- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Pakistana: Ankizy 240.000 Tsy Nahazo Fanefitry Ny Lefakozatra

Sokajy: Azia Atsimo, Pakistana, Fahasalamàna, Fivavahana, Mediam-bahoaka

Manodidina ny ampahefatra tapitrisa ny  zaza bodo [1] tandindonin'ny aretina lefakozatra, noho ny fandraràna ny fidiran'ny fanefitry ny lefakozatra ataon'ny Taliban any amin'ny faritra FATA [2]  (Federally Administrated Tribal Areas),na faritra ambany fifehezana federaly any Pakistana

Hafiz Gul Bahadur filohan'ny Taliban any Pakistana [3]dia nandràra ny fidiran'ny fanefitry ny  lefakozatra [4]  ho fanoherana ny fitsikilovana amerikana sy ny fanafihana amin'ny alàlan'ny ‘drone’ (fiaramanidina madinika baikoina avy lavitra) any Waziristan [5], FATA.

Pakistana no iray amin'ireo firenena telo [6]  sisa tavela amin'izao tontolo izao hanjakan'ny lefakozatra. Ny fanentanana ady amin'ny lefakozatra nataon'ny governemanta pakistane farany teo dia mahakasika ankizy 35 tapitrisa latsaky ny 5 taona. Fahasalaman'ankizy 160.000 any Atsimon'i Waziristan ary 80.000 any Avaratry Waziristan no lalaovina amin'io fandraràna io.

Ny Talibana Pakistane dia manahy fa fanafenana ny fitsikilovana raha ny marina io fanentanana ady amin'ny lefakozatra io. Tamin'ny May 2011, nisy fanentanana fanefitra ady amin'ny tazovony sandoka nataon'ny amerikana tamin'ny alàlan'ny dokotera Pakistane Dr. Afridi [7] tany Abbotabad, Pakistana, izay  nitarika tamin'ny nisamborana an'i Osama bin Laden.

Tanaty taratasy iray nozarain'i Mullah Nazir, mpitondra tenin'ny Taliban pakistane, , dia nilaza izy fa nanameloka ilay fanentanana hanaovana fanefitra [8] sartia ” ampiasain'ireo hery tsy azo itokiasana ny haino aman-jery, ny fanabeazana ary ny fandrosoana mba ho fitaovana handrebirebena ny Silamo.”

[9]

Mpiasan'ny fahasalamana iray manome ny fanefitry ny lefakozatra atete amin'ny zaza mandritra ny 3 andro fanentanana amin'ny ady amin'ny lefakozatra any Chaman. Sary avy tamin'i Owais Aslam Ali. Zon'ny mpamorona Demotix

Nandritra ny jirga (fivorian'ny foko) nataon'ireo 200 mpitarika ny Pashtun tamin'ny 18 Jolay 2012 teo dia nankatoavina ilay fandraràna mba ho fanoherana ny fanafihana amin'ny drone ataon'ny amerikana. Ny lohan'ny foko Turikhel, Malak Mamoor Khan dia niteny [10]fa mbola loza kokoa noho ny otrikaretin'ny lefakozatra ny drone, satria ‘ mahalana vao misy zaza iray matin'ny lefakozatra raha an-jatony ny zaza maty noho ny drone.’

Nisy fivoarana iray hafa niseho izay kapoka mavesatra ho an'ny fanentanana ny fanafoanana ny lefakozatra any Pakistana dia ny fanafihana ny mpitsabo ao amin'ny Fikambanana Iraisam-pirenena momba ny fahasalamana (OMS) [11],  teratany Ghaneana, vao haingana, izay nanao vakisiny ireo ankizy tany amin'ny manodidina an'i Karachi, tanànan-tseranana iray ao atsimon'i Pakistana. Notifirin'ny olona roa ny fiarany raha iny izy niala tany amin'ny faritra tena mahantra an'ny foko Pashtun (izay olona nandositra ny herisetra avy any avaratra andrefan'i Pakistana sy ny faritra FATA ny sasany amin'ny mponina ao) iny. Naratra mafy izy fa velona ihany. Tsy mazava na misy ifamatorany amin'ny foko sy ny fandraràna ny fampidirana ny fanefitry ny lefakozatra any amin'ny faritry ny FATA io fanafihana mpitsabo tany Karachi io na tsia.

Ankoatra izay, ny gazety ao an-toerana [12] dia nitatitra fa nisy ekipa mpanao fanefitry ny lefakozatra voadaroka tany Islamabad renivohitra, ary voatifitra ny ekipa sasany tany Jacobabad [13], any Sindh. Amin'ny tatitra hafa avy any Muzaffargarh [14], fileovana iray any Punjab, ny mpitondra fivavahana ao an-toerana dia nanamafy fa ady atao amin'ny Silamo sy ady atao amin'ny Pakistana [15] io fanentanana ady amin'ny lefakozatra io.

Maneho hevitra [15] amim-pahamalinana ny fihetsik'ilay mpitondra fivavahana i Mirza :

“Fanesona ny fiantsoan'ny mullah jihad amin'ny fanaovana vaksiny raha tokony ho fiantsoana jihad amin'ny tsy fahaiza-mamaky teny sy manoratra, mosary sy aretina no ataony. Ambonin'izay tsy azon'ny mpitandro filaminana samborina ny mullah, raha tsy misy fiovàna ?  Tsy mbola nisy mullah voasazy noho ny ratsy vitany na noho ny fanararaotany ny fivavahana izany. Tsy mbola nisy mullah miantso fatwa ho azy.”

[16]

Mpiasan'ny fahasalamana iray manome ny fanefitry ny lefakozatra atete amin'ny zaza mandritra ny 3 andro fanentanana amin'ny ady amin'ny lefakozatra any Chaman. Sary avy tamin'i Owais Aslam Ali. Zon'ny mpamorona Demotix

Nampivanàka ny maro io hetsika  fiadiana amin'ny lefakozatra io. Ian Fairley maneho hevitra [1]ao anaty lahatsoratra iray :

“Eo indrindra isika izao, lehilahy lehibe manampatra ny fahefany amin'ny vehivavy sy ny ankizy, setrasetra amin'ny endriny tena ratsy satria ataony amin'ny anaran'ny fivavahana izany. Asaivo mifanatrika tsara amin'ny lehilahy tsotra ireo mahery fo ireo  fa ho ampiasainy ny ankizy ho fitaovana hiafenany.

Ny bitsika sasany milaza fa ny firehan-kevitra mahery fihetsika dia loza mananontanona ho an'i Pakistan. Ali Abbas Zaidi dia mibitsika hoe :

Salman dia mibitsika hoe :

Aly dia manoratra hoe :

Mila ny fiaraha-miasa akaikin'ny vahoaka sy ny mpitondra ny fanafoanana ny lefakozatra. Ny mpitondra fivavahana, ny vahoaka, ny fikambanan'ny olom-pirenena dia tsy maintsy miady ary mahalala ny lanjan'ny fanefitry ny lefakozatra ho an'ny ho avin'i Pakistana.

Afridi vs Polio dia mibitsika hoe :

Araka ny antontan'isa navoakan'ny National Institute of Health Pakistan (NIHP) tamin'ny 2009, 2010, ary 2011 dia 116, 144, ary 173 ny tranganà lefakozatra niseho.