgar Crespo – Lomano , Diego Castillo -Lomano, Carolina Carsten -Taekwondo.